Filtrer les éléments par date : dimanche, 04 février 2018

Na dia efa delegasiona mafonja mpikambana ao amin'ny Antenimierandoholona sy governemanta aza no notarihin'i Rivo Rakotovao taty Mahajanga hanao fifampiarahabana nahatratra ny taona 2018 dia nangatsiatsiaka ny lanonana tao amin'ny efitrano malalaky ny complexe sportif, tsy nisy afa-tsy ireo fikambanam-behivavy no nanotrona izay notambatambazana 3 tapitrisa Ariary hanomanana sy hiatrehana ny 8 marsa. Eo ihany koa ireo olom-bitsy avy amin'ny isam-pokontany nanerena ireo sefo fokontany miaraka amin'ny antoko HVM.

Nanamafy moa i Rivo Rakotovao fa mbola ny filoha Hery Rajaonarimampianina no ho kandidan'ny antoko amin'ny fifidianana ho avy io ary efa vonona sy matoky ary ny handresy izy ireo.

 

Publié dans Politique

Nisy namaky ny alin'ny 02 hifoha 03 febroary 2018 teo ny Chapelle Aumônerie Catholique Universitaire Barikadimy Toamasina (Notre Dame de Fatima). Very tamin'izany ny "table mixeur" sy ny ampli.

Fanin-telony amin'izao ity Chapelle Aumônerie Catholique Universitaire Barikadimy ity no lasibatry ny fandrobana tato anatin'ny roa taona izay.

Halatra sa sotasota ? Mametra-panontaniana ny mpino manoloana ny tranga.

Ny alahady 11 febroary 2018 ho avy izao no hanao "célébration de la foi" ny Fiangonana izay hialohavan'ny fitsidihana pastoraly hataon'ny Eveka ny sabotsy 10 febroary 2018.

 

Publié dans Vaovao

Vokatry ny fandalovan’ny rivodoza AVA farany teo, dia nisy ny fiakaran’ny renirano izay niteraka fahasimban’ireo toeram-ponenana maro manamorona ny reniranon'i Mahajilo, ary indrindra ny fambolen’ireo mponina tao amin’ny kaominina maro mandrafitra ny Distrikan'i Miandrivazo.

Nahatsiaro ho nanana adidy ny “Fivondronamben’ireo mpisera-dia (guide touristique) taty Antsirabe ka nikarakara hetsika tolo-tànana izay nifarimbonana sy nandraisan’ireo mpisehatry ny fizahantany rehetra anjara, toy ny Tour opérateur, hôtelier, restaurateur ary ireo mpisera-dia …

Publié dans Sociale
dimanche, 04 février 2018 15:50

Kidnapping: Kalidas libéré

Le CFOIM a annoncé dans sa page facebook la libération du bijoutier Kalidas. Les conditions de sa libération n'ont pas été révélées.

Rappelons que Kalidas a été extirpé de force de sa voiture par des hommes armés le 17 janvier vers 18h30 à Antanimena-Antananarivo puis il a été embarqué sur une moto.

 

Publié dans A la Une

Tokony tamin’ny 10ora alina no namonjy ny tokan-tranony ity mpamily vao nanomboka niasa aty Sambava raha avy niasa mpitatitra entana avy any Toamasina-Antananarivo izy teo aloha.

"Efa teo ambavahady aho ka raha iny hanokatra ny vavahady iny dia nisy nanaporitsika big boss dia nanomboka tsy nahavita na inona na inona zaho ary dia nosaritin’izy ireo tamin’ny maizina", hoy Ramaroson Gino Bemamy raha nitantara ny nanjo azy.

Nitaky vola ireo dahalo telo lahy, ary rehefa nilaza fa tsy misy vola dia nototoin'ireo olon-dratsy vato ny lohany ka nitsirara tamin’ny tany.
Nendahin'ireo olon-dratsy hatramin'ny akanjony taorian'izay.

 

Publié dans Tselatra
dimanche, 04 février 2018 15:23

Etat de mendicité

Les élections présidentielles de 2018 sont cruciales pour l’avenir de la nation malagasy. Devant la situation socio-politique actuelle, un changement de direction s’avère nécessaire et la population le sait, malheureusement les dirigeants actuels s’accrochent par tous les moyens au pouvoir.

Il est fort possible comme l’avancent les médias qu’ils sont en train de concocter toutes les parades et autres complots afin d’être réélus cette année. A commencer par ces interventions médiatisées de soi-disant « vision 2030 » et autres tralalas (révision de la Constitution de 2010), en 5 ans d’administration HVM on a rien vu venir et voilà qu’ils se sentent pousser des visions !!!

Il est sûr que l’administration HVM veut garder la majeur partie du budget afférent à ces élections à des fins de propagande mais non d’organisation du scrutin et ce malgré les dispositions de la Constitution dans les 4 alinéas de l’article 46.

Publié dans Editorial
dimanche, 04 février 2018 12:28

4 février

Journée mondiale contre le cancer.

Publié dans Fil info

Nody ventiny ny fikarohana sy hazalambo nataon’ny Polisy, hisamborana ireo andian-jiolahy mpamaky trano eto an-drenivohitry ny faritra Alaotra Mangoro sy ny manodidina. Folo mianadahy izy ireo izao no tratra, ka ny sivy dia mpiray tendro amin’ny vaky trano nisesy teto Ambatondrazaka.

Ny tovolahy iray kosa dia ny fihetsiny sy ny entana nentiny no nampiahiahy ny Polisy miasa tao amin’ny fokontany Anosindrafilo. Rehefa nosavaina izy dia nahitana basy vita gasy miaraka amin’ny bala maro sy lamba fanafenana endrika.

Natolotra ny Fampanoavana ny zoma 02 febroary izy ireo, ary notanana am-ponja vonjimaika.

 

Publié dans Vaovao
dimanche, 04 février 2018 12:05

Fianarantsoa: Karohana i Jao Marinjara Stephan

Nampita ny taratasy fikarohana an’ity tovolahy mpianatra eny amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa ity ny Commissariat eo Idanda ny andron’ny 2 febroary 2018.

Izy no tanan’ny mpitandro filaminana ho nahavanona ilay famonoana an’i Rakotoarimanana Alfred Yvon ny marain’ny sabotsy 27 janoary lasa teo.

Nampafantarina tao anatin’izany taratasim-panjakana izany ny momba ity mpianatra taona faharoa eo amin’ny sampana Lalana avy any Antalaha ity.

Ny Logement 101 Bâtiment D eny amin’ny cité universitaire Andrainjato no toerana nonenany farany.

Publié dans Tselatra