Filtrer les éléments par date : mardi, 30 janvier 2018
mardi, 30 janvier 2018 20:56

Toamasina: Nieren-doza ny radio RNA

Nitrangana haintrano teo Tanambao 5 io hariva io. Niainga tao amin'ny trano mifanila amin'ny tranon'i Dadapasy, misy ny foiben'ny radio RNA ny afo ary niitatra tamin'ny tranokely fiandrasan'olona teo amin'ny radio.

Nalaky voafehy ny afo ka tsy niitatra tamin'ny tranobe misy ny radio.
Misokatra ny fanadihadiana hamantarana ny fototry ny loza.

 

Publié dans Tselatra

Notanterahina teny amin’ny Carlton Anosy io maraina io ny seminera lehibe izay andraisan’ireo mpamokatra sy mpanondrana Cacao anjara.

Nanomboka androany faha 30 janoary izy ity ka tsy hifarana raha tsy ny 01 febroary ho avy izao.

Anisan’ny mpiombon’antoka amin’izany moa, izay tarihin’ny mpikarakara ny Conseil National du Cacao de Madagascar, ny ao amin'ny FOFIFA, ny Cirad, ny PIC, ny orin’asa Valrhona, ny groupe Ramanandraibe ary ny Millot.

 

Publié dans Sociale

Le président du Conseil du Fampihavanana Malagasy Maka Alphonse s'est rendu au domicile de l'ancien président Marc Ravalomanana cet après-midi. Aucune information n'a filtré après la rencontre.

Cette rencontre a lieu quelques jours après les désagréables mésaventures pendant le séjour de Marc Ravalomanana dans l'Androy et Anosy.

 

Publié dans Fil info

Misy rahona mipetraka avo dia avo, any amin'ny 10 000m any ho any, ka miteraka glasy izy io satria mangatsiaka tokoa, any amin'ny -15° C any.

Rehefa midona amin'ny ny hazavan'ny masoandro, dia mifampitaratra ireo glasy ireo ka mamorona faribolana manodidina ny tara-masoandro.

Matetika dia amin'ny fotoana mahabe ny masoandro no ahitana azy, iny atoandro iny.

Tsy dia azo lazaina fa hisy orana akory aorian'io satria mila rahona ambany ny orana. Trangan-javatra tsy misy atahorana izy io.

Aty Toamasina dia Faridagnonagna no iantsoana azy, na Halo solaire.

 

Publié dans Tselatra

Hery Rajaonarimampianina s'apprête à nommer son Premier ministre, le quatrième après quatre années au pouvoir.

L’un des doyens du gouvernement qui tient le poste de ministre de l'Économie et de la planification depuis avril 2014, le général Herilanto Raveloharison étant donné favori pour succéder à Solonandrasana Mahafaly Olivier.

 

Publié dans Fil info

Nanoloana ny lozam-pifamoivoizana ka nahafatesana olona roa teo Belobaka manoloana ny masoivohin’ny STAR eto Mahajanga, omaly, dia nitondra fanazavana ny orinasa sady nitondra fampiononana ny fianakavian’ny maty.

Nanambara moa izy fa tsy fiaran'ny orinasa Star io nahafaty olona io, ary raha ny fanadiadiana teny an-toerana hoy hatrany ny fanambarana dia loza vokatry ny olana ara-mekanikan'ny fiara no nahatonga ny loza.

Tsy niresaka kosa izy ny amin'ny hoe, ilay fefy mihoatra ety amin'ny arabe no anisan'ny mampitaraina ny mponina satria mety hitera-doza.

 

Publié dans Tselatra

Miverina ny tsy fandriam-pahalemana eto Antsirabe renivohitr’i Vakinankaratra sy ny manodidina. Tao Ambohimena dia nisy vehivavy maty voatifitry ny jiolahy raha iny izy saika hitsoka kiririoka raha nahare ireo jiolahy nikasa hanafika teo akaikiny.

Fa mihorohoro ihany koa iny ilany andrefan'i Ivohitra sy Fiadanana iny fa miely ny trakta fa hisy jiolahy 160 nampiomana fa hanafika ka mitaintaina ny mponina.

Efa nisy moa ny fepetra noraisin'ny tompon'andraikitry ny filaminana manodidina izany, izay tsy nanamaivana izany.

 

Publié dans Tselatra

La communauté Khoja et toute la famille ont perdu ce matin son président en exercice Mounis Raza Fidahoussen Nourah.

Il est décédé à Antananarivo d'un arrêt cardiaque à l'âge de 52 ans.

Une perte incommensurable pour sa famille ainsi que pour toute la communauté. Un homme ambitieux, déterminé, toujours à l'écoute et prêt à tout pour les jeunes.

Il est le propriétaire de Noor Change à Tsaralalana.

 

Publié dans A la Une
mardi, 30 janvier 2018 12:00

Un sevrage difficile

L’ainé de l’Union Africaine : l’Organisation de l’Unité Africaine(OUA) a vu le jour en 1963 avec 32 Etats et Addis Abeba est désigné comme le siège. Car l’Ethiopie a été le seul Etat du continent à ne pas subir l’infamie de la Colonisation blanche.

En 1991 le traité d’Abuja (Nigéria) prévoit la création d’un marché commun africain avant 2025, le sommet de l’OUA à Syrte (Lybie) lance le projet de l’Union Africaine (UA).

La signature de l’acte constitutif de l’UA a eu lieu à Durban (Afrique du sud) en 2002, l’UA se substitue à l’OUA. A Maputo, capitale du Mozambique, en 2003 a eu lieu la mise en place des institutions de l’UA: commission, parlement panafricain, conseil paix et sécurité.

Publié dans Politique

Somary gaga ihany ny mponina aty Toamasina amin'izao fa misy rahona mainty mandrakotra ny masoandro.

Mifametram-panontaniana hoe ilay setrok'ilay magazay mpitahiry jirofo may aninkeo maraina ve?
Kanefa hafa mihitsy ny fisehony, izay tsy mbola fahita taty Toamasina.

Tsy misy filazana moa avy amin'ireo tompon'andraikitra.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2