Filtrer les éléments par date : dimanche, 03 septembre 2017

Mankalazana ny Jobily faha-150 taonan’ny Fiangonana Loterana Malagasy sy ny faha-500 taonan’ny Reformasiona ny FLM amin’ity taona ity. Hisy fihaonambe hotanterahina eto Betafo-Vakinankaratra ho fanamarihana izany ny 24 ka hatramin’ny 31 oktobra 2017.

Hisy vahiny avy any Afrika, Etazonia, Norvezy, Eoropa ho avy hanotrona amin’izany, hoy ny filohan’ny FLM Pastora Rakotonirina David. Amin’io fotoana io koa no ivorian’ny KMSL (Komity Mpiandraikitra ny Synoda Lehibe).

 

Publié dans Tselatra
Hagagana miaro alahelo ny an’ny mponina ao Tanandava ny zoma 01 septambra, nahita fametrahana amin’ny toerany PDS na filohan’ny delegasiona manokana hitantana ity kaominina ity nefa ny Ben’ny Tanàna, voafidim-bahoaka mbola eo amperin’asa.
 
Ny Solombavambahoaka voafidy tamin’ny lisitra FFF (Firaisam-pirenena ho an'ny Fahafahana sy ny Fandrosoana) antokon-dRadavidson Andriamparany Benjamin saingy efa niofo ho HVM (Hery Vaovao ho an’i Madagasikara) Razafindrakoto Harifanja Francette sy ny lehiben’ny Distrika no tonga nametraka ity PDS ity tao an-toerana io zoma io. 
 
Publié dans Vaovao

Androany alahady 03 septambra 2017, tokony ho tamin’ny 3ora maraina no niseho ny firehetana. Niainga tao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny ny afo ary vetivety foana dia niledaka.

Tsy manana mpamonjy voina i Mandritsara, ka nampananosarotra ny famonoana ny afo, na nihezaka nanao izay ho afany aza ny Fokonolona.

Tsy nisy ny aina nafoy na naratra, afaka nanavo-tena tafavoaka teny ambaravarankely ny lehiben’ny Fitsarana ambaratonga voalohany. May kila tsy nisy azo noraisina kosa ny entana aman-tapitrisa tao an-trano.

"Tsy mbola voafaritra mazava ny nihavian’ny afo", raha ny fanazavan’ny lehiben’ny Distrikan’i Mandritsara Léon Fulgence.

 

Publié dans Tselatra
dimanche, 03 septembre 2017 12:52

Corée du Nord: Pyongyang teste une bombe H

Le voisin de la Corée du Nord, le Japon a confirmé ce dimanche 03 septembre d'une forte explosion d'une magnitude 6.3, dû à une déflagration ressentie dans la région.

Pyongyang, a confirmé à la télévision nord coréenne que Kim Jung Un, a ordonné un essai des bombes H, 10 fois plus puissantes que celles testées en 2016, plus puissantes qu'une bombe nucléaire.

Une bombe à hydrogène ou Bombe H, plus puissante qu'une bombe nucléaire, peut atteindre une force de plus d'une mégatonne, et qui peut être montée sur un missile intercontinental, lequel peut atteindre l'île de Guam abritant une base navale et une base militaire, américaines, dans la région.

 

Publié dans Internationale

Tsy nahatsiaro tena intsony i Fifaliana, zazalahy kely 6 taona voadonan'ny fiara mpitatitra iray avy any Toamasina omaly sabotsy tolakandro.

Publié dans A la Une
B1 - Polyclinique
B2 - Toa