Filtrer les éléments par date : lundi, 04 septembre 2017

Nihanika varavarankely ilay zazavavy raha iny variana miresaka any ivelan’ny trano sady maka rivotra iny ny tompontrano tao Analapenja Fokontany Antanifotsy 2 androany alatsinainy 04 septambra.

Nosavasavainy avokoa ny poketra sy kitapo, ka firavaka iray no hitany. Noraofiny koa dibera teo ambony latabatra.

Niditra tampoka anefa ny tompontrano dia akory ny hatairana nahita olona tao an-trano ka niantso vonjy fa misy mpangalatra.

Publié dans Vaovao
lundi, 04 septembre 2017 18:52

Didier Ratsiraka: Salama tsara

"Mbola tsara ny Amiraly sy ny AREMA" hoy ny hafatra.

 

Publié dans Tselatra

Tamin'ity taona ity indray vao nisy ny fitsarana miaramila teto Madagasikara. Nanomboka tamin'ny korontana ny taona 2009 no tsy nisy intsony ny fitsarana miaramila noho ny tsy fisian'ny tetibola natokana ho an'izany izay natontona tany amin'ny fampandriana fahalemana avokoa raha ny fanazavana.

Anjaran'ny Distrikan'i Mahajanga I nanomboka androany 04 septambra 2017 ary aharitra 3 andro, mifarana ny alarobia izao.

Singa iray tsy maintsy ilaina amin'ny fikarakarana atontan-taratasy ny nanaovana fitsarana miaramila ka io no antony nanosika ireo tanora hanao izany raha nanontaniana.

Maherin'ny 200 ireo tonga teny amin'ny CEG Charles Renel ny maraina teo, izay andro nanombohana ny teto Mahajanga.

Publié dans Sociale

Tao Andamoty Avaratra, Kaominina Farahalana – Sambava no niseho ity tranga ity ny sabotsy 02 septambra 2017 teo. Tsy afaka ny olona tena nahazo fanasana izay any Antalaha fa nandefa solontena.

Nahiahiana ho mpitsikilo na koa mpanendaka io solontenan’ny mpampiasa azy io nony tonga tao amin’ilay lanonana, ka niharan’ny daroka sy vono tsy nisy alaharo nataona Ben’ny Tanàna.

Nifampisintomana ny kitapo babena teny amin’ilay rangahy solontena. Taorian’izay dia nosavaina teo imasom-bahoaka, ka valopin’ny fanasana nandoavana 60.000 Ariary izay nanirahana azy no tao anatiny sy vola taratasy.

Publié dans Vaovao

Fin de cavale pour Sahad Mohamad. Les limiers ont mis la main, vendredi, sur ce trafiquant de drogue dure, âgé de 30 ans, après quatre mois de recherche.

Un avis de recherche a été émis par la Police d’Antsiranana, depuis le mois d’avril 2017, pour le retrouver. Il est capturé à son arrivée à Vohémar ce vendredi 1er septembre 2017 à 5h du matin.

Sahad Mohamad est aussi poursuivi pour trafic de stupéfiants et association de malfaiteurs. Il sera transféré à Antsiranana pour la suite de l’enquête, selon le Commissaire de Police de Vohémar, Tombozafy.

 

Publié dans Fil info

Nanapa-kevitra ny ao amin'ny faritra Atsimo Atsinanana fa efa azo atao ny manangona ny vokatra jirofo noho ny fiovaovan'ny toetr'andro ka tsy miara-matoy ny vokatra. Na izany aza dia ny fivezivezeny ao anatin'ny faritra aloha no azo fa tsy maintsy mandoa tamberimbidy eny amin'ny Kaominina kosa raha hivoaka ny tanàna.

Ny famoahana azy ivelan'ny faritra kosa dia mbola miandry mba hitazomana ny atsaran'ny vokatra any amin'ny tsena iraisam-pirenena, hoy ny lehiben'ny Faritra Atsimo Atsinanana, Dr Théodoret ka hampahafantarina ihany aorian'ny fihaonana eo amin'ireo mpisehatra.

Publié dans Economie

Mihamaro ny fangatahana DAS na “Détachement d'appui à la Sécurisation” voarain'ny sampandraharaha mandefa miaramila any ambanivohitra ary tena niakatra be ny fangatahana tao anatin'ny telo vola noho ny tsy fandriam-pahalemana mihamirongatra.

Nandritra ny volana aogositra, omby 98 no very lasan'ny dahalo ary dahalo 4 no voasambotr'ireo miaramila mampandry fahalemana any ambanivohitra, ary efa natolotra ny Zandary hanohy ny famotorana. Basimborona iray ihany koa no tratra tamin'ireo dahalo voasambotra ireo.

Publié dans Vaovao

Kilalao natao hitondra "éveil" na famohazan-tsain'ny kilonga eo amin'ny fanabeazana ny vitsily, fanorona, kifanga sy ireo hafa fanao taloha. Mihavery izany ankehitriny ka izany indrindra no antony nanatanterahana izao hetsika izao teto Fianarantsoa ny tolakandron'ny alahady 03 septambra.

Mikarakara ny hetsika ny fikambanana "Izay manao ro mahavita". Namaly ny antso ny ankizy 150 avy any amin'ny fokontany teto an-tanana.
Miisa 8 ny sokajy kilalao ifaninana dia ny kifanga, kisabaka, fanorona, kanety, vitsily, course gony, course kapisily ary jono tavoahangy.

Andiany voalohany izao tanterahina izao. Ny alahady 10 septambra no dingana famaranana.

 

Publié dans Sociale

Misedra olana goavana ny Kaominina ambonivohitra Antalaha, Faritra SAVA rehefa nogiazan’ny Fanjakana efa ho enim-bolana izao ny volany any amin’ny Tahirimbolam-panjakana, izay tsy mazava amin’ny mpitantana sy ny mpiasa ny antony mazava mahatonga izany.

Misy fiantraikany amin’ny fampandehanana ny asan’ny Kaominina, ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa ary fandoavana ny volan'ireo mpandraharaha niasa ho an'ny Kaominina izany.

 

Publié dans Tselatra
B1 - Polyclinique
B2 - Toa