Filtrer les éléments par date : lundi, 22 octobre 2018

Mikorontana ny fandrindrana ny sidin'ireo helikoptera ampiasain'ireo kandida filoham-pirenena amin'izao vanimpotoanan'ny fampielezan-kevitra izao.

Mimenomenona ny mpiasan'ny ACM sy ASECNA fa misy kandida sy ny mpiara-miasa aminy manao tsindry bokotra fotsiny nefa tsy manara-dalana mihitsy.

 

Publié dans Tselatra

Nanao fanambarana miaraka ireo Raiamandreny eto Fianarantsoa manoloana ny fampidirana am-ponja an'i mpanao politika Pety Rakotoniaina.

Manamarika ny fahazarana manao asa famoretana ny zanak'i Fianarantsoa izy ireo, amin'ny alalan'ny fampatsiahivana ny fampidirana am-ponja ny olona avy aty amin'ny faritra na dia iraisan'ny rehetra aza ny hetsika. "Koa mitaky ny amoahana azy izahay..." hoy ny ambaran'izy 18 mirahalahy mianaka.

Manao antso avo amin'ny zanaky ny Faritra ihany koa izy ireo mba TSA HIPODY VATO ZINERA, ary nanamafy hatrany ny fijoroany amin'ny fiarovana ny fahamarinana.

Ny sabotsy 20 oktobra teo no natao ny fanambarana teto an-toerana.

 

 

Publié dans Politique

Taty Mahajanga no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Herinandron’ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza (SSME) andiany faha-25, izay nanomboka androany alatsinainy 22 oktobra hatramin’ny 26 oktobra izao.

Omena lanja manokana mandritra ity andiany ity ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo iarahana amin’ny ONN.

Tolotra maro samihafa maimaimpoana no azon’ny Reny sy zaza latsaky ny dimy taona sitrahana mandritra ny hetsika Herinandron’ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza, toy ny fanaovam-bakisiny, ny fizarana vitamina A, ny fisafoana sy fitiliana VIH ho an’ ny vehivavy bevohoka.

Publié dans Sociale

Tovolahy iray, Mpianatra manaraka ny lalam-piofanana ho mpitsabo, taona faha 3 ao amin'ny oniversiten’i Mahajanga no maty notsindromina antsy rehefa avy nendahina ny finday teny aminy ny alahady 21 oktobra, tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany hariva.

Efa fanaon’ny tanora monina eny amin’ny manodidina ny Bloc Administratif Ampisikina, izay toerana nisehoan’ny famonoana, ny manao "connexion internet" eo amin’ny manodidina ity trano misy biraom-panjakana ity. Misy amin’ireo sampandraharaham-paritra ao no manana WIFI izay misokatra ka azon’ny rehetra ampiasaina, ka anisan’ny mpandeha eo ilay tovolahy lasibatra, ary niaraka tamin’ny namany akaiky izy nandritra ny fahavoazana.

Publié dans Vaovao

Tapaka nandritra ny.fivorian'ireo kandida teny amin'ny biraon'ny CENI Nanisana tamin'ny sabotsy 20 oktobra ny hanatanterahana io conférence souveraine io, hoy i Tabera Randriamanantsoa, kandida filoham-pirenena.

Eny amin'ny trano fandraisana fivoriana iraisam-pirenena na CCI Ivato no hanatanterahana izany amin'ny alakamisy sy zoma ho avy izao.

Ireo kandida filoham-pirenena no mampiantso, hasain'izy ireo amin'izany ireo antoko mijoro ara-dalana eo anivon'ny ministeran'ny Ati-tany, ny fiarahamonim-pirenena, ny FFKM, ireo voakasika mivantana amin'ny fifidianana.

Mandritra io conférence souveraine io no hanapahana mikasika ireo zava-manahirana eto amin'ny firenena, indrindra mikasika ny fifidianana.

 

Publié dans Tselatra

Raha ny eto Antananarivo Renivohitra, dia manomboka manaja lalàna ireo Kandida sy ny mpomba azy, indrindra fa ny toerana natokana sy azo ametahana afisy.

Mbola misy kosa ireo tsy manara-dalàna ka mametaka izany eny amin'ny vatakazo, izay fananana iombonana, misy no fetsy, mametaka eny ambadikin'ny panneau, izay voatokana, tsy misy lalàna mifehy moa izany, ka tsy azo kihanina firy.

Publié dans Vaovao

Interrogé par les journalistes concernant le report des élections suggéré par certains candidats, Rivo Rakotovao a déclaré que l’État a toujours prôné le respect de la Constitution, et entend poursuivre ses actions dans ce sens.

« Nous avons déjà vécu des situations anticonstitutionnelles qui n’ont bénéficié aucunement au pays, tant au niveau national qu’international » a indiqué le Chef d’État par intérim, soulignant par la suite que l’État reste à l’écoute et est toujours ouvert aux débats, mais que les questions de réajustements des dispositions constitutionnelles doivent se faire à un moment plus opportun car la priorité reste le respect des lois et de laisser au peuple le droit de choisir.

 

 

Publié dans Politique

La Société Malgache de Neurologie tient, ce 22 et 23 octobre, son premier Congrès international portant sur les « Perspectives de la neurologie du troisième millénaire ». A travers ces assises, il s’agit, entre autres, de mettre au premier plan les résultats des recherches effectuées dans le domaine de la neurologie à Madagascar.

Ce congrès international, organisé par la Société Malgache de Neurologie, est une première dans l’histoire de la neurologie à Madagascar. Les travaux visent, en premier lieu, à mettre en relief les résultats des recherches effectuées à Madagascar concernant les problèmes de santé neurologique les plus courants, mais aussi les plus complexes, et qui nécessitent l’expertise des neurologues ; il s’agit également de discuter des avancées en matière de neurologie dans le monde, grâce aux contributions des invités étrangers.

Publié dans Sociale

Nanazava ny filohan’ny Oniversiten’Antananarivo, Pr Ramanoelina Panja, fa 10.000 eo ihany no toerana afaka andraisana ireo mpianatra vao afaka nahazo bakalorea, mikasa ny handrato fianarana eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Mitsinjara amin’ireo sekoly manokana izay fifaninanana no idirana ao aminy, ao koa ny fianarana ho mpitsabo sy siansa izay fisivanana naoty no idirana, ary ny fakiolte.

Hisy ny “Salon des étudiants” hotanterahina eny Ankatso manomboka amin’ny 24 oktobra izao, hampahafantarana sy hanoroana an’ireo tanora manana bakalorea, ireo lalampiofanana misy sy azo arahana eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo.

 

Publié dans Tselatra

Nikasa handray sidina hiazo an’i Nairobi (Kenya) ireto Afrikanina avy any Bénin ireto no tra-tehaka rehefa nosavaina ny entan’izy ireo, taorian’ny fihetsika hafahafa tsikaritry ny mpiasan’ny fadintseranana sy ny mpitandro ny filaminana miasa eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny tolakandron’ny zoma 19 oktobra lasa teo.

“Héroïne” izay zavamahadomelina maherivaika sady lafo vidy no tratra tany amin’izy ireo, 10kg mahery sy 11kg eo.

Efa ao anaty tambazotra mpanao trafika zavamadomelina izy roalahy ireto, ka isan’ny nanamora ny fisamborana azy ireo.

Notazomina avy hatrany natao famotorana izy ireo, ary atolotra ny Fampanoavana.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2