Filtrer les éléments par date : mercredi, 14 novembre 2018
mercredi, 14 novembre 2018 15:05

Résultat 14 novembre 2018 à 14h

Efa manananika ny 70,62% ny vokatra efa voakirakira eo anivon'ny CENI.

Ora vitsivitsy no isaina dia mety ho feno ny vokatra.
Hatreto dia tsy misy mahazo ambonin'ny 40% ireo Kandida.

BV traités:17550 / 24852 soit: 70.62%
Taux de participation: 54.19%

12= 7.53%
13= 39.44%
25= 36.66%

 

Publié dans Tselatra

Tontosaina mandritra ny herinadron’ny 12 novambra ka hatramin’ny 16 novambra ho avy izao ny Atrikasam-paritra ho an’ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka eto Madagasikara.

Ho an’I vakinankaratra manokana dia ny 12 sy ny 13 novambra no nanaovana izany.

Raha tsahivina dia ny 09 mey 2018 no nanombohana ity tetikasa FAFY ity, na ny “Fanjariantsakafo sy Fahasalamana Ifotony”, tao Andriambilany-Ambatolampy Vakinankaratra, ary izao hatomboka izao ny asa.

Publié dans Sociale

Vato nilanja 667 kilao indray no saron’ny Zandary teo anivon’ny BPR Vakinankaratra ny alatsinainy 12 novambra, tao amin’ny sakana mahazatra tao Anjazafotsy-Betafo.

Fisavana mahazatra no nahitana ireto vato ireto, izay natao tao anaty sobika niisa 5 ary nosaronana voankazo manga.

Bolongany niisa 84 ireto vato ireto, saingy noho izy tsy nisy taratasy sy fahazoan-dalana no nitazonana azy sy ny tompony, izay sady tompon’ny fiara ihany koa, ary dia natolotra ny tompon’andraikitry ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany ireo vato ireo aloha hatreto.

Fa ankoatra ireo dia nahatratra hazo sarobidy voamboana na “Palissandre” niisa 16 ihany koa ny Zandary teo amin’ny sakana tao Vinanikarena Antsirabe faharoa.

Publié dans Vaovao
Page 2 sur 2