Filtrer les éléments par date : mardi, 05 septembre 2017

Olana goavana sedrain'ireo mpianatra vao avy nahavita fianarana ny fitadiavana asa, noho ny tsy fisian'ny tolotr'asa mifanaraka amin'ny mari-pahaizana ananan'izy ireo na ny fepetra apetrak'ireo orinasa izay tsy mifanaraka amin'ny fahaiza-manao ananan'ireo mpianatra.

Ho famahana ny ampahany amin'io olana io, dia nanasonia fifanaraham-piaraha-miasa ny oniversiten'i Mahajanga sy ireo mpandraharaha mivondrona ao amin'ny Tranoben'ny varotra sy ny indostria aty an-toerana. Izany no natao mba ahafahana manone lanja ny fikarohana sy ny voka-pikarohana nataon'ireo mpianatra sy mpikaroka eny anivon'ny anjery manontolo.

Publié dans Sociale

Nitrangana lozam-pifamohivohizina an-dranomasina androany talata 05 septambra maraina taty avaratra atsinanan’ny Nosy. Lakana motera iray no navadiky ny onjan-dranomasina raha iny hikasa hiditra an’i Maroantsetra.

Raha ny tarehimarika vonjimaika voaray dia efatra tamin’ireo olona tao anatiny no namoy ny ainy ka zaza ny iray, misy olona telo mbola karohina. 12 kosa no avotra ary efa tafakatra an-tanety.

Lakana niainga avy tany Navana andeha aty Maroantsetra androany maraina io ary mbola vaovao fa nony tratry ny tafio-drivotra mafy dia nivadika.

 

Publié dans Tselatra

Voasambotra tany Betsako ilay rangahy nahavanon-doza nandoro ny tranony teny Tsararano Anosikely ny alin’ny sabotsy 2 septambra, ary natolotra ny fitsarana androany ihany. Efa naiditra amponja vonjimaika kosa ny vadiny izay mpiray tsikombakomba taminy.

Zazavavy efatra taona no namoy ny ainy, kilan'ny afo tamin’io haintrano io vokatry ny adin’izy mivady. Ilay rangahy no nandoro ny trano ary nitsoaka nony avy eo dia izao tratra izao.

 

Publié dans Tselatra
mardi, 05 septembre 2017 19:20

Ihorombe: Festival KARITAKA andiany faha-9

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny marainan’ity talata 05 septambra ity ka hitohy hatramin'ny sabotsy ho avy izao ny hetsika mampiavaka ny kolontsaina Bara antsoina hoe: Karitaka.

Nampahafantarina tao anatin’ny fandaharam-potoana ny drafitr’asa fampandrosoana ny Kaominina ambanivohitr’i Ranohira izay niarahana namolavola tamin’ireo tetikasa miasa aty an-toerana.

Dinihina ny tolakandro kosa ny dinan’Ihorombe. Ankoatr’izany dia tanterahina ao an-tanana mandritra ny efatra andro ny lalao ara-panatanjahantena sy ny fampisehoana takalo ara-javakanto.

Publié dans Art et Culture
mardi, 05 septembre 2017 19:19

05 septembre

Journée internationale de la charité.

 

Publié dans Fil info
B1 - Polyclinique
B2 - Toa