Filtrer les éléments par date : mardi, 26 septembre 2017

Mpandraharaha iray mpanao mofo dipaina ao Tanambao, Fokontany Ambohimasina no notafihin’ny asan-jiolahy tao an-toeram-piasana ny alin’ny alahady 24 septambra teo.

Voafira antsy sady voadaroka ireo mpiasa sendra ireo jiolahy tao, nentin’ireto farany nanerena ireo mpiasa hanoro ny toerana misy ny mpampiasa azy ireo. Noho ny tahotra dia nanoro ny toerana misy azy ireo mpiasa.

Vao nanokatra ny varavarana tao ambony rihana ny tovolahy iray zanak’ilay mpampiasa dia notifirin’ireo olon-dratsy avy hatrany ka voa teo amin’ny tratrany.

Raha nandre ny poa-basy ny tompon’ilay fanaova-mofo dia nanao izay hampandosirana ireo vady aman-janany hanavotana ny ain’izy ireo. Nony tafavoaka ireto farany dia nitsoka kiririoka nanaitra ny manodidina. Vaky nandositra ireo jiolahy vao nahita ny firodorodon’ny Fokonolona.

Publié dans Vaovao

Tsy manaiky ny tetika rehetra hanemorana ny fifidianana 2018 ny komity mpanohana ny Filoha Andry Rajoelina. Nivoitra io nandritra ny fihaonamben’ny CS-ANR Alaotra Mangoro natao taty Ambatondrazaka ny faran’ny herinandro teo.

Nandritra ity fihaonambe ity no nanomezan’ny filoha nasionalin’ny CS-ANR Rtoa Raharison Gabrielle toromarika ny mpikambana rehetra ao anatin’ny faritra Alaotra Mangoro mba samy ho vonona hiatrika ireo fifidianana izay hifandimby amin’ny 2018.

 

Publié dans Tselatra

Nisy Ray aman-dreny iray manan-janaka teraka ny 12 aogositra 2017 tao amin'ny Maternité Dispensaire tonga tao amin'ny Kaominina haka kopia voalohany an'io zanany io. Nampiandrasana any amin'ny volana febroary 2018 izy vao vita ilay kopia rehefa tsy nanome vola 10.000 Ariary notakiana taminy.

Manoloana io tranga io dia nanao fanambarana ny Benin'ny Tanànan'i Sambava ny alatsinainy 25 septambra 2017 fa tsy andoavam-bola ny fakana kopia nahaterahana voalohany ary nanentana ny vahoaka ihany koa izy mba tsy handoa vola na amin'iza na amin'iza ao amin'ny Kaominina raha tsy misy quittance.

Misy boky manjavona ihany koa, tsy hita noho izy ifandroritan'ireo mpiasa ka samy manao copie any an-tranony, hany ka misy ankizy roa na telo manana laharana mitovy vokatr'io tandrevaka misy io.

Tonga tampoka tao amin'ny biraon'ny Ben'ny Tanàna ny solontenan'ny Bianco Antsiranana miisa roa. Tsy nisy nipika ny resak'izy ireo.

 

Publié dans Vaovao

Cette Journée s'adresse avant tout aux plus jeunes, un quart des jeunes de 15 à 24 ans a sa première relation sexuelle sans contraception.

 

Publié dans Fil info

Le nouveau stationnement routier de Vangaindrano sera construit sur un terrain de 3Ha à Ampasimpotsy.

Conçu pour recevoir 50 autocars pour la zone suburbaine, régionale, et nationale. Les travaux sont prévus pour 03 mois.

Les Ampanjaka et les différentes autorités de la ville ont honoré la pose de la première pierre ce lundi 25 septembre 2017.

 

Publié dans Fil info