Filtrer les éléments par date : lundi, 08 janvier 2018

Miakatra ny reniranon’i Sahalombo izay mandalo sy manapaka ny RN34, 3km eo andrefan'i tananan'Antsirabe, mialoha'ny hahatongavana any Andraikiba, vokatry ny rotsak'orana be loatra sy nisesisesy be nentin'ny rivodoza Ava teo.

Velarantany midadasika izay rakotra voly vary, katsaka sy tsaramaso ary legioma samihafa no difotry ny rano noho ny fiakaran'ny rano an-tanety.

Very fanahy mbola velona ireo tantsaha izay niezaka ny hioitra ka namboly manoloana ny fidangan'ny vidim-bary izao, nefa indrisy fa izao indray no mitranga.

 

Publié dans Tselatra

Namotika foto-drafitrasa maro ny rotsak’orana betsaka nateraky ny rivodoza AVA. Nofaohin’ny rano izao ny tany mialoha ny hidirana ny tetezana ao Ambohimahazo, amin’ny lalana miazo ny Kaominina Soatanana, Distrika Manandriana.

 

Publié dans Tselatra
lundi, 08 janvier 2018 09:55

Le Président se moque des Malagasy

« Il n’y a pas de prisonnier politique à Madagascar durant ma présidence » a déclaré le chef de l’Etat au palais d’Iavoloha durant la cérémonie de vœux vendredi 05 janvier dernier.

Qui veut croire que l’incarcération d’Alain Ramaroson n’est qu’une simple querelle de famille suite à des disputes d’héritages ? Pour que cet illustre personnage politique séjourne longtemps derrière les barreaux, il y a autre chose. Nous n’allons pas s’étaler sur ce sujet, mais les motivations politiques ne sont pas loin.

Les interpellations de journalistes qui sont au nombre de 3 reflètent que la liberté d’expression n’est pas encore entièrement acquis durant sa mandature. De qui se moque-t-on alors ? des Malagasy évidemment !

C’est une coutume, voire une tradition d’augmenter « symboliquement » les salaires des fonctionnaires, malheureusement ce ne fut pas le cas en ce début de 2018. Le président Rajaonarimampianina a peut-être ignoré que les fêtes de fin d’année cuvée 2017 ont été les plus miséreuses de toute l’histoire récente de notre pays.

Publié dans Editorial

Lasan'ny dahalo ny entan'ny mpandeha maromaro tamina taxi-brousse mampitohy an'i Mahajanga sy Antananarivo halina. Heverin'ny mpamily, araka ny tombatombana fa teo anelanelan'Ambondromamy sy Mahajanga no nisehoan'ny halatra, manararaotra ny fisiana tetezana izay mampihena ny hafainganam-pandehan'ny fiara. Maro ihany koa ireo hazo nadaraboky ny rivotra izay mbola manakan-tsakana eny andalana.

Efa teo am-pahatongavana teny amin'ny tobim-pihantsonana aty Mahajanga vao tsikaritra ny fahaverezana sy ny labasy nanaromana entana efa rovitra be.

Vahaolana tsotra, hitan’ny mpandeha, hisorohana ny toa izao ny fanesorana ny tohatra miakatra any amin'ny “porte bagage” rehefa tafakatra avokoa ny entan'ny mpandeha.

 

Publié dans Tselatra

Fianakaviana niandry faty ny alin'ny alahady 07 janoary no nihotsahan'ny tany ka nirodana ny trano. Nokarohina hatry ny alina ireo ka izao maraina izao no hita avokoa ny razana miisa 08, anisan'izany ny zazakely 11 volana, kilonga 03, olondehibe 05.

Publié dans A la Une
lundi, 08 janvier 2018 08:02

Météo: Vigilance post-cyclone

Le cyclone AVA s'éloigne de la côte de Madagascar, risque d'éboulement et d'inondation, vigilance post-cyclone.

Alerte bleue (Vigilance post-cyclone): Marolambo, Mahanoro, Fandriana, Ambositra, Manandriana, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Vatovavy Fitovinany, Asimo Atsinanana ary Anosy. Alertes levées ailleurs

(Source Météo Madagasikara - Photo Satellite 05h30)

Publié dans Fil info
lundi, 08 janvier 2018 07:01

Météo: Vigilance post-cyclone

Efa mihamanalavitra hatrany AVA, nefa mbola mandrafitra ny toetrandro.

Ahiana ny fihotsahan'ny tany, sy ny fiakaran'ny rano amin'ny faritra nandalovan'ny cyclone.

 

(Source Météo Madagasikara - Photo Satellite 05h30)

Publié dans Tselatra
lundi, 08 janvier 2018 06:52

Fampianarana: Miato Antsirabe II

Feno rano miakatra ao amin'ny Cisco Antsirabe II ka nanapa-kevitra noho izany ny DREN VAKINANKARATRA fa haato ny fampianarana androany.

 

Publié dans Tselatra

Noho ny fatahorana ny mety hisian'ny fihotsahan'ny tany nateraky ny ora-nikija sy ny fiakaran’ny rano dia tsy mianatra ihany koa ny alatsinainy 08 janoary ka hatramin'ny alarobia 10 janoary ireo mpianatra amin'ny sekoly rehetra miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana ho an'ireto CISCO manaraka ireto : Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Atsimondrano, Brickaville.

Marihina fa ny Alakamisy 11 janoary vao miverina mianatra ireo mpianatra amin'ny sekoly rehetra manerana ny Nosy izay naato ny fianarana.

Marihina ihany koa fa mety mbola hiampy io lisitra io arakaraky ny fiakaran’ny rano eny anivon’ny ZAP sy ny CISCO. Entanina ny rehetra mba ho mailo mandrakariva.

Publié dans Tselatra
Page 2 sur 2