Filtrer les éléments par date : samedi, 10 février 2018

Nitrangana vono olona mahatsiravina tao Andranombary faritran'i Lokomby omaly tolakandro. Nisy lehilahy iray notapatapahan'olon-tsy fantatra tao an-trano ny vatany, avy eo nodorany ilay trano ka may nikainkona tao ilay rangahy.

Tsy tao ny vadiny fa manetsa any an-tsaha, ny zanany kosa nividy zavatra teny amin'ny sampanana makany Lokomby, izy izao maty novonoin'ny dahalo tao an-tranony izao.

Fanindroany izao no nisy famonoan'olona arahina fandorana trano toy izao aty faritry Lokomby aty.

Publié dans Tselatra
samedi, 10 février 2018 22:28

France: Houcine Arfa contre-attaque

Le Français Houcine Arfa a déposé une plainte au Parquet du Tribunal de Grande Instance de Paris le 7 février dernier visant plusieurs hautes personnalités malagasy dont la ministre de la justice Élise Alexandrine Rasolo, la Procureure Odette Balisama.

 

Publié dans Fil info

Teo amin'ny vinanin-drano Antaimby no nahitana ny razana androany tamin’ny roa ora tolak’andro. Feon’ankizivavy kely valo taona no nanaitra ny mponina teny amoron-drano fa ny reniny antsoina hoe : Flomene dia nilentika ery anaty rano.

Raha ny fitantaran-janany dia niaraka nandro teo izy sy ny reniny ka raha iny hanasa loha iny ilay ramatoa no nianjera tao anaty rano dia izay.

Razana no nakarina avy tao anaty rano.

Efa tonga teny ny Polisy sy ny mpiasan'ny fahasalamana nitsirika ny razana.

 

Publié dans Tselatra

Noho ny fahasimban'ny fiaramanidin'ny Air Madagascar, izay amboarina ao Johannesburg amin'izao, dia noraisin'ny Kaompania an-tanana avokoa ireo mpandeha rehetra ka nafindra amin'ny Air France sy Air Austral hiazo an'Antananarivo.

 

Publié dans Tselatra

Suite à une panne technique, l'Airbus d'Air Madagascar est en réparation à Johannesburg. La compagnie a pris en charge tous les passagers au départ de Paris pour Antananarivo. Ils sont répartis sur le vol d'Air France et Air Austral.

 

Publié dans Fil info

Miha mafana hatrany ny asa-jiolahy aty Antsirabe sy ny manodidina. Ny alin'ny zoma 9 febroary dia nirefotra ny basy tao Tombontsoa, fokontany Tsarafiraisana-Ambano.

Tokatrano iray tsy lavitra ny itoeran'ny lehiben'ny fokontany no nisy nanafika. Nampandre ny manodidina ny lehibem-pokontany ka isan'ny nandre ny tao amin'ny lehiben'ny faritra, izay tsy lavitra teo.

Nahare olona nihazakazaka izy ireo ka niantso nampijanona fa tsy niato ireo ka voatery nanao tifi-danitra saingy namaly ireo ary nanohy nitsoaka. Fantatra fa entana sy fanaka toy ny lecteur sy vola no lasan'ireo jiolahy.

 

Publié dans Tselatra

Ny orinasa JIRAMA dia mampafantatra ny mpanjifa rehetra fa nanomboka ny volana janoary 2018 no nihatra ny fampiakarana ny vidin-jiro. Ny fanjifana volana desambra 2017 no iharan'izany ary faktiora voarain’ny mpanjifa nanomboka ny volana janoary no ahitana izany fiakarana izany.

Tsy iharan’io fisondrotana io ny mpanjifa manana fandaniana latsaky ny 25kWh. Raha mihoatra io kosa ny fandaniana, dia ilay fandaniana amboniny 25kWh no takiana amin’ny saran’ny « deuxième tranche ».

Kajiana amin’ny vidin-jiro tokana ny fandaniana ataon’ireo mpanjifa mampiasa fitaovana an-tokantrano (usage domestique) mihoatra ny 3 kW. Izany hoe, tsy mihatra intsony ny « Première tranche » sy ny « Deuxième tranche ».

Marihina fa efa nisy ny fifampidinihina tamin’ireo mpanjifa isan-tsokajiny talohan’ny fampiharana ny fisondrotana.

Publié dans Sociale

Monsieur RAKOTOARISOA Jean-Eric

Président

Madame ANDRIANARISOA RAVELOARISOA Fara Alice
Haute Conseillère – Doyenne

Monsieur TSABOTO Jacques Adolphe
Haut Conseiller

Monsieur TIANDRAZANA Jaobe Hilton
Haut Conseiller

Publié dans Politique

Mampanahy ny mpampiasa ny lalam-pirenena faha-7 ny fahasimban'ny lalana amin'ny fidinana Vatoavo, atsimon'ny Fianarantsoa, hatramin'ny fandalovan'ny rivodoza AVA iny.

Efa nandalo nijery ny fahavoazana ny teknisianina avy ao amin'ny Asa Vaventy fa samy miandry ny asa fanarenana aterak'izany ny mpitatitra sy mpamily fiara iray volana aty aoriana.

Mila fanetsehana faran'izay haingana izany asa fanarenana izany, hoy ihany ireo mpamily fiara mba hisoroana ny faharefoana tanteraka amin'izao andro mahabetsaka ny rotsak'orana izao.

 

Publié dans Tselatra