Filtrer les éléments par date : mercredi, 28 mars 2018

L'ancien ministre de l'Industrie et du développement du secteur privé du gouvernement Kolo Roger sera dans la course à la magistrature suprême.

Il a retiré sa candidature en 2013, comme celle de Kolo Roger, pour permettre à Hery Rajaonarimampianina de se présenter, mais cette fois-ci Dr Jules Etienne Rolland a décidé de s'aligner.

Sauf changement de programme, l'annonce de sa candidature aura lieu le 5 avril prochain.

 

 

Publié dans Fil info

Nitokona ireo mpitatitra amin'ny fiara vaventy, mpanatitra sy mpaka entana ao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina ny hariva teo. Tampina tanteraka ho an'ny fiarabe ny lalana hatreto ambavahadin'ny seranana ka hatrany amin'ny Dépôt Ambalakininina, ny fiara avy ao anatiny tsy tafavoaka, ny avy aty ivelany tsy tafiditra.

Ireo entana kaboraraka na "marchandise conventionnelles", tsy anaty kaontenera, ihany no miditra sy mivoaka ny seranana fa ny anaty kaontenera baben'ny fiarabe mihitsoka avokoa.

Publié dans Tselatra

Ethiopian Airlines déploie ses ailes. Désormais, cette compagnie éthiopienne dessert Addis-Abeba - Nosy-Be (Madagascar) et Comores avec une fréquence de vols de trois fois par semaine, le mardi, jeudi et samedi.

Publié dans A la Une

Une délégation de la SADC, dont la présidence est actuellement assurée par l'Afrique du Sud, effectuera une mission à Madagascar du 3 au 6 avril prochain.

La mission fera une évaluation de la situation politique, notamment en cette période pré-électorale. Elle s'enquiert également des projets de lois organiques régissant les élections à venir.

 

Publié dans Fil info

Fotoam-bavaka iraisam-pinoana nokarakarain'ny FFKM no nisantarana ny fahatsiarovana ny Tolom-panafahana 29 martsa 1947 sy ireo Maherifon'ny Firenena nandatsaka ny ainy ho an'ny Tanindrazana.

 

Publié dans Tselatra

Nampiantso mpanao gazety maika dia maika ny OMC avy eto Mahajanga izay notarihin'ny Préfet Ravelomahay Lahiniaina Fitiavana, ny hariva teo, teny amin'ny Toby miaramila Rasolonjatovo Claude Armand.

Antony, fampahafantarana ny didim-pitondrana navoakan'ny Prefektiora taorian'ny fanapahana nataon'ny OMC.

Nambara fa mba ho fitandroana ny filaminana mandritra ny fetin'ny paska 2018 sy ny fahatsiarovana ny 29 martsa, dia tsy azo atao ary tsy ekena ny famoriam-bahoaka ankalamanjana na amin'ny endrika inona na amin'ny endrika inona ato anatin'ny Prefektioran'i Mahajanga ary indrindra ny eto amin'ny Distrikan'i Mahajanga voalohany.

Izany no natao raha ny fanazavana mba ho fitandroana ny filaminana sy ny mety ho fanararaotana.

Publié dans Politique

Vatana efa tsisy aina intsony no nalaina tao ambany fiara. Tao amin'ny Fokontany Avaradrova, Kaominina ambonivohitra Ambatondrazaka no nitrangan'ny loza omaly.

Raim-pianakaviana iray mpanao asa fihariana momba ny soudure no main'ny herinaratra nampiasainy. Ilay tariby mitondra herinaratra antsoina hoe "masse" no nilatsaka tamin'ny vatany ka niraikitra tsy nety niala no nitarika ny fahafatesany.

Niasa irery izy tamin'io fotoana io ka tsy nisy nahita izay zava-nanjo ity raim-pianakaviana ity. Efa minitra maro taorian'ny nahamay azy vao taitra ny manodidina.

Na nanao ezaka tamin'ny famonjena ny ainy aza ny mpitsabo sy ireo mpiray vodirindrina dia tsy niverina intsony ny ainy.

Sambany teto Ambatondrazaka no nisy tranga namoizana aina tahak'ity fampiasana herinaratra ity.

 

 

Publié dans Vaovao

Nandalo teto Fianarantsoa nandritra ny roa andro ny jeneraly Ravelonarivo Jean, praiminisitra teo aloha, ka nihaona tamin'ireo mpomba azy sy ny antoko miara-dia aminy.

Tontosa omaly 27 marsa 2018 teto an-toerana ny fitsofan-drano azy amin'ny firotsahany hofidiana filoham-pirenena.

Toerana fandraisana lanona 2 no nanatanterahana izany teo anatrehan'ireo ray amandreny to-teny sy hafa firehana izay manohana azy.

Hetsika tsy natao nahoraka izany raha ny filazan'ireo nanatri-maso. Tsy nisy arak'izany famoriam-bahoaka manetriketrika tao anatin'izao fitsidihana izao.

 

Publié dans Tselatra

« Kabary ki-fitsarana, misokatra amin’olo jiaby », io no lohahevitry ny varavarana misokatra ho an’ny olom-pirenena rehetra eto Mahajanga anio tontolo andro. Fampahafantarana ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana, atao eny amin’ity lapan’ny Fitsarana ity izay eny amin’ny Bord de la mer Mahajanga.

Tanjona ny hampahafantarana ny andraikiny sy ny karazan’ady ary ny paik’ady arahina eo amin’izany Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana izany. Ny taona 2004 no nitsanganan’ity rafitra ity, izay tsy manasazy ihany fa manolo-tsaina sy manome torohevitra ny Fanjakana sy izay olona tonga manatona azy ireo.

Publié dans Vaovao
mercredi, 28 mars 2018 16:15

Ivato: Nitokona ireo taxi-be

Nitandahatra amin’ny sisin’arabe nitokona ireo taxi-be maro avy amin’ny kaoperativa FIFIABE, FANANTENANA ary KOFIAMA, mitrandraka ny zotra D mampitohy an’i Vassacos amin’ny tanànan’Ivato.

Anisan’ny mampitokona azy ireo ny fanoherana ny fikasan’ny Kaominina Ivato hampiditra kaoperativa hafa hisian’ny fifaninanana, manoloana ny fitarain’ny mpandeha fa mihodina an-dalana, matetika tsy tonga any amin’ny “terminus” ny taxi-be miasa amin’izao.

Na teo aza ireo mitokona, dia nisy ihany ireo niasa.

 

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2