Filtrer les éléments par date : jeudi, 25 janvier 2018

Velon’ahiahy ireo mpanety ao amoron’ny ranon’Anosy Antananarivo fa hesorin’ny fitondrana eo an-toerana fa manelingelina ny fanamboarana zaridaina. Nomena baiko hiala izy ireo fa tsy misy lalana halehan’ny fiarabe mpitatitra fasika sy vato ka tsy maintsy ravana.

“Pavillon” miisa 29 no miorina eo, misy mpanety 33 izay efa nisy niasa teo nandritra ny 30 taona. Nilaza ireto farany fa tsy mbola nisy fanjakana nijoro nieritreritra ny hanala azy ireo teo amin’io toerana io raha tsy izao. Sahiran-tsaina ireto mpanety ireo, fianakaviana maro no velomin’io asa fihariana io, nefa ho very asa hampitombo isa ny tsy an’asa.

 

Publié dans Tselatra

Costa Neo-Riviera est le deuxième bateau de croisière qui a touchée Nosy-Be et y reste pendant deux jours. Le navire quittera Hell-Ville demain vendredi soir vers 19h30.

 

Publié dans Fil info

Teo amin’ny fidinana Ambalabako, misy “gare routière” no nitranga ny loza androany tamin’ny fiandohan’ny tolakandro.

Zazavavikely iray tokony ho sivy taona eo, handeha hamonjy fianarana, nizotra teny amin’ny sisin-dalana, no nofaohin’ny fiarabe nitondra vato malao tapaka hisatra teo ampidinana.

Voadona teo amin’ny lohany sy ny vatany ilay zaza ka maty tsy tra-drano. Nosokirana tao ambanin’ilay kaomiao mihitsy moa ny vatana mangatsiakan’ilay zaza.

Zaza mipetraka amin-drenibeny ity namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana ity. Mianadahy izy ireo, ary any Ampitandrefana ny ray aman-dreniny.

Fanindroany tamin’izao io kamiao io no nitera-doza. Nandona ka nanimba fiara tamin’ny tranga voalohany, izao namono olona izao ny faharoa.

 

Publié dans Vaovao

L'Ambassade de Madagascar à Paris, le site et le téléphone n'est plus accessible, ne répond pas aux mails, ni courriers. Nos compatriotes Malagasy en France se disent fatigués de notre Ambassade.

 

Publié dans Fil info

Le président de la République a désigné mercredi un nouveau membre de la Haute Cour Constitutionnelle pour occuper le siège laissé vacant après la mort, dix mois passés, d’une haute conseillère.

Madame Rabetokotany Tahina est désignée en tant que membre de la Haute Cour Constitutionnelle au titre du Président de la République.

Selon une indiscrétion, le Chef de l’Etat aurait à choisir entre plusieurs noms dont Andry Rabarisoa, le directeur de cabinet de la ministre de la Justice Rasolo Elise Alexandrine, qui part en favori, mais suite à cette affaire Houcine Arfa qui risque de ternir l’image du régime, son choix s’est porté sur la juge Rabetokotany Tahina.

 

Publié dans Politique

Enlevé de force à Antanimena, le soir du mercredi, 17 janvier 2018 à Antanimena-Antananarivo en face de l'immeuble Pradon, le sexagénaire est toujours entre les mains des ravisseurs. La famille s'inquiète de sa santé.

 

Publié dans Fil info
jeudi, 25 janvier 2018 13:01

Arfagate : No comment

Arfagate : No comment

Publié dans Fil info

Harato kely maso ny ramikaoko. Mitandavana aman-jato metatra. Vatan-dehilahy any amin’ny 20 eo no miaraka misintona tsikelikely ary manao miara-mamindra any anaty ranomasina, ka izay zavatra rehetra tafiditra ao anaty faritry ny harato iny dia voaraoka avokoa hatramin'izay kely indrindra.

Voararan’ny lalàna anefa ny fampiasana ny harato ramikaoko. Ny zavatra hita teto Sambava Centre tsy lavitra ny biraon’ny Kaominina androany anefa dia samy manao izay hitany fa mety hahasoa azy.

 

Publié dans Economie

Ces employés de la société Sûreté Aéroportuaire de Madagascar (SAMADA) et manutentionnaires travaillant à l’aéroport international d’Ivato seraient impliqués dans le vol de vanille conditionnée de plus de 10kg en fret.

 

Publié dans Fil info

Raha noheverina ho nofinofy fotsiny ireny sarimehetsika James bond ireny teo aloha, dia ankehitriny efa mihazakazaka be ny fandrosoana, indrindra fa ny resaka teknolojia.

Ankehitriny dia efa maro ireo fiara no mahay manao créneau, na ilay biby fampitahorana irony mpanala permis, miditra manao parking eo anelanelan'ny fiara roa, ka dia alahatra eo fotsiny ny fiara, dia potserina ny bouton, dia izy irery no manao ny rehetra.

Efa feno ihany koa ireo fiara no misy rétroviseur sy camera isan-tokony, ka raha vao misy fiara hafa manakaiky loatra, na misy olona manapaka tampoka, dia maneno ny Bip anaty fiara, eny misy mihitsy aza no tonga dia izy no mandray an-tanana ny fiara ka manajanona azy.

Publié dans Sociale
Page 1 sur 2