FARITRA SAVA: Tonga eto Sambava ny bulletin unique
Arivonimamo: May ny ampahan’ny trano fitaizana zaza kamboty an’ny Zandarimariam-pirenena
Ny alin’ny alarobia hifoha ity alakamisy 6 desambra ity no nitranga ny loza. Trano iray fatorian’ny tovovavy no may. Nisy 15 vavy izy ireo no tao anatiny tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza.
Nanavotr’aina nivoaka ny trano izy ireo, tavela ary may tao ny entana, akanjo ary fitaovam-pianarana. Tsy nisy naratra, na may.
Tsy mbola fantatra ny niandohan’ny afo.
Miisa 57 ireo kamboty, zanaka Zandary maty amperinasa, tezaina ao amin’ny Orphélinat Arivonimamo, ka vehivavy ny 20 amin’izy ireo ary tovolahy ny 37.
Taorian’ny fahamaizana dia efa tonga tety an-toerana ireo tomponandraikitra ambony samihafa eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, nitondra fanampiana vonjy ranovaky sy nanao tombana ny fahavoazana.
Sekoly FJKM: Hankalaza ny Jobily faha-200 taonany
Hankalazaina mandritra ny taona 2019 ny faha-200 taonan’ny sekoly protestanta, niandohan’ny Sekoly FJKM eto Madagasikara.
Ara-tantara dia ny 8 septambra 1818 no naorin-dry David Jones, isan’ireo nitondra ny Filazantsara niaraka tamin’ny LMS (London Missionary Society), teto Madagasikara. Etsy Andohaho, Razafindrahety, ampitan’ny Katedraly Katolika no nisy azy tamin’izany. Fifandaminana dia nanemorana ny fankalazana ny Jobily faha-200 taonan’ny fanabeazana FJKM ho amin’ny 2019.
Fifidianana: Mitety ny faritra Avaratra Atsinanana i Ravalomanana
Toamasina
Fenoarivo Atsinanana
Mandritsara
Maroantsetra
Antalaha
Sambava
Andapa
Vohémar
Antsiranana