Filtrer les éléments par date : lundi, 16 avril 2018

Nindaosin’ny fahafatesana androany maraina tao amin’ny hopitaly Be Toamasina i Clarisse rehefa nolazoin’ny aretina fotoana naharitra. Iray amin’ireo nandrafitra ny tarika NY VOANIO i Clarisse. Anisan’ny hira nahafantarana azy ny “Je ne peux pas t’oublier”.

"NY VOANIO" dia tarika niforona teto Toamasina tany amin'ny taona 1965 tany. Maro ny hira nampalaza azy ireo tamin'izany no mbola mitohy henontsika hatramin'izao, na dia tsy dia miaka-tsehatra intsony aza ity tarika ity.

Publié dans Art et Culture

Mametra-panontaniana ireo Malagasy aty Chine, ny amin’ny tena andraikitry ny Ambasadin'i Madagasikara aty Chine, na ny olana ao anatiny, fa “toy ny tsy manana ray aman-dreny, indrindra fa ny mpianatra mandrato fianarana aty, satria izay zavatra atao ao dia, na tsy manam-bola izy ireo, na tsy amin'ny fahefany no valinteny azo”, hoy ny fanamarihana heno.

Lazaina fa tsy maintsy manana “carte consulaire” ny olona aty Chine, nefa rehefa manao ny antontan-taratasy hahazoana izany ny mpilaravinahitra na mpianatra, dia efa ho herintaona mahery no faharetany, izany hoe : efa madiva hody indray vao mahazo ny “carte” fa tsy manam-bola hanaovana azy hono ny Ambasady, manginy fotsiny ny tsy fahampian'ny fandraisana andraikitra sy ny tsy firaharahiana, hoy hatrany ny fanamarihana sy fitarainana heno.

Ny resaka vatsim-pianarana moa dia efa olana tsy misy mamaha mihitsy, fa maro ny mpianatra no mody tsy mahazo diploma na vita fianarana aza satria tsy nahaloa hofan-trano.

 

Publié dans Vaovao

Vary vokatra ankehitriny (Production actuelle): 3 600 000 tonnes

Velarantany vokarina (Superficie cultivée): 1 800 000Ha (5% Mada)
Rendement: 2 tonnes/Ha
Vary ho aniny (Besoin en riz): 4 000 000tonnes
Vary hafarana (Importation riz): 400 000 tonnes

Omena masomboly, zezika, fotodrafitrasa, rano, barazy, fitaovana ny tantsaha;
Omena fanofanana, famatsiam-bola haverina;
Omena velaran-tany lehibe miaraka amin’ny Injeniera, Agronome, FOFIFA;

Raha miakatra 4tonnes/Ha fotsiny (raha 7-14 tonnes no tokony ho izy) ny rendement;
Raha miakatra 10% fotsiny ny tany volena, dia ampiditra vokatra 36 000 000 tonnes isika, izany hoe afaka manondrana vary 30 000 000 tonnes isan-taona, 15 milliards de dollar isan-taona.

Rariny raha averina amin’ny Malagasy amin’ny alalan’ilay carte électronique ny vary 150Kg (3gony, 1Kg isan’olona isan’andro, fianakaviana iray 5 antrano = 150Kg/mois)

Vitatsika io.
Patrick

Publié dans Editorial

Tapitra anio Alatsinainy 16 aprily 2018 ny fivoriana tsy ara-potoana andiany fahaefatry ny Parlemanta raha nanomboka ny Alakamisy faha- 05 aprily 2018, ary tsy mihoatra ny 12 andro, araka ny didim-panjakana 2018-291 tamin’ny 04 aprily 2018 miantso ny Parlemanta hanatanteraka izany fivoriana izany.

Anio folakandro ny famaranana izany fivoriana tsy ara-potoana fahaefatra izany eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ho an’ny Antenimierampirenena.

 

Publié dans Tselatra

Nanao fanambarana nampahafantatra ny nitranga tao amin’ny tranon’ny ny Filoha Lefitry ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Fianarantsoa, ny ministeran’ny Fitsarana omaly 15 Aprily 2018.

“Notifirin’ireo mpanafika izy ka voatifitra teo amin’ny lohany. Nafindra eto Antananarivo (EVASAN) izy ary efa mahazo fitsaboana amin’ny hopitaly lehibe iray eto Andrenivohitra. Tsy misy atahorana ny ainy.

Publié dans Sociale

Ekipa Malagasy roa no tonga taty Abidjan Côte d’Ivoire nandray anjara tamin’ny Tournoi International de Pétanque d'Abidjan (TIPA) dia ny ekipam-pirenena sy ny ekipa tompondaka erantany.

Raraka avokoa ny solontena Malagasy, nihintsana teo amin’ny ampahefa-dalana ny ekipantsika tompondaka erantany, ny faharoa indray raraka teo amin’ny manasa-dalana, izany hoe laharana fahatelo niaraka tamin-dry zareo Maraokana. Norombahin'ny Ivoariana mpampiantrano ny anaram-boninahitra.

Nianto-tena ny tompondaka erantany tonga taty, ny ekipa nasionaly kosa dia ny Federasiona no niantoka azy ireo, fa ny indro kely dia somary nisy olana teo amin’ny “Visa” ry zareo. Tsy nisy voaloa ny vola ka somary niteraka fikorontanana kely teo amin’ny lalao.

Publié dans Sport
lundi, 16 avril 2018 10:19

16 avril

Journée Mondiale contre l'esclavage des enfants.
Cette journée est aussi dédiée à la Voix.

Publié dans Fil info