Filtrer les éléments par date : dimanche, 09 décembre 2018
dimanche, 09 décembre 2018 16:36

Fifamoivoizana

Misy lalànan'ny fifamoivoizana sy fitondrana fiarakodia mila ampahatsiahivina kely.

- Aoka hajaina ny passage piéton :

Isika mpandeha an-tongotra, aoka tsy iampita ivelan'ireny faritra natokana ireny. Isika mpitondra fiara, aoka hijanona rehefa misy miampita. Isika injeniera mpandamina ireny toerana ireny, aoka hanisy izany amin'ny faritra be olona miampita, nefa koa tsy hitera-doza.

Fadio ry mpandeha an-tongotra ny miampita ao anaty rond-point, ohatra eo Anosikely.

Mampijaly ireo mpandeha an-tongotra mihitsy izao ny miampita iny lalana mandeha Ankorondrano Ivandry iny, 67ha atsimo mandeha Ampasika. Mandeha mafy loatra ny fiara ary tsy misy mijanona.

Publié dans Editorial

Le projet de construction du pont sur le fleuve Mangoky, sur la RN9, prend forme. La signature du premier accord de financement a eu lieu ce 8 décembre, à Sharm El Sheikh, en Egypte, entre la Ministre des finances et du budget, Vonintsalama Andriambololona, et le Directeur Général du Fonds Koweitien pour le Développement Arabe, Ayad Al Gharabli, en présence du Chef d’Etat par intérim Rivo Rakotovao.

C’est le premier financement de quatre pays arabes, avec le Fonds Koweitien, pour un montant de 10 millions USD, qui a été signé à Sharm El Sheikhi, a précisé la Ministre des finances et du budget, Vonintsalama Andriambololona. Ainsi, trois autres bailleurs sont attendus dans un prochain temps, en l’occurrence le Fonds de l’OPEP pour le développement international (OFID), la BADEA (Banque Arabe pour le Développement de l’Afrique), et le Fonds Saoudien.

Publié dans Sociale

Manohana ny kandida Marc Ravalomanana amin'izao fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa izao ny Raiamandreny mpampihavana Marie Zénaïde Lechat Ramampy. Manamafy ny Komity mampandany ny kandida laharana faha-25 ny fanambarana nataony omaly 8 desambra tao amin'ny trano fonenany tao Amboaloboka. Nanotrona azy tamin'izany ireo Olobe hafa avy aty an-toerana sy ny pomba ny kandida ety ifotony.

Dinika sy tafa momba ny ahiahin'ny mpifidy manodidina ity kandida ity no nanaraka izany fanambarana izany. Isan'ny hita nandritra io fotoana io ny ankamaroan'ny hery velona mpitarika ny K25 eto Matsiatra Ambony sy ny manodidina.

Ankoatry ny fampielezankevitra isan-tokony dia andrasana ao anatin'ny andro vitsivitsy ny fandalovan'izany kandida izany eto Fianarantsoa.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
dimanche, 09 décembre 2018 13:49

9 décembre

Journée Mondiale des Nations Unies contre la corruption.

Cette Journée est dédiée aussi à la prévention des génocides.

(Voir Suite Galerie Photo)

Publié dans Fil info
dimanche, 09 décembre 2018 13:45

Besalampy: Sady tsy rano no tsy jiro

Simba efa andro vitsy izao ny gropy mpihary herinaratry ny Jirama eto Besalampy, Faritra Melaky. Miaina anaty haizina ny mponina eto an-drenivohitry ny Distrika. Miankina amin’ny herinaratra ihany koa anefa ny fampakarana ny rano mamatsy ny mponina.

Eny amin’ny reniranon’i Maningoza ny mponina no maka rano, hoy Mohamady Sakra, mpikambana ao amin’ny Conseil du Fampihavanana Malagasy. Masiaka voay anefa io reniranon’i Maningoza io, ka mampidi-doza ny fatsakana rano ao.

Tsy ho afaka ny hanaraka ny adihevitra mivantana amin’ny fahitalavitra ifandaharan’ny kandida Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana ny mponin’i Besalampy noho io tsy fisian-jiro io.

 

Publié dans Tselatra

Andro faha-6 amin’ny fampielezankevitra ho amin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa ity alahady 9 desambra ity. Hanamarika ity andro ity ny adihevitra mivantana ifandaharana hifanaovan’ny kandida Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana, karakarain’ny Vaomieram-pirenena mahaleontena momba ny fifidianana sy ny ORTM, handeha mivantana amin’ny haino amanjerim-panjakana manomboka amin'ny 08ora alina.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra