Filtrer les éléments par date : vendredi, 09 novembre 2018
vendredi, 09 novembre 2018 09:04

IFIRP Mahajanga: Mitokona ny mpianatra

Niato nanomboka omaly maraina alakamisy 08 novambra teo ny fampianarana ary tsy handeha hanao stage amin'ireo hopitaly sy CSB ny mpianatry ny IFIRP Mahajanga raha tsy vahana faran'izay haingana ny olan'izy ireo, araka ny fanambarana nataon'izy ireo sy ny sorabaventy mihantona amin'ny rindrin'ny sekoly.

Publié dans A la Une

Dimy namoy ny ainy, maro no naratra. Fianakaviana aman-jatony traboina. Izay no vokatry ny haintrano goavana niseho teo Anosibe-Antananarivo IV ny alin'ny alarobia hifoha ny alakamisy 8 novambra teo.

Labozia tamina trano hazo no voalaza fa nitera-doza.

 

Publié dans Tselatra
vendredi, 09 novembre 2018 08:18

Toliara: Manjopiaka ny volom-boasary

Ilaozan'ny 13 lavitra be i 25 any atsimo andrefana.

Miady mafy i 12 fa tsy nahitam-bokatra ara-pifidianana ireo fotodrafitrasa nahorina tany.

 

Publié dans Tselatra

Hanainga io maraina io, miaraka amin'ny angidimby ny Kandida Marc Ravalomanana.

Raha ny vinavina dia hiatrika ny fandevenana an'i Mgr Victor Rakotondrajao anio zoma 09 novambra.

Hatory any Antsanitia, ary tsy hiverina Antananarivo raha tsy rahampitso sabotsy.

 

Publié dans Tselatra

Ny fitarazohan'ny fiakaran'ny vokatra tonga eny anivon'ny CENI no nambaran'ny filohan'ity vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana, Rakotomanana Hery, fa mety hitarika ny fihemoran'ny famoahan'ny CENI voka-pifidianana vonjimaika, tsy araka ny tetiandro novinavinaina hoe alohan'ny 20 novambra 2018.

 
Publié dans Tselatra

Manomboka mifanontona ireo voka-pifidiana ato amin'ny faritra Analamanga, mitarika lavitra i 25, arahin'ny 13.

Tsy hita mihitsy ireo hafa, 34 taraiky ery aoriana, miady laharana ny 12 fa sempotra.

Publié dans Tselatra
Page 2 sur 2