Filtrer les éléments par date : samedi, 09 septembre 2017

Le président de la République Hery Martial Rajaonarimampianina a inauguré un mois de cela la réhabilitation d’une portion du chemin de fer Tananarive-Côte Est (TCE) détruite par le passage du cyclone Enawo. Ces dégâts cycloniques ont isolés les populations de Lohariandava, Razanaka, Fanasana et Anivorano Est qui dépendent totalement de cette ligne TCE.

Un des 147 ponts ferroviaires a été entièrement mis hors d’usage par le cyclone au mois de mars dernier interrompant ainsi le trafic ferroviaire. Durant environ 5 mois, les habitants le long de la voie ferrée devaient parcourir plus d’une trentaine de kilomètres à pieds afin de rejoindre la route nationale (RN2) reliant Antananarivo à Toamasina, pour évacuer à dos d’hommes les produits de leur labeur ou pour rejoindre un hôpital.

La reconstruction du pont a été financée sur fonds propres de l’Etat pour un montant de 2 milliards d'Ariary, et les travaux ont été réalisés par la société OTI (Ouvrages et Travaux Industriels), en relation avec le Ministère des Transports et de la Météorologie.

Publié dans Editorial

Anisan’ny fivelomana azo atao ihany koa ny Manety volo, ity lehilahy ity izao dia mahavelona azy sy ny vady aman-janany ny asa manety volo .Manodidina ny iray alina isan’andro eo ny azony amin’izany ary mihoatran’ny roa alina ariary izany rehefa tena mandeha.

Mampiasa alikaola izy rehefa manadio ireo fitaovana ampiasainy ary manolo lalandava ny lame isaky ny olona mihety ao aminy.

Afa-po ireo mpanjifa satria dia mirary ny saram-pihetezana ary voakaly tsara ny asa ary azo lazaina fa madio sy manara-dalana ireo fitaovana ampiasaina.

Arivo ariary dia efa mihety ary diman-jato sy arivo kosa raha miaraka amin’ny volom-bava.

 

Publié dans Economie
samedi, 09 septembre 2017 17:03

Tsimbazaza: Mpanao gazety Zokiolona

Notontosaina omaly zoma 08 septambra tetsy amin’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza ny fihaonan’ireo Mpanao gazety Zokiolona izay narahina fampirantiana sy fampahafantarana ireo asa sy zava-bitan’izy ireo.

Nitarika izany moa ny fiolahan’ny Mpanao gazety Zokiolona ANDRIAMORASATA Solo Norbert.

 

Publié dans Sociale

Fiarovana tombotsoan'olontokana no andraisan'ireo mpivarotra eny Tanambao Sotema ny fanesorana azy ireo amin'ny toerana ivarotany ary nandrodanana ireo pavillon fivarotana ny marainan'ny sabotsy 9 septambra 2017.

Naharay taratasy fampilazana avy amin'ny Kaominina ambonivohitr'i Mahajanga izy ireo omaly ny amin'ny tsy maintsy hialana eo amin'io toerana io ao anatin'ny 24 ora, ary izao niafara tamin'ny fandrodanana izao.

Misy ny disadisa eo amin'ireo mpivarotra sy ny teratany karana tompon'ny tany ao ambadik'io toerana nanesorana ireo mpivarotra io. Efa voafaritra mazava amin'ny tambohony ny tanin'ilay karana kanefa noterena nesorina teo ireo mpivarotra.

Publié dans Vaovao

Dahalo raindahiny nandravarava amin'iny faritr'i Ihorombe iny i Kohigny. Hatao amin'ny 15 septambra eto Ihosy ny fitsarana azy.

 

Publié dans Tselatra

Ny tolakandron'ny zoma 08 septambra no niseho ny loza tao Ankingamolotra. Olona miisa valo no nentiny, ankoatra ny entana. Avotra ny enina, mbola karohina kosa ny roa.

Avy any Ampasibe Analalava hiazo an'Antsohihy ity lakana ity no tra-doza vokatry ny rivotra mahery fitsoka.

 

Publié dans Tselatra

Tontosa ny zoma 08 septambra teto Antsohihy ny fitsarana an'i Arif Djo, ilay karana voampanga ho namono nahafaty ny vady an-defomandriny Sahouna Salim Mamod, ny 31 desambra 2016.

Nanomboka tamin'ny folo ora maraina ny raharaham--pitsarana ary tsy vita raha tsy tamin'ny valo ora alina. Nilatsaka ny didy manasazy azy, folo taona an-tranomaizina, dimy taona tsy mandia faritra miampy onitra 25 tapitrisa Ariary.

Vono sy ratra niniana natao, nitarika ny fahafatesam-badiny no vesatra nanenjehana an'i Arif Djo, izay rahalina mpanolontsaina minisitra iray HVM. Narahin'ny olona maro teto Antsohihy ity raharaham-pitsarana ity.

 

Publié dans A la Une
B1 - Polyclinique
B2 - Toa