Filtrer les éléments par date : samedi, 02 septembre 2017

Raha voatondro hatao rahampitso alahady 03 septambra ity seho hahatsiatovana ny tsingerintaonan'i Jean Émilien dia nanapa-kevitra ny fianakaviana io hariva io fa hahehotra amin'ny fotoana manaraka, izay tsy mbola voafaritra, ny hetsika.

 

Publié dans Art et Culture

Nanatanteraka fitsidihana ifotony taty Ambohimahasoa ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena Jeneraly Béni Xavier ny andron’ny 01 septambra. Nisy ny fifanankalozana sy ny fakan-kevitra tamin’ireo olom-boafidy sy tompon’andraikitra aty an-toerana mba ho famongorana ny tsy fandriam-pahalemana.

Voatonona nandritra izany fotoana izany ny fanasaziana ireo dahalo ambony latabatra izay tratra manadio ny omby, sy ireo rehetra miray tsikombakomba amin’ny alalan’ny tandrifim-pahefana misy azy.

Noresahana ankoatr’izay ny tsy fandeferana amin’ny asa ratsy rehetra mirongatra toa ny fanafihana amin’ny lalam-pirenena, ny asan-dahalo sy ny fampitahorana miaraka amin’izany.

Publié dans Sociale

Ady tany eo amin’ny 120ha no niandohany. Misy vazaha milaza ho tompony, ny mponina ao Ampitambe, Kaominina Ambohibary, Distrika Moramanga anefa milaza fa efa 40 taona no tao ary misy fasana ao an-tanàna. Tonga teny amin’ny Fitsarana ny raharaha nanomboka tamin’ny 2006.

Natoritory teny ny raharaha dia izao nifoha tampoka izao indray. Mbola tany an-tsaha ny mponina no tonga ny vadintany sy ny mpiaradia aminy omaly zoma 01 septambra tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro, nanatanteraka didim-pitsarana.

Tsy nisy ny alaharo fa navoakan’izy ireo teny an-tokontany ny entana, avy eo nofantsihina ny varavaran’ny trano.

Trano voafantsika no novantanin’ny avy any an-tsaha. Ny entana sy ny akoho amam-borona nihahaka teo an-tokontany. Fianakaviana 16 tafo no lasibatra ; ny sasany very vola.

Tsy nahafaly ny mponina izao zava-mitranga izao. Nandry teny an-tokontany ny olona, misy zaza marary sy reny bevohoka anefa.

 

Publié dans Vaovao

Le groupe Viseo, par l'intermédiaire de son entreprise Ocean Trade, a remis un véhicule Mazda BT50 à la Fondation Telma afin de soutenir ses actions sociales et humanitaires en faveur des plus vulnérables.

Une fois de plus, le groupe Viseo contribue à l'aide à la population malagasy. Grâce à cette dotation, les déplacements des équipes de la Fondation Telma sont facilités lors des différent projets sur les sites des associations partenaires qui se trouvent dans des endroits reculés de Madagascar.

Depuis, ce partenariat entre le Groupe Viseo et la Fondation Telma a marqué considérablement le quotidien des associations bénéficiaires.

En effet, trois associations ont pu jouir de ce partenariat, à savoir, Akamasoa, Aina Enfance&Avenir ainsi que Zazakely Sambatra.

Publié dans Sociale
B1 - Polyclinique
B2 - Toa