Filtrer les éléments par date : jeudi, 07 septembre 2017

May kila forehitry ny afo ny tokantranon’ity vehivavy mitsabo olona amin’ny alalan’ny tromba izay mipetraka aminy. Raha mbola miantsoantso mafy ny anaran’ireo hery tsy hita maso izy dia indreo fa nitsemboka ny trano ary vetivety dia nirehitra no sady tsy voatazona ihany koa fa nifindra tamin’ny trano mifanila aminy teo.

Afo nolalaovin’ny ankizy tao an-dakozia no ahiahina ho nahatonga izao famaizan’ny trano tao Farafangahely kaominina Anjagonoveratra izao.

Ny tena nanaitra ny olona anefa dia tsy ny entana may sy rava no tena nampitomany an’ilay vehivavy fa ireo lamba fiasana tromba maro karazany, satria mbola tsy fantany hoy izy inona no sazy hiandry azy avy amin’ireo ?

 

Publié dans Vaovao

Naverin’ny Fitsarana eny am-ponja ilay mpamily Bajaj nifamely totohondry tamin’ny Polisy Monisipaly Sambava ny 22 aogositra 2017, izay nigagam-bahoaka.

Niakatra Fitsarana tao amin’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Antalaha moa ity raharaha ity androany, ka nanapa-kevitra ny Fitsarana fa hahemotra amin’ny alatsinainy 11 septrambra ho avy izao indray ny fitsarana, ka naverina any am-ponja ilay mpamily.

 

Publié dans Tselatra

Niakatra teo anivon’ny Fampanoavana Toamasina androany maraina ny raharaha mahakasika ny fandorana ny efitranom-pitsarana faha-2 ny Fitsarana ambony ampiasain’ny Fitsarana ambaratonga voalohany eto Toamasina, ka izay nahamay ny sezan’ny filohan’ny Fitsarana sy ny sainam-pirenena Malagasy.

Hentitra tamin’ny fanenjehany an’ingahy Razafinantenaina Niola nahavanon-doza ny Fampanoavana, ka tsy nilefitra tamin’ny didy savaranando navoakany ka mamonja vonjy maika azy am-ponja, izany hoe nanara-dia ilay sakaizany ao Ambalatavoahangy i Niola.

Salama saina tsara ity tovolahy 23 taona ity, ary vory saina tsara izy tamin’ny fihetsika nataony. Ny fahatezerany tamin’ny fanemorana ny fitsarana ny sakaizainy, tokony efa natao ny talata teo no nitarika azy nanao izao heloka “be vava” izao.

 

Publié dans Vaovao

Hita faty androany maraina teo ilay tovovavy, 20 taona, nanao fety mariky ny fahafahany Bacc niaraka tamin’ireo namany omaly hariva. Mbola avy tany ampiangonana izy omaly hariva dia taorian’izay vao nandeha namonjy ny lanonana. Tsy fanaony anefa ny mandeha mandra-maraina hoy Ranasy, reniny.

Nony maraina ny andro dia fampilazana no nanaitra fa maty mihohoka anaty lakandrano i Ladou, mpianatra tao amin’ny sekoly tsy miankina Soafaniry Maroantsetra. Nandeha ny ahiahy fa niharan’ny fanolanana izy ary efa tsy nahitana lamba ny tapany ambany.

Efa noraisin’ny mpitandro filaminana aty an-toerana ny fanadihadiana lalina momba izany ary efa karohina ny namany izay niantso azy farany nialohan'ny nialany trano handeha hamonjy lanonana.

 

Publié dans Tselatra

Nisy fianakaviana naka razana hafindra any amin'ny fasan-drazan'izy ireo teny amin'ny fasam-bahiny La Corniche ny tolakandro teo. Araka ny fomba amam-panao, tsy maintsy dorana ny vata-paty avy nisy ny razana nilevenany tao, ary soloina vaovao hitondrana azy entina hafindra.

