Filtrer les éléments par date : dimanche, 23 décembre 2018

Nanomboka omaly sabotsy alina ny fampitahana ireo vokam-pifidianana eny amin'ny CENI araky ny fanagatahan'ny K25.

Ny PV ihany anefa no neken'ny CENI ampitahaina fa tsy navelany hijery ny bileta, fa nasainy mangataka alalana eny anivon'ny HCC ny K25.

Nandeha teny amin'ny HCC ireo solotenan'ny K25 nametraka izany fangatahana izany. Namaly kosa an-taratasy an'ny K25 ny HCC, fa anjaran'ny CENI no miandraikitra izany fampitahana vokam-pifidianana izany.

Napetraky ny K25 eny anivon'ny CENI indray io taratasy avy any amin'ny HCC io.
Andrasana izany ny valiteny eo anivon'ny CENI.

 

Publié dans Tselatra

La Haute Cour Constitutionnelle,

Vu la Constitution ;

Vu l’ordonnance n°2001-003 du 18 novembre 2001 portant loi organique relative à la Haute Cour Constitutionnelle ;

Vu la Décision n°29-HCC/D3 du 07 septembre 2018 ;

Le rapporteur ayant été entendus ;

Après en avoir délibéré conformément à la loi ;

Publié dans Politique
dimanche, 23 décembre 2018 14:53

Antsirabe faharoa: Nizara fitaovana

Natolotra tamin'ny fomba ofisialy ny zoma 21 desambra teo ireo fitaovana novodiana tamin'ny alalan'ilay Fonds d'Appui au Développement tantanan'ny solombavambahoaka amin'ny alalan'ilay C.L.D izany; ho an'ny Distrikan'Antsirabe faharoa.

Moto niisa 20 moa ho an'ireo Ben'ny Tanàna, ordinatera niisa 8 niampy Imprimante niisa 4 sy seza niisa 32 ary fanaka fandraisam-bahiny kosa ho an'ireo biraom-panjakana ao Antsirabe faharoa ao ihany.

Tonga nanolotra izany ireo solombavambahoaka mianadahy voafidy tao Antsirabe faharoa io omaly io, niaraka tamin'ny lehiben'ny Distrika.

Nanafatra ity farany fa hifandovan'ny Ben'ny Tanàna ny moto fa tsy fananan'ny Ben'ny Tanàna ankehitriny akory.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Raha ny tarehimarika, miainga amin'ny vokam-pifidianana vonjimaika eo anivon'ny CENI, dia tratran'i kandida laharana faha-13, Andry Nirina Rajoelina, ny fetr'isa ahalany Filoham-pirenena Malagasy, raha tsy miova firy ny taham-pahavitrihan'ny mpifidy eo amin'ny 48 %, sy izay fanapahan-kevitra avoakan'ny HCC miainga avy amin'ireo mety fitoriana samihafa.

 

 

Publié dans A la Une
dimanche, 23 décembre 2018 14:19

CENI Alarobia: Raikitra ny fampitahana PV

Nanamafy ny filoha lefitry ny CENI Rakotonarivo Thierry fa dia raikitra nomboka omaly sabotsy 22 desambra hariva ny fampitahana ireo fitanana an-tsoratra ny voka-pifidianana eo ampelan-tanan'ny CENI, amoahany fironan'ny voka-pifidianana sy eo ampelan-tanan'ny K25, solontenan'ny kandida Marc Ravalomanana.

Nitondra lisitry ny birao fandatsaham-bato hanaovana fampitahana vokatra ny K25, ka miainga amin'io ny fampitahana.

Anaovana firaketana an-tsoratra isaky birao fandatsaham-bato ny vokatry ny fampitahana.

 

 

Publié dans Tselatra