Filtrer les éléments par date : lundi, 12 mars 2018

Notazomina am-ponja vonjy maika rehefa natolotry ny Polisy teto Sambava ny Fampanoavana ao amin’ny Fitsarana Antalaha ny zoma 09 martsa 2018 ity Raim-pianakaviana iray, manambady mitondra vohoka valo volana izay monina eo Ampandrozonana Sambava, voampanga ho nanolana zaza tsy ampy taona.

Zaza taizan'izy mivady ilay ankizivavy 10 taona ka raha handeha hamonjy fianarana izy tamin’ny heriny androany dia nitaraina ho marary eo amin'ny fivaviany ka izay no nanaitra ny rahavavin-dreniny. Ity farany no nampandre ny reniny niteraka azy ary nitondra azy hotsaboina teny amin'ny Tobim-pahasalamana.

Publié dans Tselatra

Ny 22 febroary 2018 dia, nanao bemidina teny Amparemahintsy misy ny orinasa BIDCO ny prefen’i Mahanjanga sy ny solontena avy amin’ny ministeran‘ny indostria niaraka tamin’ny mpitandro ny filaminana nanakatona ity orinasa mpanao menaka ity sy naka ny lakile.

Raha ny filazan'ny mpitantana ny orinasa dia tsy nisy taratasy fampilazana na fampahafantarana natao tamin’ny tompon’ny orinasa sy ireo tompion’andraikitra ary tsy nisy antony mazava nambara fa anton’ny fanakatonana. Ny hany nambaran’ireo iraky ny fanjakana ireo dia ny hoe : mitovy amin’ny antony nanakatonana azy teo aloha ihany no nahatonga izao tranga izao.

Publié dans Sociale

Patrick Raharimanana, candidat à l'élection présidentielle, est convoqué au service des affaires criminelles et speciales de la Gendarmerie Toby Ratsimandrava Andrefan'Ambohijanahary demain mardi 13 mars 2018 à 08h du matin.

Quand on combat la corruption et pour l'indépendance du pays, on doit s'attendre à cela. Espérons que cela va déclencher la guerre pour éradiquer ce fléau qui a terni l'image de Madagascar.

Publié dans A la Une

Voaantso eny amin'ny Toby Ratsimandrava Andrefan'Ambohijanahary i Patrick Raharimanana, Kandida ho Filoham-pirenena rahampitso talata 13 mars 2018 amin'ny 08 ora maraina.

Rehefa miady ho fanoherana ny kolikoly sy mitaky ny fahaleovantenam-pirenena dia tsy maintsy miomana amin'izany.

Publié dans Tselatra

Orinasa voalohany mpamokatra lafarinina avy amin’ny soanambo ny Soanamad. Nisokatra tamin’iny febroary 2018 lasa iny ao Boulevard Augagneur Toamasina ny orinasa. Orinasa izay manome lanja ny fahaizamanao Malagasy satria teknisianina Malagasy no nanamboatra ny milina ampiasaina, izay mamokatra lafarinina 20 taonina isam-bolana.

20 ny isan’ny mpiasan’ny Soanamad amin’izao, ankoatra ireo tantsaha mpiara-miasa aminy. Hamorona asa ho an’ny tantsaha ny fisokafan’ity Soanamad ity satria ny kaoperativan’ny tantsaha no mamatsy ny vokatra soanambo ataony akora fototra, araka ny fanazavan-dRandrianarisoa Kenlee Rado, tale jeneralin’ny Soanamad. Ny fambolena soanambo rahateo dia miaro ny nofontany, raha ny fanazavan’ity farany satria manondraka rano ny tany misy azy.

Dimy taona ny soanambo dia efa mamoa betsaka. « Tsy voatery ho fambolen-kazo toy ny mahazatra no atao fa sady mamboly hazo izay miaro ny tontolo iainana no manome fidiram-bola ho an’ny tantsaha ihany koa, mitondra fanatsarana ny fari-piainan’ny Malagasy », araka ny fanazavan-dRandrianarisoa Kenlee Rado hatrany.

Publié dans Sociale
lundi, 12 mars 2018 12:17

12 mars

Journée mondiale contre la censure sur internet.

 

Publié dans Fil info