Filtrer les éléments par date : lundi, 03 décembre 2018

Tranga tsy fahita firy no niseho omaly alahady 02 desambra 2018, tamin’ny sidina anabakabaka an'ny kaompania Tsaradia Antananarivo-Sambava, tamin'ny 11ora sy 30minitra teo.

Vao 600 metatra fotsiny no vita raha vao nikisaka kely hanao "décollage" ity fiaramanidina ity dia efa tsy afaka ka voatery nosintonina teny amin’ny "piste".

Taorian'ny fanamboarana natao dia niainga indray fa teo amin’ny adiny iray niakarana teny ambony habakabaka teny dia niverin-dalana tampoka maika indray araka ny toromariky ny mpanamory, ka niteraka horohoro tsy nisy toa izany tamin’ireo mpandeha.

Isan'ireo mpandeha niaina izany i Mamangy Norbert izay solombavam-bahoaka voafidy teto Sambava.

 

 

Publié dans Tselatra
lundi, 03 décembre 2018 22:47

Sambava: Lany solika ny JIRAMA

Miaina ao anatin’ny haizim-pito i Sambava mandra-pahatonga indray ny solika izay ho entina hamokarana ny herinaratra.

Nanomboka tamin’ny enina ora hariva teo no nikatso tanteraka izay sisa kely nihafiana.

Ny Talen'ny JIRAMA, Atoa Rabeatoanina Hubert dia nanazava fa noho ny olana izay misy eny anivon’ny dépôt Antalaha sy Vohémar ary eo ihany koa ny fahataran'ny sambo no antony.

 

Publié dans Tselatra
lundi, 03 décembre 2018 22:37

Fifidianana: Nita rano i Dadafara

Nanao fanambarana i Dadafara sy ny antoko taritiny, fa hanohana an'i Andry Rajoelina.

Samy nantoniko izy mianaka kandida ireo hoy izy, fa i Andry Rajoelina no naharesy lahatra ahy, izay nandray ahy nadritry ny 2ora, raha toa ka 2 minitra fotsiny no niresahin'i Ravalomanana tamiko.

Vonona hanolotsaina an'i Rajoeliny aho, hoy hatrany ity kandida ity, rehefa tonga eo amin'ny fitondrana izy.

 

 

Publié dans Tselatra
lundi, 03 décembre 2018 22:32

Fifidianana: Manohana an'i Rajoelina ny MTS

Nanambara tamin'ny mpanao gazety teny amin'ny QG teny Ambaranjana andriamatoa Rolland Ratsiraka fa dia hanohana ny kandida laharana faha 13, Andry RAJOELINA, ary hijoro ny antoko tarihiny ny mba ahavitany ny mandat an-tsakany sy an-davany .

Nanambara ihany koa ity farany fa dia tsy mitombina ireny valim-pifidianana ireny.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Taorian'ny sakoroka avy nivoaka ny boite de nuit tetsy Antanimena, dia niditra hopitaly etsy amin'ny HOMI i Erlie, ilay miaramila eo anivon'ny primatiora, noho ny tongony voahitsaky ny fiara nentin'i Maître Aliarivelo Maromanana, raha ny filazan'ireto nikasi-tanana azy ireto.

Amin'izao hariva izao dia mbola mitohy ny fakana am-bavany azy.
I Arnaud, rahalahiny kosa dia tazonina eny Fiadanana, efa vita omaly ny fakana ambavany azy, fa ireo vavolombelona sécurité n'ilay boite de nuit, no efa natao fanadihadiana ihany koa, anamarinana raha tena niainga avy tao anaty boite de nuit tokoa ny fifamaliana, ary raha tena mamo tokoa ilay mpisolovava.

Publié dans Vaovao

Nitanjozotra ireo kandida sy filohan'antoko manantona an'i Ravalomanana, na dia maro aza ny elanelam-pijery sy ireo raharaha nifandonana, dia nampiseho fifandeferana ny rehetra ka nifanantona hampandresy ny fihavanana sy ny fifamelana ho tena fampandrosoana ny Firenena.

 

Publié dans Tselatra

Tato anatin’ny iray volana izao dia olona telo no nisy naka an-keriny tato amin’ny Kaominina Manerinerina, Distrikan'Ambato-Boeni.

Ny alin’ny alakamisy 29 novambra teo izao dia zazavavy roa no nisy naka an-keriny ary tsy mbola tafaverina eo anivon’ny fianakaviany hatramin’izao, tsy vitan’izay fa mampihorohoro ireo olondratsy.

 

Publié dans Tselatra
lundi, 03 décembre 2018 12:52

Anosy: Hanao hetsika ny Mpisolovava

Nanao "sit-in" tetsy Anosy ireo mpisolovava, notarihin’ny biraon’ny Holafitry ny Mpisolovava, ho firaisankina tamin’ny naman’izy ireo niharan’ny herisetra teny Antanimena ny marainan’ny sabotsy teo, sy ho fanoherana ny tranga toy iny, ary fitakiana ny hampiharana ny tany tandalàna.

 

Publié dans Tselatra

Nanao fanambarana ny antoko Leader Fanilo, miaraka amin'i Jean Max Rakotomamonjy, filohan'ny Antenimieram-pirenena fa manohana an'i Kandida N°13 Andry Rajoelina.

 

Publié dans Tselatra

Taorian'ny vokam-pifidianana navoakan'ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana dia maro ireo Ray aman-dreny sy mpanao politika mitondra ny fanohanana ity kandida N°25 ity.

Tsy latsa-danja amin'izany ireo kandida hafa sy ireo lehiben'Antoko politika.

(Jereo sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2