Filtrer les éléments par date : lundi, 29 janvier 2018
lundi, 29 janvier 2018 20:03

Météo: Avy be ny orana eto Tana

Avy be ny orana amin'ny faritra afovoany sy aty atsinanana.

 

Publié dans Tselatra
lundi, 29 janvier 2018 19:48

Météo: Il pleut à Tana

Météo: Il pleut à Tana

 

Publié dans Fil info

Nentin-katezerana ny zokiolona manoloana ny fikasan’ity zandriny haka an-tsokosoko ny lavanila, lova navelan’ny rain’izy ireo izay nodimandry ny volana desambra 2017. Nisy ny fifamaliana tao an-tananan’i Marodara Soavinandriana misy azy ireo, ary niitatra tamin’ny fikasihan-tanana sy fifamelezana zava-maranitra izany omaly 28 janoary 2018.

Raha iny nikasa hanindrona antsy ny zandriny iny ilay zokiny, dia ny zava-maranitra teny an-tanan’ny zandriny no tonga aloha. Voapaka teo amin’ny lohany ilay zokiolona, 40 taona. Nifandrombahana nentina namonjy hopitalibe ao Besopaka ity farany saingy adiny iray nitsaboana azy dia namoy ny ainy.

Nandositra avy hatrany ilay nahavanon-doza ka karohin’ny mpitandro filaminana. Nangataka anefa ny Fianakaviana mba tsy ho sazina ny zandriny izay namono fa “fiarovan-tena no nataony”.

Namela kamboty lahy kely vao 4 taona, ilay namoy ny ainy. Notanterahina androany 29 janoary 2017 ny fandevenana ao amin’ny fasan-drazana ao Marodara Soavinandriana.

 

Publié dans Sociale
lundi, 29 janvier 2018 19:04

Sambava: Un Français devenu un SDF

Ce dimanche 28 janvier, Mosimann Jan Heiner est retrouvé à la plage en train de pleurer.

Il a été mis dehors par sa compagne à Antalaha, d'après lui. Il est devenu un sans domicile fixe, et les foroches l'ont encore roué de coups.

Il a rejoint Sambava pour rejoindre une autre femme, mère d'un de ses enfants, mais elle l'a renié également, car elle s'est construite une vie également avec un autre.

Le Commissariat de Police a été averti, et il a pu, d'après lui, parler avec sa famille en France.

Joint au téléphone, la dame qu'il prétend être sa compagne à Antalaha, a effectivement refusé de l’héberger, car il sort tout le temps le soir, alors qu'il est venu chez elle tout seul sans bagage.

 

Publié dans Fil info

Ny alahady 28 janoary 2018 tokony tamin’ny valo alina no nisy olona tsara sitrapo nahita ity teratany Frantsay ity mitomany teny amorontsirak’i Sambava centre.

Nitantara ny nanjo azy Atoa Mosimann Jan Heiner fa noroahim-badiny, izay vehivavy Malagasy monina ao Antalaha izy ka lasa nirenireny ary mbola nisy nanendaka sy nidaroka tany an-toerana ihany koa, ka naratra ny faritry ny masony.

Niezaka niala tao Antalaha izy ka nandeha teto Sambava handeha hitady ny renin-janany iray, izay efa niterahany vavikely manodidina ny 8 taona eo fa “tsy nety nampandroso” azy ihany koa ity farany ity satria “efa misy lehilahy Malagasy miaraka aminy ao” hoy izy hany ka lasa natory tany amoron-dranomasina no niafarany nandritra ny alina.

Publié dans Vaovao

« Il y a une volonté manifeste de l’Union Africaine à lutter contre la corruption ».

Le 30ème sommet de l’Union Africaine a débuté ses travaux à Addis Abéba, ce 28 janvier, sur la lutte contre la corruption, lequel sera d’ailleurs le thème majeur de l’UA durant cette année 2018.

« Gagner la lutte contre la corruption : un chemin durable vers la transformation de l’Afrique », à propos de ce grand dossier, le Président de la République de Madagascar, Hery Rajaonarimampianina, a déclaré, dans une interview pour la télévision marocaine, à l’issue de la séance d’ouverture, qu’il existe aujourd’hui un engagement et une volonté de l’Union Africaine à lutter contre la corruption.

Publié dans Sociale

Mitangorona amin'ny faritra antsinanana ny Malagasy.

Rehefa jerena ny fivangongon'ny mponina dia hita fa mirona betsaka aty amin'ny afovoantany, mihilana any atsinanana avokoa ny mponina.
Efa mahatratra 60 olona isaky ny km² ny afovan-tany, ary 20-60 olona isaky ny km² amin'ny atsinanana.

Ny fambolena malagasy dia miankina betsaka amin'ny orana latsaka, satria tsy manana fotodrafitrasa hifehezana sy andrindrana ny rano, ka dia manantona ny faritra misy rotsak'orana hatrany ny Malagasy. Manorana hatramin'ny 3500mm/taona amin'ny faritra atsinanana, raha 600-400mm/taona fotsiny aty andrefana sy aty atsimo, ka dia mipetraka amin'iny faritra mora ambolena sy hiompiana avokoa ny Malagasy.

Ankoatran'ny politika hisarihana ny mponina hifindra aty andrefana, dia azo ampiasaina tsara izany ny canal des Pangalanes, izay canal lehibe namboarina tamin'ny taona 1896-1901.

Publié dans Editorial

L’épouse de Alain Ramaroson et ancienne ministre de la Population et des Affaires sociales sous la Transition est appelée à la Présidence de la République où elle rejoint le cercle restreint des conseillers du Président.

 

Publié dans Fil info

Hapetraka amin’ny volana aprily 2018 ny vato fehizoron’ny asa fanatanterahana io “Vina 2025” io, izay vatsian-dry zareo Japoney vola.

Nambaran’ny Tale jenerain’ny Seranan-tsambon’i Toamasina Avellin Eddy Christian fa ny taona 2021 dia efa azo hampiasaina ny ampahany voalohan’ny asa vita, ka isan’izany ny “Mole C3”. Mirefy 470m io fiantsonan’ny sambo io, 16m ny halalin’ny ranomasina eo aminy. Hisy koa toerana malalaka manana velarana 10Ha fametrahana kaontenera sy entana samihafa.

Raha ny 3/4 ny harinkarena anatin’ny firenena no miankina amin’ny seranan-tsambo izao, dia hitombo avo roa na telo heny izany amin’izao fanitarana ny seranan-tsambo izao, noho ny Spat manana toerana stratejika aty amin’ny fari-dranomasina Indiana sy aty Afrika Atsinanana amin’ny fitaterana an-dranomasina.

 

Publié dans Economie

Fiarabe iray mpitatitra vato no nanana olana mekanika, tapaka “rotule” tampoka nanoloana ny orinasa Star teny Belobaka ka nanitsaka vehivavy roa nandeha tamin'ny arabe. Maty tsy tsa-drano ny ramatoa iray izay manodidina ny 35 taona, raha tonga tany amin'ny hopitaly Loterana kosa no namoy ny ainy ny iray faharoa.

Ankoatra ny olana ara-teknika nahazo ilay fiarabe, anisan'ny niteraka ny loza ihany koa ity fefy lehibe an'ny orinasa Star ity izay manarona tanteraka ny sisin-dalana. Misy ny fanamboarana “parking” ataon'izy ireo izay maharitra telo volana izay tsy mifarana raha tsy ny volana martsa 2018 izao.

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2