Filtrer les éléments par date : dimanche, 15 avril 2018

Nifarana ny 14 aprily 2018 tamin'ny 23h55mn ny fanakatonana ny lisi-pifidianana ka io 118.347 io no voarakitra farany tao anatin'ny Kaominina miisa 28 ary Fokontany 326, ary notsinjaraina birao fandatsaham-bato miisa 350.

Io no nampafantarina tamin'ny fomba ofisialy androany 15 aprily 2018 tetsy amin'ny biraon'ny CENI Sambava Centre.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Ny zoma 13 aprily no nifamotoana tamin'ireo mpikambana MFM ny Anôsy, tao amin'ny hotely Croix du Sud Le Dauphin Ampotatra Tolagnaro, ny birao foibe notarihin'ny filoha nasionaly Manandafy Rakotonirina.

Natao izao filankevi-paritra izao, hoy i Manandafy Rakotonirina hamariparitana ny politika ankapoben'ny antoko sy ho fanomanana ny fiatrehana ny fifidianana ho avy.

Ny loholona Rakotovazaha Olivier, sady Sekretera jeneralin'ny MFM, kosa no nanazava fa matoa manohana ity fitondrana HVM ity ny Mafana dia mitovy ny tanjona araka ny vina Fisandratana 2030.

 

 

Publié dans Politique

Nitrangana vaky trano misesy ao amin'ny Fokontany Ankofafa, Fianarantsoa tao anatin'ny herinandro.

Dimy no isan'izany tao anaty ny dimy andro. Saika trano fivarotana avy ireo toerana ireo. Ny alin'ny sabotsy hifoha ity Alahady 15 aprily no nanafika tao amin'ny trano fonenan'ny mpitsara iray, filoha lefitry ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Fianarantsoa, ireo mpamaky trano ireo.

Voatifitra teo amin'ny lohany ilay raim-pianakaviana ary nentina avy hatrany teny amin'ny toeram-pitsaboana.

Ny atoandron'ity alahady ity no tonga teto Fianarantsoa ny fiaramanidina nitondra azy hotsaboina any an-drenivohitra.

Mitebiteby ireo mponina ao amin'io Fokontany io ankehitriny noho ny fanafihana mihamahery vaika toy izao.

Tsy mbola ahenoana fanamborana ny nahavanon-dratsy momba ireo tranga ireo eny anivon'ny Commissariat tandrify.

 

Publié dans Tselatra

Vohipeno: Fanandratana Olotsambatra an'i Ramose Lucien Botovasoa.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
dimanche, 15 avril 2018 13:44

Siria: Nodarofan'ny Amerikanina baomba

Taorian'ny zera baomba, heverina ho simika nataon'ny fitondrana sirianina Bachar Al-Assad, ny 7 avrily lasa teo tao Douma, tanàna ao Ghouta orientale, dia nanambara i Donald Trump, Filoha amerikanina, fa dia nanome ny valikafatra izy ka dia nodarohan'ny Amerikanina, ny alin'ny zoma hifoha ny sabotsy 14 avrily, miaraka amin'ny Frantsa sy Royaume-Uni ireo toerana 3 famokarana baomba simika sirianina.

Raha ny filazanan'ny fampitam-baovao sirianina sy rosianina, dia 110 misila no nafatratra tao Damas, izay nisy ihany koa no potiky ny fiarovana sirianina.

Publié dans Vaovao

Mikatona tanteraka amin'ity andron'ny 15 aprily ity ny fanavaozana isan-taona sy fanadiovana ny lisi-pifidianana. Io no lisi-pifidianana hampiasaina amin'ireo fifidianana ho avy.

Nahatratra 9.903.319 ny isan'ireo mpifidy voasoratra anarana. Nanodidina ny 240.000 kosa ireo anarana niverimberina hita tamin'ny fanadiovana ka nesorina tao anaty lisitra.

 

Publié dans Tselatra

Tanterahina eto Vohipeno anio 15 aprily 2018 ny fotoam-pivavahana lehibe hanambarana ampahibemaso sy hanandratana eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra an'i Lucien Botovasoa.

(Jereo sary Tohiny)

 

Publié dans A la Une
dimanche, 15 avril 2018 10:07

15 avril

Journée mondiale de l'Art

Publié dans Fil info