Filtrer les éléments par date : mardi, 10 avril 2018

Niakatra tamin’ny fahitalavitra tsy miankina eto Mahajanga ny Ben’ny Tanàna Andriantomanga Mokhtar Salim ny atoandro teo, nanao fanambarana ampahibemaso fa misy fikononkononana hanala azy eo amin’ny toerany.

Voaporofo izany amin’ny zavatra mitranga amin’izao fotoana izao. Tonga eo anivon’ny Kaominina Mahajanga ny Inspection d’Etat hanao fanaraha-maso mikasika ny fomba fitantanana ny Kaominina amin’ny lafiny rehetra, indrindra ny ara-bola.

Publié dans Politique

Loholona miisa 53 no nandany tamin’ny endriny nandanian’ny depiote azy, ireo volavolan-dalana fehizoro miisa telo, hifehy ny fifidianana filoham-pirenena, fitsapan-kevibahoaka ary fifidianana solombavambahoaka.

Tokana, dia ny senatera TIM Ramalason Olga, no nitsipaka io fehezan-dalàna momba ny fifidianana io.

Tao anatin’ny 45 minitra no nahatontosan’ny fandaniana ireo lalàna fehizoro ireo tao amin’ny Lapa maitso Anosikely androany.

 

Publié dans Tselatra

Resaka halatr'omby no fototr'olana satria nisy olona efa malaza tamin'ny halatr'omby no nahatratraran'ny olona omby tsy mazava tao aminy, no voarohirohy.

Rehefa nosamborina io olona io dia tsy naharitra akory dia votsotra indray. Isan'ny nahatezitra ny olona ny namotsorana io lehilahy io satria efa voarohirohy tamin'ny halatr'omby izy io ny septambra 2017, ary efa nosamborina saingy afaka foana.

Voalaza fa mandoa vola no mahafaka foana io lehilahy io.

Publié dans Tselatra

La Grande île sera représentée en athlétisme, football, handball, pétanque, tennis de table, et aussi dans des activités de jeunesse.

Le président de la République a octroyé une aide financière de 30 millions d’Ariary pour ceux qui participeront aux 11èmes jeux du CJSOI.

 

 

Publié dans Sport

Quatre-vingt-huit athlètes quitteront Madagascar ce dimanche 15 avril 2018 pour suivre une formation sportive de quatre mois en Chine. Les athlètes sont issus de cinq disciplines : l’haltérophilie, l’athlétisme, le badminton, le tennis de table et la natation.

Un chèque de 20 millions d’Ariary a été octroyé par le chef de l’Etat pour ceux qui partent en formation en Chine pour la découverte d’une nouvelle culture et de nouvelles expériences.

(Voir suite Galerie Photo)

Publié dans Sport

Nanasa mpizaika 500 isa ny Komitin'ny Fahamarinana sy Fandriampahalemana ary Fiadanana (K3F) mba hanatrika izany kaondoha mandritra ny roa andro izany, ny 17 sy 18 aprily ho avy izao.

Ny trano malalaky ny Kolejy Saint François Xavier Ambatomena no handray io fotoana io eo ambany fiahian'ny ray aman-dreny ara-pinoana sy ara-piarahamonina. Ny paroasy Saint Charles Ambatomena kosa no mandray ireo asam-baomiera.

Tanjona amin'izany ny famoahana fehin-kevitra izay hatolotra ny konferansy episkopaly, ny FFKM ary ny tompon'andraikim-panjakana.

Andrasana ny alatsinainy ho avy izao ireo vahiny handray anjara amin’izany. Efa vonona ireo mpikarakara ary manamafy ny fahavitrihana amin'ny fampiantranoana izao hetsika izao.

 

Publié dans Tselatra

Nanapa-kevitra ny hanazava sy hanao tatitra amin’ny vahoaka mikasika ny zava-misy eto amin’ny firenena, indrindra taorian’ny fandaniana ny lalam-pifidianana farany teo, mba tsy hahatompon-trano mihono azy ireo ny senatera MAPAR Velontsara Paul Bert, ny Depiote PSD vaofidy tao Analalava Djaosera Irenée ary ny Depiote tsy miankina voafidy teto Mampikony Raphaelien Solofoniaina Emilien Narison.

Tamin’ny sabotsy 7 aprily izy ireo no nanao taratasy fampahafantarana tamin’ny Distrika, izay rafi-panjakana eto an-toerana, ny hisian’ity fihaonana amin’ny vahoaka ity, nokasaina hatao tao amin’ny Espace KOFMAD. Namaly ny teo anivon’ny distrika fa tsy voahaja ny 48 ora tokony nametrahana ny fangatahana ka nolavina izany. Tetsy ankilan’izay dia re fa nahazo antso totoafo ihany koa ny tompon’ilay Espace, fa tsy tokony hampiantrano io fihaonana io.

Publié dans Vaovao