Filtrer les éléments par date : mercredi, 07 février 2018

TIKO Andranomanelatra: Savahao nataon'ny JIRAMA nitsirihana halatra jiro

Zava-nisy an-tsary.

 

 

Publié dans Tselatra

Tonga nanati-boninkazo teny Ambohitsirohitra ireo antoko maro samihafa, anisan'izany ny teo anivon'ny fitondrana, ny Monima, ny MAPAR izay vory lanina hatrany, toy ny isan-taona dia nisy ny hira "Iny lalana iny" natao izay nanomboka teny amin'ny Hotel Le LOUVRE ka hatreny amin'ny tsangam-baton'ireo mahery fo.

Nilamina araka izany ny fanatanterahina izany io maraina io.

 

 

Publié dans Politique

Vory lanona eto Mahajanga avokoa ireo solontena mpitarika ny fikambanana Assanati Famo Gidraka avy any amin'ny faritra maro (Antsiranana, Vohémar, Antsirabe, Toamasina, Fenoarivo Atsinanana, Fianarantsoa...).

Hanatanteraka fifampiarahabana tratra ny taona 2018 no anton'io hetsika izay atao mandritra ny herinandro io. Ny tolakandro teo ary no nanokafana izany ka nisy ny fanesena omby matavy avy amin'ny filoham-boninahitry ny Fikambanana, ramatoa Assanati. Niainga teny Tsararano ny diabe ary nihazo ny Lapan'ny Tanànan'i Mahajanga.

Publié dans Sociale

Bloc miisa 5 no ezahina vitaina mialohan'ny fanombohan'ny taom-pianarana vaovao eny amin'ny oniversiten'i Mahajanga. Izany hoe efitrano miisa 30.

Efa antitra sy potika avokoa ireo efitrano rehetra ka natao lohalaharana ny fanamboarana satria raha ny oniversite iray manontolo no hoharenina, tombanana ho 51 miliara ariary vao mahavita izany.

Ankoatra ny ministera dia mandray anjara amin'izao fanamboarana izao amin'ny tetibolany ihany koa ny oniversite.

Rehefa vita ny fanamboarana, dia tsy maintsy hisy ny paikady vaovao hitsinjarana ny efitrano ka tsy ny rehetra no hisitraka izany fa amin'ny alalan'ny fandinihana ny toerana misy ny mpianatra tsirairay.

 

Publié dans Tselatra

Nanao bemidina ao amin'ny orinasaTiko – « Triple A » Andranomanelatra Antsirabe ny Jirama izao maraina izao, milaza ho tsy afa-po ka hanao fanamarinana ny jiro ao amin'ity orinasa ity sy ny trano ao anatiny, izay fivantanan'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana rehefa mandalo aty Antsirabe izy.

Nitondra taratasy avy any amin'ny Fitsarana ny Jirama nahafahana namaha ny toerana satria efa nogiazan'ny fanjakana tsy azo sokafana « scellé » io orinasa io nanomboka tamin'ny 12 oktobra 2017.

Publié dans A la Une

Le Fanjakana n’autorise que le dépôt de gerbe au pied de la stèle située devant le palais d’Etat d’Ambohitsorohitra à la mémoire des victimes à la demande de l’association AV7 (Association des victimes du 7 février (2009)).

 

Publié dans Fil info
mercredi, 07 février 2018 11:13

7 février

Journée mondiale pour un internet plus sur

Publié dans Fil info

Miasa alatsinainy, talata, alarobia, an'ny fanjakana hitsaboany tena any ivelany ny ampahany, hanaovana week-end etsy sy eroa, carburant sy 4x4, ny alakamisy, zoma ary sabotsy na izay asa tselika ataonao, no anjaranao.

Androany alarobia izany, miasà mafy fa tsy mbola vola ho entinao mody ny androany, fa mbola an'ny Fanjakana, an'i Filoha sy Praiminisitra mpiasanao, nefa ny vata-karamany aza tsy fantatrao.

IRSA 23%
TVA 20%
Ny hetra-ponkotany, sy ireo hetra Jirama sy Kaominina amboniny daholo.

 

Publié dans Editorial
mercredi, 07 février 2018 06:56

Sambava: Vatosoa namidy 3.600.000 Ariary

Teo ampitadiavana mpividy ity voalaza ho vatosoa ity ny tovolahy iray 25 taona eo no tra-tehaky ny Zandary omaly talata 06 febroary maraina tetsy Sambava-Centre.

Tamin’izany no nilazany fa avy any Belambo, Kaominina Antsirabe Nord, Distrikan'i Vohemar no fiaviany. Mbola manana lehibe izay mpaniraka azy izy ka handeha hitady tombony fotsiny aty Sambava.

Amin’izao dia mbola hanaovana famotorana lalina ao amin'ny Zandarimaria Sambava ity nitondra vato milanja eo amin'ny 18g ity, vato tena izy ve sa vato izay entina hanaovana fisolokiana avo lenta indray?

 

Publié dans Tselatra