Filtrer les éléments par date : mercredi, 31 janvier 2018
mercredi, 31 janvier 2018 22:37

Diego: Délestage sans explication

Les habitants d'Antsiranana sont excédés de ce délestage à ne plus en finir.

Depuis 7h du matin, pas d’électricité, c'est seulement maintenant à 22h30 que l'électricité marche.
L'eau n'en parle même pas, la galère pour l'avoir.

Mais à la fin du mois, sans crainte, la facture de plus en plus chère sera bien au rendez-vous.

 

Publié dans Fil info

Mifamono ny samy olom-boafidy zanak'i Sambava. Zendana ary dia mifanontany tena ny mponina eto an-toerana manoloana ity tranga ity. Senatera no manakenda depiote, amin'izay indray dia ao anaty magazay hitam-bahoaka.

Efa tonga mialoha nividy zavatra tao amin'ilay magazay i Mamangy Norbert dit Jack, Depioten'i Sambava. Tonga tafara kosa ny Senatera HVM Befoto Angelin ary nanakenda avy aty aoriana sady nanao rahom-bava fa hoe : "manelingelina".

Nanohitra ingahy depiote ary saika sakoroka tao anaty magazay raha tsy niditra an-tsehatra nanasaraka sy nanelanelana ireo mpividy entana.

Nilaza i Mamangy Norbert fa efa in-droa nahazo fandrahonana ho faty avy tamin'io Senatera HVM io ary ataony ankiharihary izany.

Amin'ny maha-HVM azy ve no ahasahiany manao izany hetraketraka izany sa noho ny maha mpanambola azy, hoy ny fanontanian'ny olona ?

 

Publié dans Vaovao

Nobahanan’ireo Taxi-Bajaj ny lalam-pirenena RN5A teto Antaimby-PMU, androany mitatao vovonana. Taorian’izay dia niaraka nitanjozotra nihazo ny toerana malalaka akaikin’ny Soavoanio izy ireo.

Nitaky zavatra maromaro amin’izay mety ho tompon’andraikitra voakasika izany izy ireo. Misakana ireo fiara taxi-brousse mba tsy hivezivezy handray mpandeha ao anatin’ny faritra hiasan’ny taxi-ville ho valin-kafatra tamin’ny fitokonana nataon’ireo taxi-brousse hisakanana ny Taxi-Bajaj tsy hivoaka ivelan’ny tampon-tananan’i Sambava ihany koa.

Dia tsy nahafaly azy ireo ihany koa ny namerenan’ny mpitandro filaminana azy ireo tsy ho any Antohomaro, faran’ny tananan’i Sambava na dia efa manana “autorisation” hahafahana hivoaka hatreny aza.

Nitaky ny fanavaozana ny biraon’ny coopérative taxi-ville ihany koa izy ireo.

 

Publié dans Sociale

Consciente des potentialités existantes à Madagascar, en termes de ressources intellectuelles et de ressources naturelles, l’ONG Ny Fanahy Maha Olona veut réveiller et valoriser le talent que chaque jeune Malagasy possède, pour son propre avenir et pour le développement durable de la Nation. N’ayant vraiment pas de repères dans ce sens, nos jeunes ont besoin de soutien et de guide, d’où la conceptualisation et le lancement du « VATOEKA ».

« VATOEKA », n’est pas un nouveau projet pour le pays. le Colonel Richard Ratsimandrava, en son temps, avait initié ce système qui accordait une grande importance à la communauté de base qui est le Fokonolona, en laissant le peuple s’exprimer librement et en considérant leurs avis et souhaits. L’ONG Ny Fanahy Maha Olona ne voudrait copier cette manière de faire, mais continuer ce programme déjà oublié ou méconnu par la plupart des Malagasy.

Publié dans Politique

Nifamaly tamim-badiny Atoa Randrianantenaina Mamisoa Eddy, omaly ny 30 janoary 2018 tamin’ny fito ora hariva, ka niteraka fanelingelenana ny mpiara-monina izany.

Nitsangana ny lehiben’ny vakiparitra tao Moratsiazo ka nandray fepetra namatotra tamin’ny tady ny tongotra aman-tanan’ilay rangahy ity rehefa tsy nety nalamin’ny fiaraha-monina. Vokany, mangan’ny daroka ny masony ka manaraka fitsaboana amintsika miteny izao.

Ny nanaitra tamin’ity tranga ity, tsy nampandre ny mpitandro ny filaminana ireo manodidina raha vao nisy ny kotaba nanelingelina nataon’izy mivady fa ny dina teo amin’ny fiaramonin’izy ireo no nampiharina ka izao niteraka ratra ho an’ny hafa izao.

