Filtrer les éléments par date : jeudi, 12 avril 2018

Vingt Directeurs centraux et régionaux de l’Administration Pénitentiaire ont été reçus par le Président de la République Hery Rajaonarimampianina en fin d’après-midi, ce 12 avril 2018, au Palais d’Iavoloha. Ils étaient conduits par la Garde des sceaux, Ministre de la Justice, Alexandrine Elise Rasolo.

C’est la première fois qu’un Président reçoit les responsables pénitentiaires. Leur représentant, le Directeur Général de l’Administration Pénitentiaire, Abdoul Batif, a évoqué les divers problèmes de cette entité. Il a déclaré qu’il serait temps d’améliorer les infrastructures et les conditions d’exercice de notre mission.

Publié dans Politique

Nolavin’ny Prefen’i Toamasina ny fangatahana am-bava nataon’ireo depiote mpanohitra eto Toamasina hamory vahoaka eo anivon’ny Lapan’ny Tanàna ny sabotsy 14 aprily izao, raha nanome alalana azy ireo izany ny Ben’ny Tanàna tamin’ny alalan’ny lefitra faharoany.

Publié dans A la Une

Maro ireo mpanao politika hiazo an’i Vohipeno, faritra Vatovavy Fitovinany, hiombom-bavaka amin’ny mpino Katolika amin’ny hanambarana ampahibemaso ny fanadratana ho Olontsambatra an-dramose Lucien Botovasoa hotontosaina ny alahady 15 aprily 2018 izao.

Re fa ho avy any an-toerana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina mivady, ny filoha teo aloha sady filohan’ny komitin’ny Jobily faha-50 taonan’ny FJKM Marc Ravalomanana, ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Nirina Rajoelina, ny praiminisitry ny tetezamita iraisana Jean Omer Beriziky, ny praiminisitra teo aloha Ravelonarivo Jean, ny minisitry ny fiompiana teo aloha sady kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena 2013 Randriamampionona Joseph Martin (Dadafara) …

 

Publié dans Tselatra

Tonga nitsidika ara-pomba fifanajana an’Atoa Jean Max Rakotomamonjy- Filohan’ny Antenimieram-pirenena teto amin’ny Lapan’i Tsimbazaza omaly alarobia 11 aprily tolakandro ny Delegasion’ny “Notaires” notarihan’ny Filoha lefitry ny Filankevitra Ambonin’ny Notaire ao Frantsa.

Nisongadina tamin’ny resaka nifanaovana tamin’izao fihaonana izao fa andraikitra tsy maintsy iantsorohan’ny “Notaire” ny fianarana Lalàna ka izany indrindra no nisafidianan’ny “Union Internationale des Notaires” eto Madagasikara anatanterahina ny Andiany faha-XIII momba ny fianarana Lalàna izay tontosaina ao amin’ny Hotel Carlton, Anosy ny 09 ka hatramin’ny 12 aprily 2018.

Publié dans Politique

Nitaraina ireo olona mipetraka sy mifamezivezy manodidina ny seranan-tsambon'i Mahajanga fa misy fofona tsy zaka iainana miparitaka. Nidina vonjimaika nijery ny zava-nisy teny an-toerana ny avy amin'ny tambazotra miaro ny zon'ny mpanjifa, ny sampandraharaham-paritry ny tontolo iainana ny haivoahary ary ny ala sy ny faritra Boeny nanao fisavana.

Hita tokoa fa nisy vary very tamin'ireo “chaland”, sambo izay fisaka ny fanambaniny, miisa fito, vary lena nandritra ny oram-be taty Mahajanga ny faran'ny herinandro teo. Vary efa feno olitra sy lo tanteraka ka ireo no nahatonga ny fofona maimbo.

Publié dans Vaovao

Tao amin’ny Tragno be misy ireo Mpanjaka 3 Troky no nitrangan’izany omaly alarobia 11 aprily 2018. Na tsy mbola nanambara ofisialy ny firotsahan-kofidiany amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy azy izy, dia voalaza fa dingana amin’ny fiomanany amin’izany izao nataon’ity praiminisitra teo aloha, Jeneraly Ravelonarivo Jean ity.

 

Publié dans Tselatra

Sauf changement de programme, le Baobab Tree Hôtel & Spa Majunga sera inauguré le samedi 14 avril. Le président de la République Hery Rajaonarimampianina y sera attendu.

Situé sur le quartier la Corniche Boulevard Marcoz, le désormais ex-La Piscine Hôtel est classé 4 étoiles.

 

Publié dans Fil info

Tontosaina eto Toamasina amin’izao fotoana izao ny fifanakalozana traikefa eo amin’ny faritra roa dia Toamasina sy Antsirabe, momba ny tetikasa fampiatiana ireo olona tra-pahasembanana. FANILO VOIZO CBID moa no anaran’izany tetikasa izany, ka mijery lalina ny fampahaleovantena ireo tra-pahasembanana, ny fampananana asa azy ireo, ny sehatra sosialy, ny fahasalamana ary ny fanabeazana.

Misy koa ny fitsidihana ireo sekolin’ny jamba sy ny marenina, ary ireo sekoly mampiaty eto Toamasina.

Publié dans Sociale

Tontosa ny alarobia maraina 11 avrily teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny DREN na foibem-pitondram-pampianarana Atsinanana ny fanolorana ofisialy ireo fitaovana raitra toy ny ordinatera sy imprimante 17 isa, sy plaque solaire sivy, ary “kit enseignant” misy kitapon’ny mpampianatra sy blozy miisa 1964.

Nisitraka izany avokoa ny fari-piadidiam-pampianarana miisa 7 ato anatin’ny faritra Atsinanana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Fikambanana tanora mpanao asa soa ny FITSA. Tarigetran'ny fikambanana ny hoe : “Soa ny manome” ary nahalalan'ny mponina eto Toamasina sy any ivelany azy hatrizay ny fizarana izay kely ananana.

Nisy ny lanonana fifampiarahabana noho ny taona vaovao niarahan’ny mpikambana ny faran’ny herinandro teo tao Salazamay-Toamasina.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Art et Culture
Page 1 sur 2