Filtrer les éléments par date : jeudi, 15 novembre 2018

Niseho indray rehefa tsy hita ary nokarohina nandritra ny volana maromaro i Marc Tatandraza. Niakatra nivahiny tamin'ny fahitalavitra tsy miankina teto an-toerana ity farany omaly ary nanao fandaharana manokana mihitsy nitantarana abobo sy rediredy.

Androany hariva dia, niverina tao amin'ilay fahitalavitra indray ka nandrasan'ireo Zandary fotsiny ny fivoahany tao ary teo no nisamborana azy.

Tsy notanana intsony teny amin'ny biraon'ny Zandary fa nalefa avy hatrany any Ambovombe Androy i Tatandraza ny hariva teo ihany, ny Fitsarana any an-toerana no misahana ny fanenjehana azy.

Publié dans Tselatra
jeudi, 15 novembre 2018 14:02

Résultat 15 novembre 2018 à 14h

Miakatra moramora i 12, mifanahatsahana eo hatrany 13 sy 25.

BV traités: 20527 / 24852 soit: 82.60%
Inscrits: 8183346 / 9913599
Suffrages exprimés: 4090850
Taux de participation: 54%

12= 8.25%
13= 39.61%
25= 35.40%

 

Publié dans Tselatra

Havoakan'ny CENI anio hariva ho fanta-bahoaka ireo voka-pifidianana isaky ny Distrika, niainga avy amin'ny SRMV (Section chargée de Recensement Matériels de Vote).

Miantso ny kandida na solontenany, fiarahamonim-pirenena, mpanara-maso fifidianana, mpanao gazety ny CENI izahay, hoy ny filoha lefitry ny CENI Rakotonarivo Thierry hanao fampitahana ny voka-pifidianana, hisian'ny mangarahara. Ivelan'ny lalàna izany, saingy noraisin'ny CENI izany fanapahan-kevitra izany hoy hatrany Rakotonarivo Thierry tsy hisian'ny ahiahy.

 

Publié dans Tselatra

Tsara ny vokatra lodsia ato amin'ny Distrikan'i Manakara tamin'ity taom-piotazana 2018 ity, noho ny fahampian'ny rotsak'orana, araka ny nambaran'ny Depiote Andriantsizehena Benja Urbain. Misy orinasa sinoa hanondrana lodsia 200 taonina amin'ity, ankoatra ireo mitobaka amin'ny tsena anatiny toa an'Antsirabe, Fianarantsoa hatrany Toliara.

 

Publié dans Tselatra

Nanamafy izany tao amin'ny RNM ny filoha lefitry ny CENI, Rakotonarivo Thierry androany.

Biraom-pifidianana miisa dimy (05) hatreto no nanaovana "Procès verbal de carences" noho ny tsy fisian'ny latsa-bato tamin'ireo, araka ny nambarany hatrany.

 

Publié dans Tselatra
jeudi, 15 novembre 2018 10:17

Fametrahana fitoriana eo anivon'ny HCC

Ny mpifidy tsirairay dia manan-jo hametraka fitoriana eo anivon'ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana, na ny HCC.

Araka ny làlana dia olona voaporofo fa nandeha nifidy irery ihany no afaka mitory, izany hoe concerné ianao izany, eo no ilana ny carte électorale manamarina fa nandeha nifidy marina ianao.

Izay tsy tonga nifidy dia very zo, tsy afaka mitory, satria tsy mahakasika anao ny raharaha.

Ireo nifidy vato fotsy na vato maty dia afaka mitory, satria tsy misy mahafantatra izay safidinao, ary tonga nifidy ianao.

Ny zavatra nitranga tao amin'ny BV nifidiananao ihany ianao no afaka hametraka fitarainana, izany hoe raha nisy zavatra hafa hitanao tany an-toerankafa dia tsy mahakasika ny vato narotsakao iny, dia tsy ho raisin'ny fitsarana. Azonao resahina ihany anefa, satria ny HCC afaka manao auto-saisine, izany hoe na tsy misy mpitory aza ka hitany fa tsy manara-dalàna dia azony atao ny manokatra fanadihadihana sy mandray fanapahan-kevitra momba iny.

Publié dans Politique
jeudi, 15 novembre 2018 09:33

Tapina ny dômy, samia manisa ny an-tanany

Tamin'ny 8 ora, 15 novambra 2018

BV traités:19669 / 24852 soit: 79.14%
Inscrits: 7874700 / 9913599
Suffrages exprimés: 3937727
Taux de participation: 54.03%

izany hoe BV 5 183 sisa no andrasana, amin'ny mpifidy voasoratra anarana 2 038 899.
Hita fa tsy nihetsika firy ny tahan'ny mpandray anjara 54%, ka (2 038 899 x 54%)=1 101 005 izany sisa no hifampizaran'ireo kandida (36 + 1) (1 = ilay vato fotsy sy vato maty izay milahatra faha telo hatrany).

Raha ny 80% hatrany no hifampizaran'ny 13 sy 25, dia 20% ny an'ny kandida (34+1) (1=maty sy fotsy).

800 000 vato izany no iadian'ny 13 sy 25.

Mba ahazoana 1er tour anefa dia 50%+1 amin'ny vato manankery=(3937727 + 1 000 000) *50%= 5 000 000 * 50% eo= 2 500 000 no ilain'ny kandida vao mahazaka 1er tour.

Publié dans Editorial