Filtrer les éléments par date : samedi, 03 mars 2018

Ankasitrahana hatrany ireo namana Mpahay Lalàna mitondra fanazavana ho antsika eto.

Niteraka resa-be tato ho ato ny hoe « CASIER JUDICIAIRE » Bulletin N°2 « B2 » sy Bulletin N°3 « B3 ».
Na dia sehatra TENA teknika (« domaines techniques ») aza io, dia andeha hazavaina ny mahakasika azy.

Koa Fanontaniana Voalohany mipetraka àry : « INONA MARINA MOA NO ATAO HOE : « casier Judiciaire » ?

Raha faritàna tsotsotra nefa mazava, ny atao hoe « CASIER JUDICIAIRE » na « TARATASY FITANISAN-TSAZY » dia TARATASY FITANISANA NY SAZY AZO ARA-PITSARàNA.
Izany hoe, ny « CASIER JUDICIAIRE » no ILAZALAZANA sy ITAHIRIZANA ny SAZY rehetra azon’ny olona iray, ka ahafantarana ny LASANY ARA-PITSARANA (« antécédents judiciaires »).

Fanontaniana manaraka : « INONA AVY NY SAZY NA DIDIM-PITSARàNA MISORATRA KA TAHIRIZINA AO AMIN’NY « CASIER JUDICIAIRE » ?

Araka ny andininy faha-589 ao amin’ny Fehezan-Dalàna momba ny Paikady Heloka [« article 589 du Code de Procédure Pénale (C.P.P.)], dia tahirizina ao anaty « casier Judiciaire » ny:

Publié dans Editorial

Hita tamin'ny fahitalavitra vahiny TV5-monde ny minisitry ny raharaham-bahiny malagasy Henry Rabary Njaka nanambara tamin'izao tontolo izao fa dia efa fantatra ny datim-pifidianana ny Filoham-pirenena malagasy, ka atao ny 24 novambra ho avy izao ny fihodinana voalohany, ary ny 24 desambra 2018 kosa ny fihodinana faharoa.

Aorian'izay avy hatrany moa, hoy izy namaly ny fanontanian'ny mpanao gazety vahiny TV5, no atao ny fifidianana solombavambahoaka.

Publié dans Tselatra

Sur la chaîne étrangère TV5 monde, le ministre des affaires étrangères malagasy annonce au monde que le 1er tour des élections présidentielles sera tenu le 24 novembre 2018 et le 2è tour le 24 décembre 2018.

Pas de conseil des ministres, pas de conseils de gouvernement, pas de proposition de la CENI, et on annonce à l'étranger, avec les financements de l'organisation des élections par des pays étrangers.

Bienvenue l'indépendance de Madagascar.

 

Publié dans A la Une

Zanakazo 500 fototra no nambolen’ny Zandarimaria avy amin’ny Groupement SAVA omaly zoma 02 marsa.

Tetsy Amborintsy Ambodisatrana II ny toerana nofidina nanantanterahina izao fambolen-kazo izao.

"Mandray anjara amin’izany izahay avy amin'ny Zandarimaria hoy ny lehiben'ny vondrom-paritra SAVA satria efa politikam-panjakana izany ka tsy ho latsa-danja amin'izany izahay sady ho fampandrosoana ny Tanindrazantsika".

 

 

Publié dans Tselatra