Filtrer les éléments par date : jeudi, 08 mars 2018

Toerana fantatr'ireo mpifankatia maro ny eny amin'ny Anjely mainty, izay lasa fotsy taty aoriana etsy Anosy. Malaza io toerana io, fa izay mpifankatia mandeha eny dia misaraka, ary izay te hisaraka kosa minia mandeha eny dia vao maika miaraka.

Tantara avokoa moa izany, fa nosokafan'ny Filohan'ny Repobliaka Hery Rajaonarimampianina, niaraka tamin'ireo mpikambana ao amin'ny governemanta sy Andrimpanjakana maro teto amintsika ilay zaridaina etsy Anosy.

Publié dans Sociale

Nifarana omaly alarobia 07 mars ny assises de la coopération internationale des colléctivités Malagasy et Français tetsy amin'ny Carlton Anosy.

 

Publié dans Tselatra

Ny 07 martsa 2018 tokony tamin’ny 11 ora alina, raha ny fampitam-baovaovao avy teo anivon’ny Zandarimaria Andapa no nitranga ity loza ity. Fiara minibus Mazda nitondra ireo fikambanam-behivavy avy any Tsarabaria Vohémar izay nikasa hiazo an’Andapa hankalaza ny 08 marsa ho an’ny faritra SAVA no niharan-doza.

23 ny mpandeha tao anatiny ka lehilahy ny iray dia ny mpamily. Tsy nisy ny aina nafoy fa iray no tena naratra mafy ka nampidirina hopitaly.

Publié dans Tselatra
jeudi, 08 mars 2018 17:54

RN6: C'est la galère

Il a fallu 12h de temps pour franchir Antsiranana-Ambanja, transbordement au niveau de Marivorano entre Antsiranana et Ambilobe, marche à pied, charrette la nuit, bagages perdus.

Entre Ambanja et Antsohihy, ce n'est pas donnée non plus, c'est devenue une route secondaire avec plusieurs passages très difficile.

Publié dans Fil info

Nandritra ny karabary nifandimbiasana nankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy, androany 8 martsa 2018 no nisehoan’ity zavatra nahatsikaiky ity teto Bekopaka.

Nandritra ny kabarin'ingahy lefitry ny Ben’ny Tanàna, Ravelonarivo Nary, izay marihina fa HVM (Hery Vaovao ho an'i Madagasikara), dia nanonona ny anaran'ny filohan’ny Repoblika izy ka Marc Ravalomanana indray no voateniny, raha toa ka Hery Rajaonarimampianina no tokony notononony.

Tsy tonga saina mihitsy ingahy « Adjoint au maire » kanefa ny olona efa nihomehy. Raha tsy ny solombavam-bahoakan’Antsalova, Ramarolahy Maurice, no nibitsika taminy tena tsy tonga saina mihitsy izy hoe : nijabaka.

Publié dans Vaovao

Maty tsikelikely ny ombin’ny orinasa Tiko AAA aty Andranomanelatra Antsirabe. Nisy ombivavy beronono maty indray androany marain’ny alakamisy 8 martsa, nefa vao omaly no nandorana ny iray maty tamin’ny alahady.

Efa nanomboka tsy nahazaka tena ity omby ity ny talata teo nahitan’ny mpiasa azy, dia izao namoy ny ainy izao.

Misy ombivavy Holstein iray mitondra vohoka enim-bolana ihany koa efa tsy mahazaka tena, ary tena ahiana ihany koa ny aminy amin’izao.

Publié dans Tselatra
jeudi, 08 mars 2018 15:05

Mahajanga: Mankalaza ny 8 marsa

Ho fanamarihana ny andro manerantany ho an'ny vehivavy, Vehivavy maherin'ny 5000, avy amin'ny fikambanana miisa 250 mivondrona amin'ny KB8M (Fikambanam-Behivavy 8 Marsa) eto Mahajanga no nitanjozotra nanao diabe namakivaky ny tanàna nanomboka teny amin'ny jaridaina Cayla ary nifarana teny amin'ny Complexe Sportif Ampisikina ny maraina teo.
Fikambanana ara-tsosialy sy ara-piharaha-monina ny ankamaroan'ireo nandray anjara, araka ny hita amin'ny sorabaventy lanjain'izy ireo amin'ny sary.
Ny KB8M notarihin'ny filohany ramatoa Miza Annie no nitarika ny lanonana notronin'ireo vadin'ny manampahefana sy manam-boninahitra avy eto amin'ny faritra Boeny ary ireo talem-paritry ny sampandraharaha samihafa.
Publié dans Tselatra

hiainga amin'ny efa misy ankehitriny isika anazavana azy miaraka amin'ny tarehi-marika.

6 350 941 186 000 Ariary ny vola vinaina hiditra amin'ny teti-bola 2018.
5 022 142 000 000 Ariary ny vola miditra avy amin'ny hetra, ny amboniny fanampiana avy any ivelany, na trosa na vola tsy averina.

Andao ho entina mikajy ny vola miditra eto an-toerana avy amin'ny hetra, izay marihina fa 15% amin'ny hetra tokony hiditra io, (assiette fiscale), satria ny 85% dia tsy misy mandoa hetra avokoa na koa tsy voahangona ilay hetra, na lasa mivily lalan-kafa.

Ataotsika kajy roa:

1- Kajy mijanona amin'izao toe-draharaha misy izao

5 022 142 000 000 Ariary izany no fototry ny kajy (base de calcul)

Publié dans Editorial

Natolotra ny fampanoavana omaly alarobia 7 marsa tolakandro ilay vazaha saika niharan’ny fitsaram-bahoaka teto Antsirabe ny atoandron’ny talata 6 marsa.

Publié dans A la Une
jeudi, 08 mars 2018 08:55

8 mars

Journée internationale des femmes.

Publié dans Fil info