Filtrer les éléments par date : mercredi, 06 septembre 2017

Naheno loharanom-baovao ny Zandary teto Vangaindrano ny alahady 03 septambra teo fa nisy olona nitondra volabe tsy mazava amin'ny lalam-pirenena faha-12A avy any Tolagnaro iny.

Nidina avy hatrany ny Zandary ka sarona ilay fiara tsy mataho-dalana miloko mavo ary nahitana vola manodidina ny 765.000.000 Ariary tsy misy taratasy.

Lazain'ireo olona tao anaty fiara fa volan'ny orinasa Telma atao M'Vola rehefa natao famotorana. Avy eo nivadika fa vola homena an'ireo mpamendraka ody moka ka ho zaraina amin'olona miisa 5.000 ao Vangaindrano, Farafangana ary Vondrozo ka nalaina tany amin'ny banky foibe tany Tolagnaro.

Nangatahin'ny Zandary ny antotan-taratasy momba izany fakana vola izany fa tsy nisy. Tonga dia niantso tomponandraikitra ambony tao amin'ny Zandarimariam-pirenena ilay olona ka nahazo baiko ireo Zandary tao Vangaindrano hanao « escorte » an'io vola io tany Mananjary ka Zandary ampolony no nanatitra izany.

Publié dans Sociale

Nampafantarina tetsy amin’ny hotel Colbert Antaninarenina ireo Atleta handray anjara amin’ny marathon international de Tana andiany faha 17 izay hatao amin’ny faha 14 sy 15 oktobra ho avy izao, izay hiainga eny amin’ny Parvis lapan’ny Tanana Analakely.

Anisan’ny Atleta handray anjara amin’izany I ANDRIAMPARANY Fenosoa Harivelo Hajanirina, izay avy ao amin’ny COSFA, i RATIANARISOA Landinirina COSPN ary RATSARARAY RASAMIMANANA Solomon izay avy ao amin’ny ASCU.

Ny WTC moa no mikarakara ity lalao ity eto Antananarivo ary efa manomboka ny fisoratana anarana amin’ireto toerana ireto
VIMA Ankorondrano, FMA Stade Alarobia, ORTANA Jardin Antaninarenina.

 

Publié dans Sport
mercredi, 06 septembre 2017 21:17

IARA- Vangaindrano: Fahafatesana mampiahiahy

Mahalasa saina ny maro ny trangan-javatra ao amin'ny Kaominina ambanivohitr'i Iara ato amin'ny Distrikan'i Vangaindrano tao anatin'ny roa taona izay satria dia matetika misy ny fahafatesana eo amin'ireo tomponandraikitra ara-panjakana ao an-toerana.

Telo volana taorian'ny nahavoafidy azy, ny Ben'ny tanana lanim-bahoaka tao dia nindaosin'ny fahafatesana. Afaka fotoana elaela taty dia nisy PDS voatendry ka tsy ampy telo volana ny nahavoatendry azy dia nodimandry ihany koa.

Izao indray ny sabotsy hifoha alahady 03 septambra teo dia ny lehiben'ny Boriboritany ao amin'io Kaominina io indray no nindaosin'ny fahafatesana, nefa vao efa-bolana no nahatongavan'io niasa tao.

Asa na fifandrifin-javatra na loza efa ho avy fa dia tsy mazoto ireo solontenam-panjakana hapetraka any manoloana ireo tranga ireo.

 

Publié dans Sociale
mercredi, 06 septembre 2017 21:10

Asa tanana: Fanamboarana Fitombo-kase

Anisan’ny asa tanana efa be mpanao ny asa Fitombo-kase na ny (cachet). 

Efa maro ireo manao ity asa tanana ity ka tsy dia mandeha loatra ny fidiram-bola araka ny filazan’ity lehilahy iray mpanao cachet etsy Antaninarenina ity, matetika aza dia miantso ireo olona mandalo hanao na hividy izany izy ireo.

Dimy arivo ka hatramin’ny dimy arivo sy iray alina eo ny manao izany, misy ireo manao commande ary anisan’izany ireo orin’asa lehibe.

Manodidina ny totohabaton’Antaninarenina sy andohan’Analakely no ahitana azy ireo.

Publié dans Art et Culture
mercredi, 06 septembre 2017 20:13

Juges audacieux

« La grandeur d’une Nation réside dans sa fidélité à la Constitution, dans le strict respect de la loi, et surtout dans la crainte de Dieu », a déclaré le président de la Cour Suprême du Kenya, David Maraga. Et ce à la suite de la décision historique du 1er septembre, en annulant les élections présidentielles du 08 août dernier et ordonnant la tenue de nouveau scrutin dans les deux mois.

Cette décision est consécutive à la saisine par l’opposant Raila Odinga qui dénonce des irrégularités durant le scrutin. Ainsi la plus haute instance judiciaire kenyane invalide la réélection du président sortant Uhuru Kenyatta.

A la question de savoir si les élections ont été tenues dans les termes de la Constitution, la majorité des juges (5 sur 7) ont répondu par la négative. Ils considèrent que les irrégularités exposées par l’opposition ont eu un impact sur le résultat de l’élection. Ces résultats sont donc nuls et non avenus.

