Filtrer les éléments par date : lundi, 26 mars 2018

Le vice-président de l’Assemblée nationale vietnamienne Phung Quoc Hien effectue une visite officielle à Madagascar, du 23 au 28 mars 2018. Sa délégation a été reçue par Jean Max Rakotomamonjy –Président de l’Assemblée Nationale de Madagascar, le vendredi 23 mars 2018 à 16h30 au Palais de Tsimbazaza.

La mise en place d’un groupe d’amitié parlementaire Vietnam-Madagascar a été évoquée lors de cette visite de courtoisie.

(Voir suite Galerie Photo)

Publié dans Fil info

Ny 12 sy 13 aprily 2018 no andro voatondro hamoriana eto Antananarivo ireo lehiben’ny tobim-pahasalamana fototra (Chef CSB) miankina amin’ny fanjakana rehetra manerana ny Nosy. Fivoriana maika no antony fiantsoana,izay karakarain’ny ministeran’ny fahasalam-bahoaka.

Araka ny loharanom-baovao dia tokony nanao « Grand staff » na fivoriamben’ny mpitantana tany Antsiranana ny teo anivon’ity ministera ity tamin’ny volana desambra 2017, saingy tsy tontosa izany.

Publié dans Tselatra

Mandritry ny roa andro ny loabary an-dasy izay karakarain'ny eo anivon'ny CREM sy ny FES izay tanterahina ao amin'ny Carlton Anosy. Izany moa dia ho entina andinihina sy hijerena manokana ny fitantanana ara-toekarena.

Tonga nanontrona ny fanokafana ofisialy izany dinika izany ny filohan'ny Repoblika Hery RAJAONARIMAMPIANINA io maraina io.

(Jereo tohiny Sary)

Publié dans Tselatra

La première édition du Forum Economique National, initiée par le Cercle de Réflexions des Economistes de Madagascar (CREM), a débuté ce 26 mars, à l’Hôtel Carlton Madagascar.

Les débats tournent autour des conditions de décollage économique, à travers des thématiques qui portent sur la finance, l’industrialisation, les mines, l’agriculture et les zones économiques spéciales. Le Forum réunit tous les acteurs économiques, publics et privés, afin de partager les réflexions sur les éléments qui constituent des freins au développement économique, et de proposer des solutions concrètes pour impulser le décollage du pays.

Publié dans Economie

Nanao hetsika fanairana ny mpitondra ireo tantsaha mpiompy teto Betafo androany alatsinainy 26 martsa 2018 teo amin’ny tokony hijerena vahaolana manoloana ny fikatonan’ny orinasa AAA satria dia miantraika amin’izy ireo.

Niantefan’ny antson’ireto mpiompy ireto ny Prefen’Antsirabe sy ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra ary ireo mpitondra fanjakana isan’ambaratongany.

Nambaran-dRadezy Tsita fa "35.000 litatra isan’andro ny vokatra ronono nivoaka taty Betafo tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ny Tiko ka rava izany taorian’ny fanonganam-panjakana niseho ny taona 2009. Ampahefatr’io vokatra io sisa no misy aty an-toerana amin’izao fotoana satria efa lasan’ny dahalo sy namidin’ny olona ny omby be ronono".

Publié dans Vaovao

Voasambotry ny Fokonolona teny ampitan'ny reniranon’i Manambolo ilay zazalahy nanindrona antsy ka nahafaty avy hatrany ny zokiny androany maraina.

Nentin'ny Fokonolona namantana teny an-tananany teny Ambalakazaha ilay zazalahy, izay vao 16 taona monja.

Ho fisorohana ny mety ho fitsaram-bahoaka dia nandray andraikitra ny Zandary ka naka ary nampiditra azy avy hatrany eny amin’ny biraon'ny Brigadin’ny Zandarimariam-pirenena eto Bekopaka-Antsalova.

Marihina fa ity zazalahy namono nahafaty ny rahalahiny ity dia zandrim-badin'ilay rangahy izay maty notifirin’ny dahalo, niaraka tamin’ny zaza menavava teo an-trotroany, vao tsy ampy iray volana akory izay.

Namela tantara ratsy ho an'ny fianakaviana ny fiandohan'ity 2018 ity.

 

Publié dans Tselatra
lundi, 26 mars 2018 16:15

RN25 Ranomafana: 4 morts sur le coup

Un taxi-brousse en provenance d'Ambalakindresy, Haute Matsiatra a évité un camion sur une route étroite, mais il a sorti de la route et terminé sa course dans un profond ravin.

4 morts sur le coup, et les blessés évacués à Ranomafana.
Le nombre des passagers n'est pas encore connu.

(Voir suite Photos galerie)

Publié dans A la Une

Fiara mpitatitra olona avy any Ambalakindresy, Matsiatra ambony, ho any Ranomafana no tra-doza nivoaka ny làlana ka nivarina tany anaty hantsana. 4 no maty tsy tra-drano, ireo maratra kosa dia nentina notsaboina aty Ranomafana.

Nifanena tamin’ny kamiao, nefa tery ny lalana dia niala ary avy dia namantana nilatsaka any anaty hantsana.

Mbola tsy fantatra hatreto ny isan'ny mpandeha.

(Jereo sary tohiny)

Publié dans Tselatra

Zazalahy tsy ampy taona 16 taona no nahavanon-doza tao Ambalakazaha, Kaominina Bekopaka, Distrikan’Antsalova, Faritra Melaky. Nandeha nandositra izy avy eo ka karohina amin’izao.

Mbola tanora dia tanora tokoa ny namoy ny ainy satria vao 20 taona. Tsy fantatra ny anton’ny nifamonoana fa dia nidiran'andro vao maraina ny fianakaviana.

 

Publié dans Tselatra

Hisaorana hatrany ireo namana Mpahay Lalàna mitondra fanazavana ho antsika.

Resa-be foana tokoa tato ho ato ny mahakasika ny hoe "Zandary/Pôlisy tsy afaka mandray olona voasambotra fa TSY MISY fitoriana ("plainte"), hany ka mitarika fitsaram-bahoaka.

Zandary/Pôlisy tonga dia manakana ary dia misambotra. Mpanara-dia indray no samborina fa nitazona basy kanefa ny niavian'ny basy àry dia tsy nosamborina ??

"FA REHEFA INONA TOKOA MOA NO AFAKA MIHETSIKA AVY HATRANY NA MANAO "autosaisine" ny Zandary/Pôlisy?

Tsara marihana aloha fa raha faritana tsotsotra, ny Zandary /Pôlisy dia rafitra napetraky ny Fanjakàna ("Etat") hisahana ny fijerena ny fandikan-dalàna ("constater les infractions"), sy ny fanangonana ny porofo ("rassemblement des preuves") ary ny fikarohana ny heverina fa "Mpandika Lalàna" ("recherche des auteurs de l'infraction").

Publié dans Editorial