Filtrer les éléments par date : jeudi, 15 février 2018
jeudi, 15 février 2018 19:07

Saint Valentin

No comment

 

Publié dans Fil info

Tsy mbola hita ny marina mahakasika ny ady tany eny amin'ny fokontany Ambondrona, vakim-paritra faharoa. Ady tany eo amin'ireo fokonolona sy ny oniversite. Tany 220 Ha no voalazan'ny oniversite fa voafaritra ao anatin'ny faritry ny Campus, izay raha ny voalazan'ireo mponina dia nofarimparitana, noterena ho anisan'ny tanin'ny oniversite nandritra ny fikarakaran'izy ireo ny taniny.

Tany am-boalohany dia an'ny miaramila ny tany ary niadivan'ireo mponina nanamaintimolaly azy teny amin'ny Fitsarana ka nandresy izy ireo ary efa nahazoana “grosse”. Efa nisy ny volabe naloan'ireo tompon'ny tany teny amin'ny “domaine” sy “topo” hikarakarana ny “borne” sy ny “titre” saingy ela fidona izany.

Publié dans Vaovao

Hatolotra ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Antalaha anio 15 febroary 2018 ity ireo tanora telo lahy izay voasambotra teo amin’ny sakana nataon’ny Polisim-pirenena eo Ambariomiambana ny alatsinainy lasa teo. Nandeha taxi-brousse avy any Vohémar izy ireto fa rehefa nisava ny entan’ny mpandeha ny Polisy dia nahatsikaritra zavatra hafahafa, izay lavanila maitso rehefa nojerena.

Nisy tafatsoaka fa ny telolahy no tra-tehaka, ary niaiky fa avy any Bevontro, izay kaominina lavitra indrindra ato amin’ny Distrikan’i Sambava no nangalaran’izy ireo ny lavanila ary nokasaina ho entina amin’ny mpandraharaha lavanila eo Besopaka Sambava, izay efa nandositra niaraka tamin’ny zanany ihany koa.

“Ireto farany no voatondro ho mpamatsy vola” hoy ny Commissaire de Police Totozara Théogène.

 

Publié dans Tselatra

Mahajanga: Raran'ny Prefet tsy misy mahazo manao fanambarana momba ny raharahan'ny Oniversité, mila fahazoana alalana avy aminy hatramin'ny mpanao gazety.

Samia manao ny asany fa izahay tsy baikoinao Monsieur le Préfet, ary izahay tsy eo ambany fiadidianao. Mamoaka izay vaovao voamarina eto ampelatananay izahay. Efa nilaozantsika efa ela izany sivana izany.

Ianareo no tsy maha vaha olana ka izahay no ho tampenam-bava eto.

Patrick

Publié dans Tselatra

L’Airbus A340-300 de Air Madagascar est retourné hier à Antananarivo, après des maintenances à Jobourg en Afrique du Sud. Les pièces changées sur l’A340 sont des pièces courantes et non des pièces indisponibles ou introuvables.

Aussitôt arrivé à l’Aéroport International d'Antananarivo, l’avion a fait directement le vol à destination de la Chine.

Un ATR de la compagnie nationale est encore en panne.

Publié dans Fil info

Niakatra ny maripan'ny tolona ataon’ireo mpampianatra amin’ny SEMPAMA NY NOSY izay niainga avy tamin’ny fahatapahan-karaman'ireo mpampianatra, izay noheverina ho matoatoa. Nisy 361 no niharan'izany taty SAVA tamin'ny volana desambra 2017, ary tsy mbola nisy tafaverina na dia teo aza ny fampanantenana nataon’ny DREN Boto Evariste.

Ny talata 13 fébroary tamin’ny 11ora atoandro teo ary dia niara-nirohotra teny amin'ny biraon'ny DREN ireo mpampianatra ireo, kanjo birao tsy misy olona no novantanina tao. Vao maika tsy nahafaly ny mpanao fihetsiketsehana io tranga io ary "nanaitra ny nahita ireo antotan-taratasy izay tokony nalefa any Antanananarivo nefa tsy nalefan’ity Talem-paritry ny fampianarana", hoy ny Filohan'ny SEMPAMA Christophe ka voatery niroso tamin’ny famantsihana ny biraon'ny DREN SAVA izahay.

Publié dans Vaovao
jeudi, 15 février 2018 10:26

15 février

Journée internationale du cancer de l’enfant.

 

Publié dans Fil info