Filtrer les éléments par date : jeudi, 01 février 2018

Valan-dresaka nataon'ny teo anivon'ny CENI teny Nanisana manoloana ny tatitra ara-pandrafetana sy fandrindrana mahakasika ny fifidianana eto Madagasikara. Mitaky ny amaritana ny lalàna mifehy ny fifidianana ny CENI, ary ny anondroana mazava ny datin'ny fifidianana.

Teo ihany koa ny tatitra ara-bola. 5 millions de dollars ihany hatreto no azo, na vita fifanarahana amin'ny firenena vahiny mpamatsy vola, toa ny Suisse, France, Amerikanina, Pnud, Union Eropéenne, Norvège.

Tsy ampy 7 millions mihoatra amin'ny vinavina ireo efa azo antoka ireo.

 

Publié dans Politique
jeudi, 01 février 2018 20:27

ENSOA Antsirabe: Fankalazana roa sosona

Sady nankalaza ny andron’ny manamboninahitra lefitra, fanao isaky ny 01 febroary ny ENSOA Antsirabe androany alakamisy, no nanamarika ihany koa ny faha-55 taona niorenan’ity Sekolin’ny manamboninahitra lefitra ity.

Lava ny tantara satria efa nifindrafindra toerana sy niovaova anarana izy ity hatramin’ny taona 1963 niorenany vao tena nijanona teto Antsirabe.

Ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier moa no nisolotena ny filohan’ny Repoblika, notronin’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rasolofonirina Béni Xavier sy ny Minisitry ny filaminana anatiny Mamy Andrianisa ary ny lehiben’ny Etamazaoro.

Nialohavan'ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena isan-karazany, nifaninanan’ny miaramila sy ny sivily ny fanamarihana izao fankalazana izao.

 

Publié dans Tselatra

Le bijoutier Kalidas a été enlevé de force, par six bandes armées, à Antanimena le 17 janvier 2018 en fin d'après midi. Les ravisseurs auraient poussé haut la barre du rançon, ce qui constitue un blocage pour la libération de l'otage.

Du côté des forces de l'ordre où des enquêtes doivent s'ouvrir automatiquement, pas un mot.

 

Publié dans Fil info

Ity raim-pianakaviana ity sy ny zanany lahy 12 taona no niara-niasa teny an-tanimbary. Niakatra an-tanety nialoka ny zanany rehefa nikotroka ny andro. Mbola nanohy ny asa ny rainy, no nirefotra tampoka ny varatra, ary niantefa taminy.

Potraka tsy nahatsiaro tena avy hatrany ilay rangahy.

Tazan’ny zanany ny nanjo an-drainy, ka nanantona sy niezaka namadibadika azy, avy eo niantso olona tany an-tanàna, izay tsy lavitra ny toerana niasan’izy mianaka.

Tsy nisy azo natao tamin’ilay raim-pianakaviana intsony, tamin’ny fotoana nahatongavan’ny Fokonolona.

Namela kamboty enina mianadahy izy. Vao tera-bao ny vadiny, no izao lasa mananontena tampoka izao.

 

Publié dans Tselatra

Un remaniement de gouvernement va s’opérer sous peu. Cinq membres du gouvernement Mahafaly Olivier seraient en mauvaise posture, ils pourraient donc être évincés.

Contrairement aux spéculations et bruits de couloir, Hery Rajaonarimampianina veut garder son premier ministre, mais Solonandrasana Mahafaly Olivier, en même temps ministre de l’intérieur et de la décentralisation, pourrait voir ce poste lui échapper cette fois-ci.

 

Publié dans Fil info

Andian-jiolahy nampihorohoro ny vahoaka taty Ambondromamy ny tariky « Lava zipo ». Sady mamaky trano no manolana ny tompontrano.

Voasambotra ny sabotsy sy alahady 27-28 janoary teo ny valo tamin’ireo. Tezitra ny olona, mitaky ny hanao fitsaram-bahoaka, ka voatery nentina any Mahajanga ireo jiolahy tratra, izay natao famotorana miloha ny nanolorana ny Fampanoavana azy ireo.

 

Publié dans Tselatra

Miaka-bidy izay tsy izy ireo entana ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro aty amin’ny Kaominina Ihadilanana, 34 km miala ny renivohitry ny Distrikan’Ambositra taorian’ny nifaohan’ny rano ny tetezana vokatry ny rivodoza farany teo.

Sandaina 8 000 Ariary amin’izao ny kapoakan’ny kafe, 1 200 Ariary ny kapoakan’ny sira vongany, 5 000 Ariary ny litatry ny solitany.

Santionan’ny zavatra iainan’ny mponina aty an-toerana ireo, ka anaovan’izy ireo antso ny hamahana izany haingana.

 

Publié dans Tselatra
jeudi, 01 février 2018 12:16

On forme des sauvages ?

Un homme âgé autour de 60 printemps a été sauvagement tué par un ou plusieurs personnes dans l’enceinte de l’Université de Fianarantsoa samedi dernier. Selon certaines déclarations il aurait volé un desktop ce qui lui a valu ce « vindicte populaire » ayant entraîné sa mort. 

Publié dans A la Une

Miisa 131 ireo mpampianatra tapaka karama eto Matsiatra Ambony vokatry ny fanadiovana ireo mpiasam-panjakana “matotoa” ataon’ny fanjakana. Efa tafaverina ny an'ny 60 amin'izany, ka ny 57 dia avy ato amin'ny fiadidim-pampianarana eto Fianarantsoa avokoa.

Nanatanteraka fandaminan-draharaha miaraka amin'ny ray aman-drenin'ny mpianatra sy ny mpampianatra ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena ny alatsinainy lasa teo. Andrasana ny andron'ity alakamisy 1 febroary ity ny fivoaran'izany eny anivon'ny sampandraharahan'ny fitantanam-bola eto an-toerana.

Nisy ny vina fitsinjovana manonkana an'ireo mpampianatra tsy mbola nahazo ny rariny ireo raha ny tapaka tao anatin'io fivoriana io.

Nilaza hirotsaka an-tsehatra amin'ny ady sisika ihany ko ny ray aman-drenin'ny mpianatra mba ho fanafainganana ny famoaham-bola tandrify ireo mpampianatra tapaka karama ireo.

 

Publié dans Vaovao
jeudi, 01 février 2018 11:08

Namontana-Boulevard de l'Europe

Un taxi-be termine sa course dans un canal.

 

Publié dans Fil info
Page 1 sur 2