Publié dans A la Une

Teny amin'ny Bord de la mer nanoloana ny APMF na ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy no nahitana ny vatana mangatsiakan'ilay tovolahy dobo an-dranomasina teny amin'ny “Village touristique” omaly atoandro. Vedety nanao fikarohana no nahita ny razana natsingevan'ny rano ny tolakandro teo.

Eny amin'ny biraon'ny TVHFB (Tanora Vonona Hampandroso ny Faritra Boeny), eny Ampasika, no miandry ny fiara hitondra ny razana sy ny fianakaviana avy any Antananarivo, ireo ekipa niaraka taminy taty Mahajanga. Ary anio alina ihany no hiala aty Mahajanga ny faty.

Somary efa simba ny razana izao hita izao, ary efa tsy hita ihany koa ny masony.

 

Publié dans Tselatra

Sipan'ny reniny ihany no nanampatra ny habibiany tamin'ity zazavavikeky vao 03 taona monja ity, ny 01 septambra lasa teo.

Teny an-dalana hihazo an'i Mahajanga no nanamparany ny filany raha iny nijanona teny Ambovondramanesy iny ny fiara nitondra azy ireo.
Tsy salama ny renin'ilay zaza, izay nipetraka teo amin'ny seza anoloan'ilay fiara, ka ilay rangahy no nitondra ilay zaza nivalan-drano ary tany no nanararaotany nanolana ilay zaza, izay nentiny niaraka lavitra mihitsy.

Tsy nisy nahatsikaritra ny zava-nisy raha tsy ny alin'io efa tonga taty Mahajanga vao nitaraina tamin'ny reniny ilay zaza fa misy marary ao amin'ny fivaviany. Nanomboka tamin'io no tsy hita ilay rangahy ary mbola karohin'ny mpitandro ny filaminana.

Fianakaviana sahirana ity niharan'ny fanararaotana ity ka tsy nahalala ny toerana tokony hanatonany, hany ka omaly vao nahazo fitsaboana sy fandraisana an-tanana eny amin'ny Centre Vonjy eny amin'ny hopitalibe Androva ilay zaza.

 

Publié dans Tselatra

Fijaliana ny an’ireo mpandehan’ny kaompania Air Madagascar nividy tapakila teto Toliara, tokony hiazo an’i Tolagnaro omaly alarobia.

Nilaza ity kaompaniam-pitaterana ity fa misy fiovana ny sidina ka mandeha any Antananarivo aloha ireo mpandeha ireo ka raisin’ny Air Madagascar ny fiantranoan’izy ireo mandritra ny alin’ny alarobia io.

Gaga ireo mpandeha nony tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato fa mihidy avokoa ny birao izay voalaza fa hamantanan’ireo mpandeha ka tokony hikarakara azy ireo. Nisy zaza menavava mbola enim-bolana anefa tamin’ireo mpandeha ireo.

Efa tamin’ny 11ora alina ireo mpandeha ireo vao nampidirina tamina hotely teny Talatamaty, ary androany alakamisy atoandro vao nandeha ny sidina niazo an’i Tolagnaro.

 

Publié dans Tselatra

Toerana roa no nitrangana haintrano teto Manakara halina. Nisy teo Ambalafary Gara izay nahamaizana trano miisa dimy, nisy roa kosa voatery narodana tsy hitaran’ny afo. Olona miisa 19 no tsy manankialofana vokatr’io loza io.

Teo Ambodivolo Manakara Be indray dia nisy 26 ireo trano kilan’ny afo ary olona zato eo no tsy manankialofana. Maro ny entana sy fananana levon’ny afo, toy ny fitaovam-pianarana hanomanana ny fidiran’ny mpianatra sy ny sakafo, tsy nisy kosa ny aina nafoy.

Nifanome tanana ny vahoaka sy ny miaramila tamin’ny famonoana ny afo.
Miantso ny rehetra sy ireo malalan-tanana mba hifanampy amin’ny fanampiana ireo traboina ny Ben’ny Tanànan’i Manakara, Andriano Giscard.

 

Publié dans Tselatra
B1 - Polyclinique
B2 - Toa