Filtrer les éléments par date : vendredi, 07 décembre 2018

Niakatra fitsarana anio ilay raharaha fakana an-keriny an'i Mohamed Arman Ali na Arman Kamis, tompon'ny Transfy.

Publié dans A la Une

Raha iny hiditra ny vavahady misy ny trano fonenany ao Tsimahavaobe iny i Rivojaona Raherimihaja na Rivo mivady, ny alin’ny alakamisy hifoha ity zoma 7 desambra 2018, no nisy roalahy nipoitra tampoka ary nidaroka azy tamin’ny « bois rond » ka nahavoa azy tamin’ny lohany. Naratra mafy i Rivo ary niditra hopitaly, tsaboina ao amin’ny CHRR Namahora.

Mpivarotra no fiharian’i Rivo. Filoha lefitry ny K25, Komity manohana sy mampandany ny kandida Marc Ravalomanana ato amin’ny Distrikan’i Morondava, Faritra Menabe ary efa kandida depiote TIM teto Morondava.

Publié dans Tselatra

Nahitsy ny fanambarana nataon’i depiote Jack

fa "izahay aty Sambava dia resy lahatra amin’ny filoha Marc Ravalomanana, mbola io ny zava-bitany dia ny lalana Sambava, izay vavolombelon'ny tantara, eo ihany koa ireo foto-drafitrasa toy ny sekoly maro natsangany taty aminay, teo ihany koa ny biraon’ny Fokontany miisa any amin’ny 70 naoriny tamin’izany.

Koa izao tonga ny fotoana, ka izaho depiote Mamangy Norbert dit Jack mihitsy no miteny fa miaraka amin’i Dada laharana faha-25 isika ary ataontsika amin'ny fontsika rehetra izay fa mandresy isika miaraka amin’ny kandida Marc Ravalomanana. Ataontsika izay hampandresy ny kandida Marc Ravalomanana aty amin’ny Faritra SAVA".

Publié dans Tselatra

Androany no nampahafantaran'ny Holafitry ny Mpisolovava io fanapahan-kevitra io. Hanao valandresaka ho an'ny mpanao gazety eny amin'ny trano fonenany eny Ankadifotsy i Me Olala rahampitso sabotsy.

 

 

Publié dans Tselatra
vendredi, 07 décembre 2018 09:24

7 décembre:

Journée Internationale de l'aviation civile.

 

Publié dans Fil info

Miisa 21 izy ireo, ka vehivavy ny telo tamin’ireo voarohirohy ho namono inspekteran’ny Polisy telo lahy, tonga hamita iraka tao Ambodiazinina tamin’ny volana oktobra lasa iny. Vosambotra tao Ambodiazinina ny 12 tamin’ireo, ary tao Fenoarivo Atsinanana ny 9. Isan’ireo nosamborina ihany koa ny Sefo Fokontanin’Ambodiazinina.

 

Publié dans Tselatra

Niteraka fahatezerana teo amin'ireo mpankafy baolina kitra izany. Mahatsiaro tena ho natao tsinotsinona ireo mpanao baolina kitra avy any Andriamena.

Avy lavitra izy ireo no mandrato lalao teto Ambatondrazaka omaly ka betsaka ny fandaniana nandritra ny hadimiana nijanonana teto Ambatondrazaka. Lasa nitombo indray ny fandaniana satria tsy vita ny lalao noho io fidinan’ny helikoptera nitondra an’i Andry Rajoelina tao amin'ny kianja Rasolonjatovo io.

« Fanaovana tsinotsinona anay tanora izao » hoy izy ireo.

Publié dans Tselatra