Filtrer les éléments par date : vendredi, 05 octobre 2018

Nanao fanambarana ny fanohanany ny kandida laharana faha- 13 ny filoha mpitarika ny Ainga Vao eto Fianarantsoa. Omaly 4 oktobra no nanatontosany izany tao amin'ny Espace Royal Bateravola. Izany dia tohin'ny fanambarana efa nataony amin'ny maha resy lahatra azy amin'ny vina IEM, herinandro vitsivitsy lasa izay. Ahenoana akony mankasitraka sy mitsipaka io fanohanan'ny solombavambahoaka an'i Andry Rajoelina io ny tontolo politika eto an-toerana.

Nandray izany fanambarana izany tamin'ny fanatrehana ny fotoana nanatanterahana azy ny mpikambana ao amin'ny vondrona Mapar eto an-toerana.

 

Publié dans Politique

Raikitra ny savorovoro teny Ambodin'isotry noho ny fandravana trano tsy nataon'olon-tokana tamin'ny fiaraha-monina teny an-toerana.

Nisy araka izany ny fandraisan'ny mpitandro filaminana anjara tamin'ny fandrodanana ireo trano maromaro, izay nisaron-tava ireto farany.

Mitaraina ireo mponina voakasika izany ary miantso ny tompon'andraikitra ambony mba hamaha ny olana satria dia tsy misy ny taratasy mazava handrodanana an'ireto trano ireto. Tsy hafa nanaotra ireo vahoaka teo anatrehan'ireo mpitandro ny filaminana izay nandrahona sy nanopa ireo olona mba nanohitra izao tsy rariny izao.

 

 

Publié dans Tselatra