Filtrer les éléments par date : jeudi, 15 mars 2018

Avy any amin’ny Kaominina Ambatomiady ilay tovovavy, fa mandrato fianarana eto Antanifotsy-Vakinankaratra ary mianatra amin’ny sekoly tsy miakina iray eto an-toerana.

Nitaraina tamin’ireo mpianatra mpiara-manofa trano aminy ho marary ilay tovovavy halina ary tsy namonjy sekoly mihitsy izy androany alakamisy 15 martsa. Ireo namany kosa nandeha nianatra avokoa, tsy nanampo na inona na inona.

Nihetsi-jaza no nitarainany naharary. Teraka samirery tao an-trano ilay tovovavy androany. Ren’ny manodidina ny feon-jazakely ka nisy tonga nanontany azy hoe : zanak’iza ilay nitomany teo fa nolavin’ilay zazavavy ho tsy naheno izany izy.

Publié dans Tselatra

Ny hariva teo no nitrangan'ny fanafihana. Enin-dahy misarontava, sady mitondra basy poleta avokoa no nanafika, araka ny hita amin'ny caméra de surveillance tao amin'ny orinasa.

Nisy vola very, izay tsy mbola fantatra ny totaliny.

Karohina fatratra amin'izao fotoana izao ny fiara 4x4 Nissan miloko volombatolalaka (gris), miafara amin'ny ..17 ny laharany.

Afaka miantso ny laharan'ny Polisy (UIR) : 032 98 888 57 - 034 92 667 92 izay manam-baovao mahakasika io fiara io na zavatra mampiahiahy.

 

 

Publié dans Tselatra

Tonga omaly alarobia 14 martsa ny vazaha voalohany nitsidika ny Parc National Tsingy de Bemaraha tamin’ity taona 2018 ity. Mpivady teratany poloney ry zareo.

Vita omaly ihany ny fitsidihana ny « Petit Tsingy » dia nitodi-doha any Morondava androany maraina izy ireo.

Marihana fa tsy afa-miampita ny ranon'i Manambolo ny fiara fa mbola tsy misy bac miasa aty an-toerana.

 

Publié dans Tselatra

Cette Journée est aussi dédiée à lutte contre les violences policières.

 

Publié dans Fil info

Tany amin’ny Kaominina Bemaha no nahazoana io vokatra io tamin’ity herinandro ity.

Basy vita malagasy ny 16 tamin’ireo, ary basy Mass 36 niaraka tamin’ny bala miisa 9, sy P.A miaraka amin’ny bala 9mm niisa 3.

Olona miisa 19 no notanana tamin’ireto basy sy bala ireto satria voalaza fa mpanara-dia izy ireo no nosamborina noho ny fitondrany ireto fitaovam-piadiana ireto.

Publié dans Tselatra

Vato kristaly nilanja 10 taonina eo ho eo no saron’ny mpitandro filaminana teo amin’ny sakana tao Vinanikarena amin'ny lalam-pirenena faha-7 ny sabotsy 10 marsa lasa teo.

Kamiao avy any amin’ny Kaominina Fitampito, Distrikan’Ikalamavony no niavian’ireto vato ireto, izay netina tamin’ny sobika niisa 97 sy gony niisa 17 ary bolongany niisa 20.

Nanana taratasy avy any amin’ny kaominina nisy azy, toy ny patanty fanangonana sy fivarotana vato ny tompon’ireto entana ireto saingy nambaran’ny mpitandro filaminana fa tsy nanana taratasy mazava avy tany amin’ny Ministera ka dia izany no nitanana azy ireo mba hanaovana fanadihadiana aloha vao hatolotra ny Fitsarana.

Publié dans Tselatra

Tohin'ny raharaha kolikoly teo anivon'ny fonjan'i Tsiafahy momba ny horonam-peo, ny sary nalaina tao anaty fonjan'i Tsiafahy, ary ny taratasy famindrana an'i Houcine Arfa nakao amin’ny fonjan’Antanimora, nataon'ny Talen'ny fonja Tsiafahy, dia tonga teny amin’ny « Villa la Piscine » Ambohibao, misy ny foiben'ny Bianco ny Kandida ho Filoham-pirenena, Patrick Raharimanana, androany alakamisy 15 marsa 2018 tolakandro, nametraka fitoriana sy filazana fisiana kolikoly eo anivon'ny fonjan'i Tsiafahy, izay isany nanamora ny fandosiran'i Houcine Arfa.

Tonga niaraka tamin'ireo porofo marobe teo ampelatanany moa i Patrick Raharimanana. Na horonam-peo, na sary na atontan-taratasy marobe.

Voalazany taorian'ny nandraisan'ny Bianco azy tao Ambohibao fa « ny mpanao kolikoly no tokony hatahotra fa tsy ireo miady amin'ny kolikoly », izay anisan'ny tanjony amin'ny programan'asany, ary tonga teo anatrehan'ny Bianco izy noho ny fitokisany an'izany sampana miady amin'ny kolikoly izany, sy ny Fitsarana Malagasy.

 

 

Publié dans A la Une

Patrick Raharimanana a déposé une plainte et une dénonciation de corruption contre le Directeur de la Maison de force de Tsiafahy cet après-midi 15 mars 2018 à Ambohibao au siège du Bianco.


https://youtu.be/RnLf_MbmomQ

Publié dans Fil info
jeudi, 15 mars 2018 08:17

3P dites-vous ?

Le Partenariat Public-Privé (PPP/3P) est par définition un mode de financement par lequel une autorité publique fait appel à des prestataires privés afin de financer et gérer un équipement assurant ou contribuant au service public.

Toutefois? on utilise en général l'expression de 3P ou « Partenariat Public-Privé » pour désigner des projets plus récents, dans la lignée des contrats d'Initiative de Financement Privé, en anglais Private Finance Initiative (PFI), apparus en Grande-Bretagne depuis plus de 26 ans (1992).

Un exemple de ce type, consiste pour un entrepreneur privé, à construire un hôpital public dont il gérera ensuite les activités non médicales.

Par la suite plusieurs Etats se sont inspirés de ces contrats, en Afrique et à Madagascar, les institutions de Bretton Woods (Banque Mondiale et FMI) ont fortement conseillé les Etats à suivre ce type d’exemple pour le développement des pays.

L'importance de la dette publique de certains États occidentaux, comme le Royaume Uni et la France, voire les Etats-Unis, les poussent à se tourner de plus en plus vers la formule des partenariats public-privé, afin d’alléger la dette.

Publié dans Editorial

Nahazo solosaina avy amin'ny faritra Boeny ny Tambazotra miaro ny zon'ny mpanjifa Mahajanga. Natolotra ny alarobia maraina teo teny amin'ny biraony teny Analakely - Mahajanga izany omaly maraina alarobia 14 mars teo. Tafiditra anatin'ny hetsika fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny zon'ny mpanjifa (15 martsa) izao fanomezana izao.

Efa fampanantenana tao anatin'ny taona maromaro izany saingy izao vao natolotra satria mbola nijery tsara ny fomba fiasa ny lehiben'ny Faritra Saïd Jaffar raha ny fanazavany. Tena ilain'ny tambazotra rezionaly ny solosaina hanamoràna ny asa iandraiketany ato anatin'ny faritra Boeny sy ny faritanin'i Mahajanga.

Ny resaka entana lany daty, ady tany ary ny mizàna tsy ara-dalàna no tena niandraiketan'ny tambazotra miaro ny mpanjifa sampana Mahajanga tao anatin'izay taona vitsivitsy nijiroany izay.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2