Filtrer les éléments par date : lundi, 26 février 2018

Ramatoa iray nandeha taxi-Bajaj, nitondra vola handeha hividy entana maraina no lasibatry ny mpanendaka. Tovolahy iray niaraka nitaigina taxi-Bajaj ihany no nahavanon-doza. Notatahan'ilay tovolahy ny poketran'ilay ramatoa nisintomany tsimoramora ny vola tao anatiny.

Rehefa niala ilay tovolahy no tsikaritr'ilay ramatoa ny tataka tamin'ny poketrany, ka nihoraka niantso vonjeo izy. Tsy lavitra ny Commissariat ny Polisy eto Sambava no nisehoan'izany. Rava hatramin'ny « rassemblement » maraina fanaon'ny Polisy fa roso nanenjika ilay olon-dratsy ny rehetra. Tsy lasa lavitra dia voasambotra ilay tovolahy.

Publié dans Tselatra

Ny Diosezin’Antsirabe no nanokafana tamin’ny fomba Ofisialy ny fankalazana ny faha-95 taona nijoron’ny Antilin’i Madagasikara ny alahady 25 febroary 2018.

Nosantarina tamin’ny alalan’ny diabe izay tafiditra ihany koa tamin’ny fankalazana ny Andron’ny Skotisma manerantany izany ny sabotsy 24 febroary, izay niarahana tamin’ireo fikambanana skoto rehetra teto Antsirabe, nahitana ny Tily sy Mpanazava ary ny Kiady sy ny Fanilon’i Madagasikara.

Ny alahady 25 febroary dia fotoam-pivavahana no nisantarana ny fanokafana ny fankalazana, izay notontosaina teny amin’ny Ekar Antanamanjaka, notarihin’ny Vikera Jeneraly, Mopera Razafindrabe Janvier Edèse sy ireo Pretra marobe miasa eo anivon’ny Skotisma.

Publié dans Vaovao
lundi, 26 février 2018 11:47

Loi élection Président de la République

Tsy dia nisy niova firy ankoatran'ny hoe ny filoha miverina ho filoha raha tsy lany 1er tour, izay mifanohitra amin'ny Lalampanorenana izay, satria tsy disponibilité no noresahin'ny Lalampanorenana fa fialana, ka tsy ny Lalàna fehizoro momba ny fifidianana no ambony ka afaka hanova Lalampanorenana.

Tsy mazava koa ny fin dépôt candidature, tsy logique ilay hoe 90j avant scrutin no amoahana ny date élection, nefa 180 j (6 volana) alohan'ny élection no tsy maintsy hefain'ny candidat ny caution.

Tsy maintsy atolotry ny antoko politika ny kandida, na misy olomboafidy 150 no manolotra azy. tsy misy Kandida indépendant izany.

Publié dans Politique
lundi, 26 février 2018 08:37

Fantatrao ve: Famonjana vonjimaika sy ny LP

Hisaorana hatrany ireo namana Mpahay Lalàna mitondra fanazavana ho antsika.

Efa nisy ny fanazavana natao tany aloha fa iverenantsika ny antsipirihany amin'ny resaka Famonjana vonjimaika sy ny LP!

Antitranterina fa TSY IZAY TIAN'NY MPITSARA ATAO NO ATAO fa misy dia misy tokoa ny Lalàna mifehy ny fitànana vonjimaika am-ponja ("détention provisoire").

Araka ny andininy faha-13 ao amin'ny Lalàna 2016-017 tamin'ny 22/08/2016 izay manova ny andininy faha-333 ao amin'ny Fehezan-Dalàna Famaizana ("Code de Procédure Pénale"): "Ny fitanana am-ponja vonjimaika dia fepetra iray miavaka. Izany dia tsy azo didiana raha tsy voaporofo eo anatrehan'ireo singa mazava sy zava-misy nateraky ny famotorana, fa izany no fomba tokana ahatongavana amin'ny iray na ireto fepetra maromaro tsy mitanila manaraka ireto ary izy dia tsy ho tratra raha toa ka apetraka eo ambany fanaraha-maso ataon'ny fitsaràna", ("La détention préventive est une mesure exceptionnelle. Elle ne peut être ordonnée que lorsqu'il est démontré, au regard des éléments précis et circonstanciés résultant de la procédure, qu'elle constitue l'unique moyen de parvenir à l'un ou plusieurs critères objectifs suivants et que ceux-ci ne sauraient être atteints en cas de placement sous contrôle judiciaire").

Publié dans Editorial