Filtrer les éléments par date : jeudi, 01 mars 2018

Taty Mahajanga no natao ny lanonana fanokafana ny taom-panjonoana Makamba ho an'ity taona 2018 ity. Rahampitso amin'ny 5 maraina no hiara-hiainga ireo sambo mpanjono rehetra.

Diabe namakivaky ny tanàna kosa no nanokafana ny hetsika ary nisy ny trano heva fampiratiana ireo vokatra hazan-dranomasina mampiavaka ny faritra Boeny, nandraisan'ireo orinasa mpisehatra amin'izany anjara. Tazana teny ihany koa ireo fikambanana mpanjono madinika sy mpanangom-bokatra.

Seha-pihariana anisan'ny mampidi-bola be indrindra amin'ny kitapom-bolam-panjakana ny jono ary anisan'ny lohalaharana ny faritra Boeny.

 

Publié dans Tselatra

Olona iray no maty, iray miady amin’ny fahafatesana ary 15 hafa maratra mafy, izay tsy maintsy handalo fandidiana ny 6 amin’ireo. Io no vokatry ny fifandonan’ny fiara Sprinter roa, samy mpitatitra olona, tao Anjazafotsy-Betafo androany alakamisy 01 marsa 2018, tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro teo.

Avy any andrefana ny iray, izay mpianakavy no tao anatiny ary fiara mpitatitra ho any Miandrivazo kosa ny iray.

Publié dans Fil info

Atao fahirano tanteraka ny fananan’ny orinasa Tiko, ampiasain’ny AAA ao Andranomanelatra – Antsirabe II amin’izao fotoana. Nidina fanin'efany teny an-toerana ny Vadintany androany alakamisy 01 marsa 2018, atoandro, araka ny baikon’ny Préfet, izay solotenam-panjakana eto Vakinankaratra, nanamarina sy nanavao ireo « scellage », efa natao teo aloha.

Publié dans A la Une

Efa nampahafantarin'ny kaominina ny BNGRC ny fisian'ilay vato mandondona nahiana hitera-doza teo Ambatovinaky, Boriborintany voalohany Antananarivo Renivohitra folo andro lasa izay.

Nandeha ny fotoana, tapa-kevitra ny kaominina, ka nanetsika ny pompiers nanala ilay vatobe hisorohana ny loza.

 

Publié dans Tselatra

Le Chef de l’Etat entretien un flou autour de son voyage en Russie. La communication de la présidence muée, ambassade malagasy en Russie écartée.

Une source privée fait savoir que Hery Rajaonarimampianina rencontrera, à 15h30 heure locale, les étudiants malagasy, au RUDN, l'Université russe de l'amitié des peuples qui accueille les étudiants venus de 155 pays du monde. Mais aux dernières nouvelles, cette rencontre avec la diaspora malagasy en Russie est reportée pour demain.

 

Publié dans Fil info

C’est la deuxième hausse de prix observée depuis le début de l’année. Cette fois-ci, une hausse de 90 Ariary par type de carburant est appliquée dans les stations-services depuis cette nuit.

Ainsi le litre du super carburant devient 3 930 Ariary, 3 280 Ariary pour le gasoil et 2400 Ariary pour le pétrole lampant.

 

Publié dans Fil info

Omaly tokony ho tamin’ny 8 ora sy 30 min, dia raim-pianakaviana iray nitrotro ny zanany kely mbola minono, nipetrapetraka teo an-tokotany, no maty notifirin'ny jiolahy tao Ambalakazaha amin’ny Fokontany iray avaratra akaiky an'i Bekopaka.

Tifitra in-droa no nahafaty azy mianaka ka voa tamin’ny tanany havia sy ny fony ilay raim-pianakaviana rehefa niditra namakivaky ilay zaza teo am-pofoany ny bala. Niara-maty izy mianaka.

Tsy mbola fantatra ireo nahavanon-doza fa mandeha ny fanadihadiana ataon'ny Zandarimariam-pirenena eto an-toerana.

Tsy milamina indray ato Bekopaka.

 

Publié dans Tselatra
jeudi, 01 mars 2018 13:35

1 mars

Journée mondiale du compliment.

Cette journée est aussi dédiée à la protection civile.

 

Publié dans Fil info

Ny talata 27 febroary tamin'ny sivy ora aliny no niseho ity vono olona mahatsiravina ity. Nisy olona tonga nandondona tao amin'ity mpampivelona efa misotro ronono ity, nilaza fa hitondra mpiteraka.

Tsy nisalasala ilay ramatoa, namoha varavarana. Vao nivoaha anefa ny trano dia tsindrona antsy no nitsena azy. Niantefa teny ambavafony izany, nandriaka ny ra izay nitarika tamin'ny fahafatesany.

Mpila ravinahitra any amin'ny kaominina Imerimandroso ity rasazy ity fa avy any amin'ny faritra Atsimo Atsinanana no fiaviany.

 

Publié dans Tselatra

Vehivavy iray tratra hariva no nendahin'ny lehilahy telo teo Ambodirotra ny talata 27 febroary tamin'ny 8ora hariva. Lasan'ireo mpanendaka ny poketrany. Naratra nandritra izany ilay ramatoa. Nahavita niantso vonjy ity farany. Amoron-dalana no nitrangan'ny fanendahana, ka vetivety dia vory ny olona ary roso avy hatrany nanenjika ireo mpanendaka.

Voasambotra ny iray, raha toa ka tafatsoaka ny roa. Niharan'ny fitsaram-bahoaka avy hatrany ilay vosambotry ny Fokonolona. Mbola tratra teny aminy ny poketran'ilay ramatoa. Ny Zandary no nitondra azy teny amin'ny hopitaly. Namoy ny ainy omaly alarobia 28 febroary io mpanendaka io, noho ny ratra be nahazo azy.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2