Filtrer les éléments par date : lundi, 22 octobre 2018
lundi, 22 octobre 2018 18:01

Cameroun

Paul BYA réélu à 71.28%

 

Publié dans Fil info

Teo ampisakafoanana hariva, tokony ho tamin'ny valo ora sy sasany, no nanao amboletra niditra tao amin'ny tokantrano iray teto Morarano Gara ireo jiolahy roa, mitam-basy ny iray.

Vao nahita azy ireo ny tovolahy kely folo taona eo dia niezaka nisambotra ilay basy teny an-tanan'ilay jiolahy. Nitifitra ity farany sady nanao tari-dositra nivoaka ny trano.

Telo mianaka no naratra nipitihan'ny firitiky ny bala. Zaza tsy ampy taona ny roa tamin'ireo naratra. Nentina ao Moramanga izy ireo hotsaboina.

Tsy nisy zavatra very.

Fianakaviana tantsaha, omby vavy be ronono iray no ompiany, ity lasibatra ity.

 

Publié dans Tselatra

Mpivarotra mitety tsena no lasibatry ny sakandalana dahalo tamin'ny lalam-pirenena faha-35 ny tolakandron'ny sabotsy 20 oktobra, tamin'ny telo ora.

Ireo fiara hafa mitondra mpivarotra efa lasa nialoha tsy nisy voasakana, fa ny fiara Mercedes fourgon fotsy no nokendren'izy ireo ny fandalovany teo Belanitra, Fokontany Ivary, toerana sahabo ho 10 km miala an'Ambatofinandrahana.

Nitifitra avy hatrany ireo dahalo telopolo lahy teo, nampijanonana ilay fiara. Vaky ny fitaratra.Tsy nisy nahetsika ny iray fiara.

Publié dans Tselatra

Hanomboka anio ary hitohy hatramin'ny zoma izao ny Herinandron'ny fahasalaman'ny Reny sy Zaza andiany faha-25.

Fanaovam-bakisiny sy ody kankana no hanamarika izany. Hisorohana ny fahafatesan'ny Reny eo ampiterahana sy fahafatesan'ny zaza latsaky ny 5 taona.

Hatao eto Mahajanga ny fanokafana ofisialy ny hetsika.

 

Publié dans Tselatra
Page 2 sur 2