Nametraka fitoriana eny amin’ny mpitandro ny filaminana noho ny vono nahazo azy i Mamisoa Eddy, izay mpivahiny avy any Fianarantsoa mitady ravinahitra aty Sambava ity.

 

Publié dans Tselatra

Nitrangana fanafihana mitam-basy tao Tanambao 5 Toamasina ny alin'ny talata hifoha androany alarobia tamin'ny iray ora maraina. Telo lahy mitam-basy no nanafika.

Niantso vonjeo ny vehivavy tompon-trano. Nivoaka ny trano saika hamonjy ny tovolahy iray 18 taona tamin'ny trano teo anilany, kinanjo tifitra no nitsenan'ny jiolahy azy. Voa teo amin'ny tanany ary nahazo ny fony ny bala. Maty ilay tovolahy. Naratra voatifitra teo amin'ny tongony ny reniny.

Nentin'ireo jiolahy nataony takalonaina ilay raim-pianakaviana tompon-trano. Lasan'izy ireo ny fahitalavitra "écran plat" sy kojakoja fanamafisam-peo tao an-trano.

Efa eo ampelan-tanan'ny mpitandro ny filaminana ny raharaha, nanokatra fanadihadiana avy hatrany hikarohana ireo olon-dratsy sy hanavotana ilay takalonaina.

 

Publié dans Tselatra

Namory ireo mpianatra rehetra teny amin'ny Grand-Amphi Ambondrona ny solontenam-panjakana eto Mahajanga izay notarihin'ny Préfet Ravelomahay Lahiniaina Fitiavana sy ireo lehiben'ny OMC, nampifanatrika mivantana ny tomponandraikitry ny oniversite sy ny mpianatra ny maraina teo.

Nandritra izany no namakiana ny fehin-kevitra tapaka nandritra ny fivoriana savaranonando natao tao amin'ny Lapan'ny tanàna omaly talata tolakandro. Voarakitra ao anatin'io fehin-kevitra io fa ny volana aprily 2018 vao miverina mipetraka amin'ny trano ny mpianatra, foanana ny fikambanan'ny mpianatra na ny CCE (Conseil Consultatif des Étudiants) na ny BDEUM (Bureau des Étudiants de l'Université de Mahajanga), tsy misy miova ny fanapahan-kevitry ny CODIS ny amin'ireo sazy rehetra ary misokatra ny fifampiresahana.

Publié dans Vaovao

Hivavaka ao amin’ny Eglizy Katolika no nivoahany ny trano ny alahady 28 janoary 2018, vatana mangatsiaka voarasarasa no hita androany, tao anaty ala katsaka tsy lavitra ny fonja eto Ambatoboeny.

Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ilay zazavavy kely. Tsy hita ny tongony sy tanany roa. Miboraka ny tsinainy. Nendahina ny volon-dohany ka navelan’ireo olon-dratsy teo akaikiny teo ihany. Natsentsina tao anaty ny vavany ny takokenatrany.

Efa nisy tranga toy izao teto Ambatoboeny telo volana lasa. Mpianadahy kely indray koa tamin’izay no novonoina tamin’ny fomba feno habibiana.

Miandry ny fandraisana andraikitra avy amin'ny mpitondra ny mponina amin'izao tranga izao.


(Tandremo sary mahatohina)

Publié dans Tselatra

Les employés de Triple A tiennent un sit-in ao Magro Tanjombato Antananarivo ce matin pour réclamer l'ouverture de l'usine Tiko-Triple A, scellée par le Fanjakana depuis mi-octobre 2017 pour non disposition de permis environnemental.

Plusieurs centaines d'emplois sont menacés depuis. Qui vont nous nourrir se demandent les employés.

 

Publié dans A la Une
mercredi, 31 janvier 2018 08:22

Tracé Projet Tramway Mahajanga

Tracé Projet Tramway Mahajanga

Terminus Mazavahuile - Tsaramandroso - Rond point - Avenue de libération - Ziona FJKM Taloha - Derrière stade- Derrière Bonnet - Gendarmerie - Avenue de la République - Quai Vuilemin - Quai Orsini - Avenue Jules Aubourg - Terminus sortie Banque centrale Bord

4350m

Azo hitarina aty Amborovy sy Sotema amin'ny manaraka, fa ho fanombohana azy aloha.
Extension sur Amborovy et Sotema plus tard

Patrick

Publié dans Editorial