Filtrer les éléments par date : dimanche, 18 février 2018
dimanche, 18 février 2018 18:20

Fianarantsoa: Manomboka ny asa ao Vatoavo RN7

Ahitàna fanetsehana ny asa fanarenana ny lalana simba aty Vatoavo nanomboka ny zoma 16 febroary 2018.

Misava lalana ireo mpiasa nanankinana ny fivilianana sy ny asa mialoha rehetra.

Efa mitoby aty an-toerana ny fiarabe fanaovana asa vaventy, hita maso ao ihany koa ny mpiasa manao fiambenana eo ifotony.

Miandalana ny fahatongavan'ireo akora sy fitaovana hafa entina manarina izany lalana simba izany hoy ireo misantatra ireo asa ireo.

 

Publié dans Tselatra