Filtrer les éléments par date : mardi, 20 mars 2018

Tafakatra 20 ireo olona nosamborina voarohirohy tamin’ny fandrobana ny Microcred Mahabibo teto Mahajanga. 3 lahy ny tena atidoha nikotrika ny fanafihana. Ny sasany kosa nandray anjara mivantana tamin’ny fanafihana, eo ihany koa ireo tompon'ny fiara nampiasaina ary mpiasa tao amin'ny Microcred izay nanamora ny fanafihana nandaminana mialoha ny pitsopitsony.

Publié dans Tselatra

L'ancien président de la République française Nicolas Sarkozy est actuellement en garde à vue à Nanterre. Il est entendu par la police judiciaire sur le financement libyen de sa campagne électorale en 2007.

Publié dans A la Une
mardi, 20 mars 2018 16:14

Mahajanga: Nahazo hopitalin'ny maso

Raha sampandraharaha no nisy teny anivon’ireo hopitaly teo aloha dia efa hopitaly iray mitokana mihitsy ny misahana ny fitsaboana sy fandidiana maso eny amin’ ny hopitaliben’Androva amin'izao.

Ahitana latabatra fandidiana miisa 3 ao anatin’ity hopitaly ity ary misy ny fitsaboana maso iray manontolo, ankoatra ny efitrano ho an’ny marary sy ny birao fiasana.

Trano efa nisy teo aloha ihany saingy nasiana fanavaozana ny taotrano ary nampidirana fitaovana harifomba fitsaboana maso sy ny fandriana ary ny fanaka anaty birao.

Publié dans Sociale
mardi, 20 mars 2018 16:05

Mahajanga: Diovina ny tanàna

Lakandrano 10 km ao anatin’ny fokontany Ambondrona, Mahavoky Atsimo ary Tsararano Ambany no hodiovina amin’ny alalan’ny asa tanamaro na HIMO mandritra ny tetikasa fanadiovana sy fanajarina amin’ny ankapobeny ny tanàna vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola ary tanterahin’ny FID.

Tanjon'ity fanampiana ara-bola ity ny hanatsarana ny fiainan’ireo traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoaza AVA.

Publié dans Vaovao

Mbola sitranina ao amin'ny Hopitaliben'i Tambohobe i Elisabeth, zazavavikely vao 15 volana, noho ny ratra sy dona nahazo azy tamin'ny tifitra nataon'ny dahalo azy ny tolak'andron'ny zoma 16 marsa lasa teo tany Isandra.

Manampy ny fianakaviana ho fiatrehana ny fitsaboana azy ny olontsotra sy fikambanana eto an-tanànan'i Fianarantsoa.

Ohatra amin'izany ny fikambanan'ireo mpitatitra eto an-toerana sy ny Zanakala ary ireo maro tsy voatanisa.

Mbola tsy mahatsiaro teny i Elisabeth hatramin'izao fampitam-baovao izao.

 

Publié dans Tselatra

Raha tokony nanomboka tamin'ny folo ora maraina ny fivoriana itambaram-be, azon'ny besinimaro atrehina androany teny Tsimbazaza, dia tsy tontosa izany, fa nihemotra ny tolakandro noho ny fifampiandrasana.

Nanomboka niakatra ny feo avy amin'ireo depiote sasany, inona no anton'izao fampiandrasana izao.

Ny fisian'ny someso mivezivezy eo amin'ny samy depiote anefa toa milaza fa misy depiote mbola sahirana manomana fivoriana any an-toerankafa.

 

Publié dans Tselatra

Un passager du vol Antananarivo/Sambava de la compagnie nationale Air Madagascar du lundi 19 mars 2018 a eu un excédent de bagages de 5kg. Une dame, employée de la compagnie, a sommé le passager que soit il paie soit il n’embarque pas. Le passager est allé voir la caisse pour payer la somme de 194.500 Ariary pour 5kg de plus.

Une fois arrivé à Sambava, grande fut la surprise du passager car son bagage n’y est pas arrivé avec lui.

Publié dans Fil info

Efa vatana mangatsiaka no hitan'ny olona sendra nandalo teny Mahabibo ny maraina teo. Na ireo mpangataka namany aza tsy nahalala fa efa maty ity rangahy izay efa nahazohazo taona ity.

Niaraka nandeha nisotro toaka tamin'ny namany io rangahy io omaly hariva rehefa avy nangataka toy ny fanaony. Avy any dia natory teo amin'ny toerana izay sady fangatahany ka izao tsy nifoha izao intsony.

Raha ny fitantaran'ireo mpangataka namany, dia avy any Antsirabe (Vakinankaratra) no tena fiavian'ity rangahy ity ary hiasa no nahatongavany taty Mahajanga. Nisy tsy fifanarahana anefa teo aminy sy ny mpampiasa azy ka lasa mpangataka teny amoron-dalana no niafarany ary teo amin'ny toerana nahafatesany manoloana ny biraon'ny Polisy io izy hatramin'izay.

Publié dans Tselatra

Une vidéo circule sur la toile. Cette vidéo montre l’exécution d'un voleur de bœuf par les Besaboha, une sorte d’auto-défense villageoise dans la région Sofia.

La vidéo est vraiment choquante, effrayante… la cruauté des Besaboha dépasse l'entendement.

D’autre côté, la vidéo montre la réalité et met en lumière l’absence de l’autorité de l’Etat, ainsi que la justice, avec tous ses éléments, qui ne répond plus aux attentes du Peuple, pour ne pas dire l’Etat de non-droit.

 

Publié dans Fil info

Ny alahady 18 martsa 2018 tany an-tanimbary any Ankazomena, andrefan'i Bekopaka, lehilahy iray maty voatifitry ny dahalo. Lasa ny omby miisa telo sy ny basiny.

Omaly alatsinainy 19 martsa hariva indray dia lehilahy iray mbola tanora dia tanora ihany koa maty voatifitra teny an-tanimboly, raha mbola tsy ampy telo volana no nitifiran'ny dahalo ny rahalahiny. Teny Bemoramba, antsinanan'i Bekopaka no nitrangan'ity farany. Izany “Far west” no tsy hitanay raha ny zava-misy iainanay aty Bekopaka tato ho ato no resahina, hoy ny mponina.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2