Filtrer les éléments par date : jeudi, 29 mars 2018

Nanamafy ireo delegasiona avy amin’ny MAPAR, tamin’ny fanambarana nataon’izy ireo tamin’ny haino aman-jery teto Mahajanga io alina io, fa tsy misy fiovana ny fandaharam-potoana rehetra rahampitso zoma 30 martsa.

Ho avy eto Mahajanga, araka ny fanasan’ny Kaominina azy, hanotrona ny fitokanana lalana, ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina.

Rahampitso zoma amin’ny fiandohan’ny tolakandro no higadona eto Mahajanga ity farany, hisy ny fitsenana azy omanin’ny mpikarakara, amin’ny fahatongavany eny amin’ny seranam-piaramanidina Amborovy.

 

Publié dans Tselatra

Nisy ny fifampidinihin'ny mpitandro ny filaminana mandrafitra ny OMC izay notarihin'ny Prefen’i Mahajanga, Ravelomahay Lahiniaina Fitiavana, nandritra ny ora maromaro teny amin'ny birao fiasany, nanomboka tamin'ny fito ora sy sasany hariva teo.

Tsy miova ny fanapahan-kevitra araka ny didim-pitondrana efa navoakan’ny Prefektiora omaly, fa tsy ekena ny famoriam-bahoaka ataon'ny Ben'ny tanànan’i Mahajanga, Mokhtar Salim Andriantomanga, ka nanasany ny filohan’ny tetezamita teo aloha sady filohan’ny MAPAR Andry Rajoelina.

Hanao fanambarana amin'ny fahitalavitra M3TV sy VIVA eto Mahajanga ny MAPAR afaka fotoana fohy.

 
Publié dans Tselatra

Efa saika tonga eto Mahajanga ny tolakandro teo ny delegasiona MAPAR, nasain’ny Ben'ny Tanàna amin’ny lanonana fitokanana lalana vita, hotontosaina rahampitso.

Etsy ankilany dia hita miatrana ihany koa ny mpitandro ny filaminana, toy ny eny amin'ny Lapan'ny tanàna sy ny eny Betamanga, ankoatra ireo mandehandeha eran'ny tanàna.

 

Publié dans Tselatra

Tonga namory olona teny amin'ny efitrano malalaky ny “La Promenade”, teto Mahajanga, ny Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana teo aloha, Orlando Robimanana androany alakamisy 29 martsa tolakandro teo. Nitafa mivantana tamin'ireo izay tonga ity filoha nasionalin'ny Bigsoma ity. Nandritra izany no nanambarany fa “endrikendrika sy fanosoram-potaka fotsiny” ireo vaovao niparitaka tamin'ny haino aman-jery mahakasika azy.

Tsy mbola namaly mazava kosa anefa izy raha nanontanian'ny mpanao gazety mahakasika ny firotsahany ho fidiana filoham-pirenena na tsia. Nanamafy kosa anefa ny tenany fa tsy hijanona amin'ny asa sosialy ataony ho an'i Mahajanga.

(Jereo tohiny sary)

Publié dans Politique
jeudi, 29 mars 2018 16:47

Port Toamasina: Négociation en cours

Les chauffeurs transporteurs se sont manifestés devant le port hier soir. Ils ont revendiqué l'accélération des dédouanements et l'affrètement de leurs conteneurs.

Effectivement la société MICTSL, en charge de débarquement et embarquement des conteneurs, du navire vers le lieu de stockage et sur les camions, accuse une lenteur, au point où 2 conteneurs par heure seulement soient traités.

Les chauffeurs se plaignent de rester jusqu'à 8h voire 24h sans pouvoir sortir de leurs camions, car suspectés de voler dans le port. Les chauffeurs ne peuvent pas manger ni se soulager, ni faire leur besoin pendant ces heures d'attente.

Publié dans Economie

Mitohy hatrany ny asa fandidiana maimaimpoana ataon'ny Santé Plus Antsirabe sy ny fikambanana Les enfants de Noma avy any Frantsa. Nanomboka ny 20 marsa teo ny fandidiana ary nitohy hatramin'ity herinadro ity.

Ireo manana fahasamponana toy ny sima sy vaky ny lanilany moa no nanaovana fandidiana tamin'ity andiany faha-5 ity, ka raha ny fanazavana netin'ny Dr Rakotoson Benjamina dia nahatratra 150 mahery ireo nandalo fitiliana tao amin'izy ireo, ka ny 70 mahery no nodidiana tamin'izy ireo ka nisy 58 no notoranina mihitsy vao vita ny fandidiana. Mbola misy 30 mehery no hovitaina aorian'ny fetin'ny Paska.

Mpitsabo teratany vahiny no misahana ny fandidiana miaraka amin'ny mpitsabon'ny "Santé Plus" Antsirabe, ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ireo marary aorian’izany dia andraikitr’ireto farany.

Publié dans Sociale

Nitokona efa hatrami'ny omaly alarobia 28 mars harivariva ireto mpamily kamiao mpaka entana ao amin'ny seranantsambon'ny Toamasina, noho ny fitarozahan'ny famoahana kaontenera ao amin'ny tobim-pitehirizana entana.

Ny orin'asa MICTSL moa no miandraikitra ny fampidinana sy fampiakarana ireo kaontenera eny ambony sambo ary mampiakatra na mampidina azy koa eny ambony kamiao.

tsy ampy fitaovana anefa ny orin'asa MICTSL ka dia kaontenera roa isan'ora ihany no vitany ny mandefa azy, etsy ankilany ny ladoany mbola maro fepetra, ka maharitra 7 andro ny entana vao mivoaka.

Publié dans Economie

Ankoatra ny hetsika fanao mahazatra ho fahatsiarovana ny tolom-panafahana 1947, dia niavaka ny teto Mahajanga satria nasaina manokana ireo bekotro maro holatra, akanga sisa nanamborana, sy ireo beantitra niaraka nisakafo teny amin’ny efitrano malalaky ny sampandraharaham-paritry ny Polisim-pirenena teny Mangarivotra. Notolorana solom-bodiakoho isan’olona ihany koa izy ireo.

Nosantarina tamin’ny fanompoam-pivavahana niraisam-pinoana teny amin’ny EKAR Masindahy Xavier Mahabibo ny hetsika. Avy eo nihazo ny zaridaina Cayla nanatanteraka ny lanonana ara-miaramila sy ara-panjakana ary fanaterana fehezam-bonikazo teo amin’ny tsangambaton’ny Mahery fo.

Publié dans Sociale

La commémoration de la Lutte de libération du 29 mars 1947 est placée, en cette année du 71ème anniversaire, sous le thème du « Tolom-panafahana 1947 : Firaisankina ho Fisandratan’i Madagasikara ».

En début de matinée, le Président de la République, Hery Rajaonarimampianina, accompagné de son épouse, était à Avaratr’Ambohitsaina, à Antananarivo, pour la cérémonie de dépôt de gerbe de fleurs au Mausolée National. Le Chef de l’Etat a notamment tenu à saluer chaque ancien combattant de la libération nationale venu participer à la cérémonie, à laquelle assistaient également plusieurs autorités civiles et militaires.

(Voir suite Galerie Photos)

Publié dans Fil info

Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana, hahatsiarovana ny maherifon'ny Firenena sy ny tolom-panafahana 1947, izay notanterahina tetsy amin'ny FJKM Katedraly Analakely omaly 28 marsa tolakandro. Nitondra ny lohahevitra hoe "Mba ho iray ihany izy rehetra".

 

Publié dans Vaovao
Page 1 sur 2