Filtrer les éléments par date : mercredi, 28 février 2018

Tanora iray 30 taona no voarasarasa tamin’ny antsy raha tafiditra tao anaty vavasaha lavanila tao Ampihevohana Ambariomihambana ny talata tokony tamin’ny 11 ora alina.

Raha fanazavan’ny lehiben’ny Fokontany ao an-toerana, Tonganasy Berson, dia nitady hamaly ity dahalo antsoina hoe : Chelia na Jean Paul Noelson ity ka raikitra ny fifandonana teo aminy sy ireo mpamboly manao andrimaso ny vokatr’izy ireo manao “Opération Tsy Mitsitsy”.

Publié dans Vaovao

Nanomboka omaly tamin ny 11ora atoandro raha nikasa hanao ny sidina Maroantsetra sy Toamasina no tsy afa-nanoatra ity fiaramanidin’ny kaompania nasionaly Air Madagascar ity.

Efa eo ampanamboarana ity fiaramanidina ity ireo teknisiana fa tsy mbola fantatra oviana vao ho afaka hisidina izy?

Androany tamin’ny 11ora sy 30 kosa dia nigadona teto ny Ewa Air hiazo an’Antananarivo, izay kaompania frantsay miorina atsy Dzaoudzi (Mayotte) iray tarika amin’ny kaompania Air Austral mpiara-miombona antoka amin’ny Air Madagascar.

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 28 février 2018 13:28

Cour Suprême: Le Procureur Général limogé

Rajaona Andriamanankiandrianina nommé premier président.

 

Publié dans Fil info

Le désormais ex-directeur général de l’Economic Developpment Board of Madagascar (EDBM) est nommé Ambassadeur Extraordinaire et Plénipotentiaire de la République de Madagascar auprès des Etats-Unis d’Amérique. Le décret portant sa nomination a été pris en conseil des ministres hier.

 

Publié dans Fil info

Il remplace Désiré Randrianandrasana limogé.

Publié dans Fil info

Manoloana ny krizy izay hiainan’ny mponina ankehitriny dia miantso ny rehetra hiray hina ny solombavam-bahoaka voafidy teto Ambatondrazaka, Andriamasimanana Auréline. 

Mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana, miverina ny delestazy izay mampitaraina ny vahoaka ka ilàna vahaolana maika.

“Mila miray hina isika”, hoy ny depiote Auréline raha te hikatsaka vahaolana amin'izany. Nilaza ny tenany fa vonona hitondra ny anjara birikiny amin'ny fanamaivanana ny sosialin’ny vahoaka.

 

Publié dans Tselatra

Haka kitay menaka no nivoahana ny trano. Fafahatesana no nitsena. Telo miralahy izy ireo no niaraka samy nitondra bisikilety. Zakan’ny rano niaraka tamin’ny bisikileta anefa ry zareo teo ampiampitana lakandrano.

Ny roalahy nentin'ny rano niaraka tamin'ny bisikleta, fa ny iray kosa nahavo-tena rehefa navotsony ny bisikiletany.

Voateniteny mafy ilehio rehefa tonga tany an-tranony noho ilay bisikileta lasan’ny rano. Voatery niverina nandeha nitady ilay bisikleta izy, kinanjo izy indray no natelin'ny rano. 48 ora aty aoriana vao hitan’ny Fokonolona saingy vatana efa tsy misy aina intsony.

Ireo roalahy lasan’ny rano niaraka tamin'ny bisikiletany kosa avotra soamantsara avokoa.

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 28 février 2018 10:53

28 février

Journée mondiale sans Facebook.

Publié dans Fil info

Mara Donné est lâché par le HVM, parti au pouvoir. Le Maire de la commune urbaine d’Antsohihy est placé en détention provisoire depuis hier en début de soirée. L’ancien directeur de CEG est poursuivi devant le tribunal de première instance d’Antsohihy pour détournement de bien public.

 

Publié dans Fil info
mercredi, 28 février 2018 09:39

Afaka milatsaka ve i Marc Ravalomanana?

Isika hoy aho be ady hevitra amin'ny zavatra tsy tokony iadiana hevitra.

Hatramin'izay rehefa misy fifidianana dia takiana hatrany ny Bulletin N°3, izany hoe ny olona tsy mbola nigadra ihany no mahazo milatsaka.

Momba an'i Marc Ravalomanana dia mahitsy ny teniko, hatreto izy dia tsy nahazo ny filazana fa misy didy managadra azy, midika izany fa manana Bulletin N°3 vierge izy ary afaka milatsaka.

Raha anaovan'ny fitsarana notification kosa izy mikasika ny raharaha 2009 izay nisy famaizana azy higadra mandram-pahafaty, dia manomboka amin'iny andro anaovana notification azy iny, dia afaka mampakatra izy, na ilay recours, dia manomboka eo ny adim-pitsarana fampakarana na ny appel.

Tsy mihatra aminy mihitsy io sazy tamin'ny didy voalohany io raha manao fampakarana izy, midika izany fa mijanona vierge hatrany ny Bulletin N°3 an'i Ravalomanana ary afaka milatsaka izy, raha tsy hoe vita tanteraka alohan'ny fifidianana ny ambaratongam-pitsarana fampakarana rehetra ka voatana hatrany ny didy fanamelohana azy.

Publié dans Editorial