Filtrer les éléments par date : dimanche, 07 janvier 2018
dimanche, 07 janvier 2018 22:19

Ifanadiana: Ny masomboly no voatery ho anina

Natao daholo ny antso vonjy ho an'ny vahoakan'ny Ifanadiana izay dobon-drano amin'izao ary mitokamonina iny faritra avaratra iny.

Tsy misy mihaino, nanao antso avo tamin'ny radio mihitsy ny Lehiben'ny Distrika, Ny Solombavambahoaka niantso ireo manampahefana isan-tokony, ireo Ben'ny Tanàna sy olomboafidy nitady fanampiana tetsy sy teroa.

Toa antso any anefitra avokoa hatreto, ka dia tapaka ny hevitra fa dia ny masomboly no ho zaraina ho an'ny mponina izay tsy misy sakafo intsony izao.

 

Publié dans Tselatra
dimanche, 07 janvier 2018 22:06

RN7: Route coupée

RN7: Route coupée au PK12 au nord d'Ambositra - Ivato centre - Camp Robin et Vohiposa.

 

Publié dans Fil info

Lakana hazo no nifanena tamin'ny lakam-by mandeha motera, tsy natohitra an'ilay onjan'ny lakam-by ilay lakana hazo ka nivadika.


Teo amin'ny renirano Ankadimbazaha Anjanazana no niseho ny loza, ka mbola tsy hita ilay mpanamory ilay lakana hazo. Nifandrombonana nitady ilay mpanamory lakana hazo fa tsy hita. Kely ny fanantenana ahitana azy velona.

Marihina fa aty Maroantsetra dia ny lakana no fitaovam-pitaterana nentim-paharazana, misy ohabolana hoe, zanaka Antimaroa tsy mandeha tsy andakana.

 

Publié dans Tselatra
dimanche, 07 janvier 2018 20:58

AVA: Sortie à plus de 170Km de Farafangana

Efa andranomasina any amin'ny 170km Atsimo Atsinanan'i Farafangana ny foiben'ilay Tempête Tropicale Modérée AVA.

Mizotra MIANATSIMO ATSINANANA amin'ny hafainganam-pandeha 13km/ora izy, izany hoe manalavitra antsika, fa mbola mandrakotra an'i Madagasikara ny rahona.

Nitondra orana saika manerana ny Nosy io rahona be miaraka aminy io, ka mahatonga fiakaran'ny rano amin'ny faritra maro eran’ny Nosy.

Toy izao Sisaony nanomboka ny tolak'andro teo, efa mandeha lakana mamonjy ny trano fodiana.

Manentana ireo mipetraka amin'ny faritra iva ahiana ho dibo rano, mankanesa amin'ny toerana azo antoka, toy izany koa ireo eny amin’ny toerana ahiana amin'ny fihotsahan'ny tany.

 

(Source Météo et Photos rivière de Sisaony qui sort de son lit)

 

Publié dans Tselatra
dimanche, 07 janvier 2018 20:46

Fampianarana: FILAZANA MAIKA

Noho ny fiakaran’ny rano dia tsy mianatra ihany koa rahampitso alatsinainy 08 janoary ireo mpianatra amin’ireto ZAP manaraka ireto :

Publié dans Tselatra

Tapaka nanomboka omaly hariva ny jiro teto Vangaindrano ary tsy nirehitra raha tsy naraina fa tsy ampy gazoala. Tonga alina ihany ny gazoala fa tsy nalefan-dreo nefa efa anatin'ny loko mavo na "alerte jaune" milaza loza manambana i Vangaindrano.

Vokany dia tsy naharaka ny fizotry ny rivodoza AVA tamin'ny haino aman-jery ny mponina, ireo tambazotran-tserasera misy koa tapatapaka.

 

Publié dans Tselatra
dimanche, 07 janvier 2018 20:42

RN2 : Miverina ny fifamoivoizana

Ranontany (éboulement) miisa 12 no nateraky ny rotsak'orana nentin'ny rivodoza AVA ka nanelingelina ny fifamoivoizana tamin'ny lalam-pirenena faha-2. Afaka ireo amin'izao ary dia efa manomboka mifamoivoy ny fiara amin'iny lalana iny androany.

 

Publié dans Tselatra
dimanche, 07 janvier 2018 20:22

RN44: Namela takaitra maro ilay rivodoza AVA

Misedra fahasahiranana ireo mpampiasa ny lalam-pirenena faha-44 mampitohy an'i Moramanga amin'Ambatondrazaka vokatry ny fahasimban'ny foto-drafitrasa maro taorian'ny fandalovan'ny rivodoza AVA.

 

Publié dans A la Une

Mpianatry ny CEG miisa roa any amin'ny Kaominina Sandravinany, Distrikan'i Vangaindrano no maty lasan'ny rano androany.

 

Publié dans Tselatra
dimanche, 07 janvier 2018 20:08

Antsirabe: Mpivady vao maty nihotsahan'ny tany

Bevohoka efa-bolana ilay tovovavy ary vao tsy ela no nirai-trano izy roa ireo sady tsy mbola vita raharaham-panambadiana akory no izao niara-maty nihotsahan'ny tany tao an-tranony izao.

Ny alin'ny sabotsy hifoha alahady 07 janoary, tokony tany amin'ny 1ora maraina no nofaohin'ny ranotany ny trano hazo nitoeran'izy roa kely ireo ka tototra tao izy ireo.

Mbola tavela teo am-pandriana ilay tovolahy fa ny vadiny kosa mbola nokarohina ela tao anaty ranontany vao hita.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 3