Filtrer les éléments par date : lundi, 05 mars 2018

Antsirasira, Andakana, Ampasindava, Ambovomavo ary ny EC Ambohimiarina, ao amin'ny ZAP Betrandraka sy Bekapaika, CISCO Tsaratanana, no nikatona tsy fidiny vokatry ny fanafihan-dahalo sesilany aty an-toerana.

Mpampianatra roa ambin'ny folo no voatery hafindra toerana vonjimaika amina sekoly akaiky azy ireo.

Naato vonjimaika ihany koa ny fianarana tao amin'ny CEG Tsararova, androany alatsinainy noho ny aretina ambalavelona

Amin'ny alarobia no hiverina hisokatra ny sekoly mba hitsaboana ireo marary.

 

Publié dans Tselatra

Nanohintohina ny fisintahana sy fahanginana teny amin'ny Monastère Maromby ny andian-jiolahy mpamaky trano mitam-basy sy misaron-tava.

Ny alin'ny alarobia 28 febroary hifoha alakamisy 1 marsa lasa teo no nitrangan'izany.

Namaky ny tamboho avy ao amin'ny ilany atsinanana ireo jiolahy mialoha ny hizotra mankany amin'ny trano misy ny mpitantam-bolan'ny fikambanana.

Taitra ny pretra misahana izany rehefa nandre ny korontana nateraky ny fisokirana ny varavarana miditra ao amin'ny trano fiasany sy fatoriany.

Publié dans Tselatra

Tra-tehaky rangahy tompom-bady niaraka tamin’ny vadiny ity tovolahy ity ny alarobia lasa teo tany Andasibe, Kaominina Bevontro - Sambava. Tsy namelany raha tsy afaka ny ainy.

Mpiavy ity namoy ny ainy ity ary mbola eo ampanaovana fanadihadiana ny mombamomba azy ny Lehiben'ny Fokontany any an-teorana amin izao.

Efa voasambotra kosa ilay navanon-doza ary efa eo ampanaovana famotorana azy ny avy amin’ny Kaompanian'ny Zandary Sambava amin’izao.

 

Publié dans Tselatra
lundi, 05 mars 2018 17:14

Dumazile: Nosy be Sous les eaux

La pluie n’arrête pas de s’abattre sur l'île aux parfums, l'eau monte inexorablement.

L'adjoint au maire Sylvanot Rakotonirina a fait appel à la radio locale d'évacuer les zones inondable comme Ampotaka Ambodivoanio Hell-Ville ainsi que les zones inondées de Dar-es-salam et rejoindre le Gymnase Couvert Toly Laurent à Hell-Ville.

Plusieurs milliers de sinistrés actuellement.

Info et Photos BEBEL BETOMBO - Photos Fournies

 

Publié dans A la Une

Efa fantatra ny fizotran'ny rivo-doza fa hanamorina an'i Toamasina, fa tsy nisy mpitondra taitra izany.

Dobon-drano ny Tanàna, feno traboina, fa tsy misy na minisitra iray, na BNGRC na fitondrana manampy izany, nefa dia feno minisitra tonga taty Toamasina ny sabotsy teo nanao fety niaraka tamin'ny Senatera teto Toamasina.

Publié dans Tselatra

Andranomadio, Ambalamanasy, Barikadimy, Mangarano I sy II, Ankirihiry avaratra, Mangarivotra avaratra sy atsimo, Salazamay, Ambohijafy, Antseranampasika, Morarano, Ambalakisoa, Ambolomadinika, Tanambao 1 sy 2 ary 3, gare routière, feno rano avokoa noho ny oram-be nentin'ny rivodoza Dumazile.

 

Publié dans Tselatra

Fiara telo voatora-bato, olona miisa 19 nosamborin’ny Emmo-Sécurité nandritra ny fitokonan’ny mpianatry ny oniversite Barikadimy-Toamasina noho ny fahatapahan-jiro nateraky ny orambe nentin’ny rivodoza Dumazile omaly.

Ny Zandary no mandray an-tanana ny fanadihadiana azy ireo amin’izao.

 

Publié dans Tselatra

Le cyclone tropical DUMAZILE se trouve actuellement à 250km au Sud-Est de Toamasina, à 200Km à l'est de Mahanoro. Il s'éloigne, de plus en plus, de la côte malagasy.

(Source Météo Madagasikara, Photo satellite 07h)

 

Publié dans Fil info

Amin'izao alatsinainy 05 martsa izao, dia mihamanalavitra any amin'ny 250 km Atsimo-Atsinanan'i Toamasina ilay rivo-doza DUMAZILE, ary 200 km Atsinanan'i Mahanoro. Ary hihanalavitra an'i Madagasikara hatrany izy.

(Source Météo Madagasikara, Photo satellite 07h)

 

Publié dans Tselatra