L’élection présidentielle avait été remportée par le chef de l'Etat sortant Uhuru Kenyatta avec 1,4 million de voix d'écart soit 54,27 % des suffrages contre 44,74 % pour Raila Odinga. Après l’annonce des résultats le 11 août des émeutes sont apparues, notamment dans les bidonvilles de Nairobi et à l'ouest du pays, réprimées violemment par les forces de l’ordre. Un bilan révèle un nombre de 30 morts et des centaines de blessés surtout dans les faubourgs de Nairobi.

Publié dans Editorial
mercredi, 06 septembre 2017 20:00

Tanjombato: Foire interantionale de l'agriculture

Ho tanterahina amin’ny 14 septambra ho avy izao eny amin’ny FORELLO EXPO Tanjombato ny FOIRE INTERNATIONALE DE L’AGRICULTURE izay tsy hifarana raha tsy ny 17 septambra ho avy izao.

Andiany voalohany izy ity, izay karakarain’ny Ministera fambolena sy ny fiompiana ary ny Agence Première ligne.

Izy ity dia natao mba hivondronan’ireo mpandraharaha indrindra mahakasika ny fambolena.

 

Publié dans Economie
mercredi, 06 septembre 2017 19:01

Ranohira: Dinika momba ny Dinan'Ihorombe

Notanterahina mandritra izao andiany faha-9 amin'ny Festival Karitaky izao ny kaondoha momba ny Dina mihatra aty Ihorombe.

Ny lehiben'ny Fokontany tsirairay avy dia tokony hahalala ny isan'ny basy ao amin'ny toerana iadidiany. Izany no santionan’ny adihevitra nipoitra tao anatin’ny fifanankalozana.

Nametraka ny Ben’ny Tanànan’i Ranohira izay nitarika ny adihevitra fa ny Dinam-pokontany no tsara hamafisina mba ahafahana miady amin’ny tsy fandriampahalemana amin’ny fomba mahomby. Tsy tokony ifampiandrasana ny fampiharana azy, raha toa ka tandrify izany fahefan’ny Fokontany izany ny zava-miseho, hoy ihany izy.

Publié dans Vaovao
mercredi, 06 septembre 2017 18:54

HVM: Vakiana fotsiny ny tetika apetrany

Nivory tetsy amin'ny foiben-toerany etsy Antanimena omaly ireo lohandohany ao amin'ny antoko HVM, izay notronin'ireo mpikambana ao amin'ny governemanta marobe, notarihan'ny praiminisitra Olivier Solonandrasana Mahafaly.

Marina fa tsy misy lalàna mandrara izany amin'izao, fa efa hita taratra eny izany fa na ny minisitry ny atitany izay sady praiminisitra, miadidy ny pitsopitsony rehetra momba ny fifidianana dia efa mampiseho mazava ny fitanilany, na dia lazaina moa fa ny CENI no mikarakara ny fifidianana.

Nolazain'i Rivo Rakotovao lehiben'ny HVM moa fa tsy matahotra hifanandrana amin'ny Kandida iza na iza ry zareo, ary manamafy fa Hery Rajaonarimampianina no kandida n'ny HVM. Namafisiny omaly talata 05 septambra ihany koa, fa mahazo milatsaka ny rehetra, raha mahafeno ny fepetra sy madio ny Casier judiciaire, sy ireo fitsipika fehezin'ny lalàna. Dia vakiana fotsiny hoy ny tanora ny tian'ny HVM ahatongavana.

Publié dans Politique

Zazalahy 15 taona no naletiky ny ranomasina io atoandro io teny amin’ny Village Touristique Mahajanga. Mpiala sasatra avy any Antananarivo izy io ary hamonjy lalao baolina kitra “Tournoi Danji” no nahatongavany aty Mahajanga.

Fito mirahalahy izy ireo no niaraka nilomano ka ny iray mbola tadiavina ao anaty ranomasina amin’izao fotoana izao.

 

Publié dans A la Une

Mbola Bajaj indray ity potika tanteraka ity noho ny fisetrasetrana, sady efa nisongona anaty fiolahana no mbola mangalatra ankavanana ny mpamily ihany ka tsy nijanona raha tsy tany amin'ilay hady kely teo antsisin-dalana, rehefa niala satria saika nifandona tamin'ny Bajaj hafa.

Teo amin'ny Pont FITIM – Mahajanga no nisehoan'io lozam-pifamoivoizana io ny maraina teo tokony ho tamin'ny 10 ora sy sasany. Naratra ny mpamily ary soa ihany fa tsy nitondra mpandeha.

Misy hatrany ny lozam-pifamoivoizana manodidina io toerana io isan-kerinandro ary saika Bajaj sy moto hatrany no mitera-doza.

Amin'ny ankapobeny, na fisetrasetrana na fahamamoana sy tsy fanarahan-dalàna no mahatonga ny loza. Ankavitsiana amin'ireo loza ireo no vokatry ny olana ara-teknika.

 

Publié dans Vaovao
Page 1 sur 2
B1 - Polyclinique
B2 - Toa