Filtrer les éléments par date : dimanche, 14 octobre 2018

JMJ Mada IX : "Tsy manohana kandida, na mampanohana kandida ny Katolika", hoy Mgr Fulgence Razakarivony, Evekan'Ihosy

Nandritra ny lamesa fanirahana sady famaranana ny JMJ Mada IX teto Belobaka-Mahajanga androany alahady 14 oktobra no nanambaran'ny filohan'ny CEPAL, Eveka misahana ny tanora izany.

(Jereo sary Tohiny)

 
Publié dans Tselatra
dimanche, 14 octobre 2018 22:16

14 Oktobra

60 taona izao no nahaterahan'ny Repoblikan'i Madagasikara

14 Oktobra 1958 - 14 Oktobra 2018, 60 taona katroka izay no nananan'i Madagasikara sata repoblikana.

 
Publié dans Tselatra

Natao tao Roma Italia nandritra ny lamesa lehibe notarihin'i Papa François tamin'ity Alahady 14 oktobra ity ny fanandratana ho Olomasina ireo Olontsambatra miisa fito, ka anisan'izany ny Papa Paoly VI.

 

Publié dans Tselatra

Anio alahady no hotafaverina eto Madagasikara, amin'ny fiaramanidina manokana ny ekipam-pirenena Malagasy amin'ny baolina kitra rehefa avy nandresy 1 noho 0 ny ekipan'i Guinée Équatoriale, nandritra ny lalao mandroso natao omaly, sady andro fahatelo amin'ny fifanintsanam-bondrona hiadiana ny tapakila ho amin'ny dingana famaranana ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika izay hatao any Cameroun amin'ny 2019.

Hivantana avy hatrany eny amin'ny Complexe Sportif Vontovorona izy ireo, eny no hipetraka, hanao fanazarantena hiatrehana ny lalao miverina amin'i Guinée Équatoriale amin'ny talata 16 oktobra ho avy izao.

Efa tomombana ny fandraisana io lalao io, raha ny fanazavan'ny filohan'ny Federasiona Malagasy amin'ny Baolina Kitra, Doda Andriamiasasoa.

 

Publié dans Sport
dimanche, 14 octobre 2018 15:33

Finoana FJKM: Hamarana ny Jobily faha-50 taona

Ny 20 sy 21 oktobra izao no hatao ny lanonam-pamaranana ny Jobily faha-50 taonan'ny FJKM, sy faha-200 taona nidiran'ny LMS (London Missionary Society), nitondra ny Filazantsara teto Madagasikara.

Fitokanana trano lehibe fanomanana mpitandrina eny Ivato, tsangambaton'ny Jobily, no hanamarika ny andron'ny 20 oktobra.

Vavaka eo amin'ny Kianjan'i Mahamasina kosa no hamarana io Jobily io, rehefa nankalazaina nandritra ny herintaona.

Tao Antsiranana ny lanonam-panokafana tamin'ny aogositra 2017, i Toamasina no nampiantrano ny ivon'ny fankalazana ny Jobily ny volana aogositra lasa teo, dia izao hofaranana eto Antananarivo izao.

 

Publié dans Vaovao
dimanche, 14 octobre 2018 15:32

Bakalorea 2018

56,93% ny taham-pahafahana tato Fianarantsoa.

 

Publié dans Tselatra

Nambara ofisialy nandritra ny lamesa fanirahana, sady famaranana ny JMJ andiany faha-9, teto amin'ny tany malalaky ny St Joseph Belobaka-Mahajanga androany fa ny tananan'Antsirabe, renivohitry ny Faritra Vakinankaratra, Diosezin'Antsirabe no hampiantrano ny andiany faha-10 amin'ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny tanora (JMJ) amin'ny taona 2021, afaka telo taona.

 

Publié dans Tselatra