Filtrer les éléments par date : jeudi, 22 février 2018

Tamin’ny valo ora alina no nikasa hamoaka antsokosoko lavanila halatra tsy matoy ity zanaka lehiben’ny Fokontany sy ny namany iray tao Seranampotaka, Kaominina Anjagnoveratra, Distrikan’i Sambava.

Teo ampanondranana ny lavanila indrindra izy ireo no injay ny andiana tanora matanjaka samy mitondra zava-maranitra toy ny antsy be, nahatsikaritra azy ireo ka tsy nisy alaharo raha vao fantatra fa halatra lavanila izao. Ny fiara taxi-brousse nosakanan’izy ireo koa raha vao nahita ny fifanjevoana dia nitsoaka haingana.

Tsy lavitra ny Poste Avancée Zandarimaria Anjagnoveratra no nitrangan’ity raharaha ity ka tonga haingana ny Zandary nisambotra avy hatrany ireto mpanao latsak’alina ireto.

 

Publié dans Tselatra

Malaza aty amin’ny faritra Antsohihy sy Analalava ny bisaboha, amin’ny fampandriana fahalemana ny tanàna sy famongorana ny mpanao ratsy.

Manao ny asan'ny mpitandro filaminana ry zareo, saingy raha mitondra ireo olon-dratsy sy mpandika lalàna any amin’ny Fitsarana ny mpitandro filaminana, ny bisaboha kosa mety mamono eo noho eo ho an'izay tratra ambodiomby mangalatra.

Tamin’ny 20 febroary teo izao dia niakatra teto an-tampontananan'Antsohihy izy ireo, miandahy miambavy, izay efa hananika ny 700, nilanja lefona, famaky, boriziny, ... izay fitaovana fampiasan’izy ireo. Tonga nitady omby very izy ireo.

Publié dans Vaovao

Olona handeha hiazakazaka amin’ny efatra maraina no taitra raha nahita tovovavy iray nitsirara teo amoron-dalana ka nanaitra haingana ny lehiben’ny Fokontany, Atoa Tidahifotsy Victorien, ary ity farany nampandre ny mpitandro filaminana.

Io maraina io voatery nohentina teo amin’ny Fokontany ny razana, izay feno ra ny fivaviany ary naratra, izay ahiana ho naolana avy eo notsofohana tapakazo ny fivaviany.

Ramatoa Nestine fantatra amin’ny hoe : Nesy, 35 taona, ity maty ity. Avy any Andampibe Lanjarivo, Distrika Antalaha no fiaviany fa nitady ravinahitra teto Ambodisatrana I, Sambava izy.

Efa tonga moa ny fianakaviany, izay manamboninahitra avy amin’ny Zandary nitondra ny razana ho any amin’ny fandrian-drazana io maraina io. Nanao fitia tsy mba hetra ny mponina natolotra ny fianakaviana.

 

Publié dans Tselatra

Notanterhina tetsy amin'ny kianjan'ny Kanto Mahamasina ny fifampiarahabana tratry ny taona ho an'ireo Artista mpihira, izay notronin'i Minisitry ny kolontsaina Jean Jacques RABENIRINA.

Nisy ny korana izay nofaranan'i Njakatiana sy Parson Jacques tamin'ilay hira hoe "Mivoleza".

Nisaoran'ireo mpanakanto manokana ny solombavambahoaka Rossy nampihantrano.

 

Publié dans Art et Culture

Milanja toy ny fiara Sprinter iray ilay vatobe nilatsaka teny ambon'Ampamarinana izay nahafaty olona fito, ary ahiana mbola misy hianjera ireo vato hafa.

Noezahina nafindra ireo mponina eny an-toerana, fa misy ireo tsy mbola miala, ny toerana amindrana azy ireo koa tsy mahafapo azy ireo.

 

Publié dans Tselatra
jeudi, 22 février 2018 11:47

22 février

Journée Mondiale du Scoutisme.

 

Publié dans Fil info

Marc Ravalomanana recevra normalement le 24 février prochain son Prix de “African Leadership Person Of The Year” (2017), publié par l’African Leadership Magazine, à Johannesbourg (Afrique du sud).

Publié dans A la Une
jeudi, 22 février 2018 09:11

Fampianarana: Journée des écoles

Nanomboka omaly alarobia 21 febroary ny fankalazana ny Journée des écoles eo anivon'ny sekoly.

 

Publié dans Tselatra

La durée de la session extraordinaire ne peut excéder douze (12) jours.

L'ordre du jour de la session extraordinaire comprend l'examen et l'adoption des projets de loi organique et de loi suivants :

Publié dans Fil info

Lien Youtube émission spéciale TVPlus 21 février 2018

https://www.youtube.com/watch?v=7EqH_S9mqUk


Fampandrosoana an'i Madagasikara

Tsy mila ankasarotina fa vahaolana tsotra, tsy feno akory ireo fa maro ny pitsopitsony fa ny hevi-baventy no aroso antsika:

1- Fehezina sy ampiasaina ny harena ato anatiny:
- Ny olona sy ny fahaizana rehetra (Ressources humaines), manana manampahaizana 500 000 eo isika (25 isam-pokotany raha 20 000 eo ny Fokotany sy ny toerana lehibe)
- Ny Harena ankibon'ny tany sy ambonin'ny tany
- Ny Harena an-dranomasina

Publié dans Editorial