Filtrer les éléments par date : mardi, 19 septembre 2017

Dr Ralambomanana Dimby hatrany no lany ho filoha hitantana ny SECES, hiasa mandritra ny taom-piasana manaraka, izay haharitra telo taona. Izy no mbola nanankinan’ny mpizaika nandritra ny kongresy nasionalin’ny SECES teto Mahajanga, nifarana androany rehefa naharitra roa andro, ny 18 sy 19 septambra 2017.

Fehin-kevitra 3 lehibe no nivoitra tamin’izany. Teboka iray lehibe ny fanamafisana ny fitakiana mifanandrify amin'ny zo sy hasin'ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra. Voarakitra anatin'izany ny fanatanterahana ny tambikarama roa (résidence sy logement ) voafaritry ny didim-panjakana 2009-1214 tokony hihatra manomboka ny volana Janoary 2018. Eo ihany koa ny fampiharana ny didim-panjakana 2009-1215 ny amin'ny tambim-pikarohana ho an'ireo tokony hisitraka izany.

Publié dans A la Une
La 72ème Assemblée Générale des Nations Unies a débuté ses travaux ce 19 septembre à New York. Cette année, les débats sont placés sous le thème « Priorité à l’être humain : paix et vie décente pour tous sur une planète préservée. » 
 
L’intervention du Président de la République de Madagascar, Hery Rajaonarimampianina, à la tribune des Nations Unies est prévue ce mercredi 20 décembre, à 17h, heure locale, soit à minuit, heure malagasy.
 
Le Chef de l’Etat Malagasy est arrivé à New York ce 19 septembre à 13h, heure locale.
Publié dans Fil info

Eny amin'ny Campus Ambondrona no mikaondoha ireo mpampianatra mpikaroka mivondrona ao amin'ny SECES manerana an'i Mahajanga.

Mandritra ny roa andro izy ireo no manatanteraka ny kongresy, ny 18 sy 19 septambra 2017.

Hivoaka aorian'izao kongresy izao ny anaran'izay hitantana indray ny SECES mandritra ny telo taona manaraka indray, ary hijerena ny fomba hitondrana ny sendika.

Nanotrona ny fanokafana ny kongresy ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny profesora Rasoazananera Marie Monique.

Publié dans Vaovao

Fanatanjahantena ifaninanan'ireo mpianatra eny amin'ny ambaratonga ambony, avy amin'ireo oniversite sy ivon-toeram-pikarohana manerana an'i Madagasikara na Universiades, nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny 17 septambra ny andiany fahatelo teny amin'ny Campus Ambondrona.

Mpianatra maherin'ny 1200 no tonga aty Mahajanga mandray anjara amin'ny Universiades hisolo tena ny Faritany misy azy avy.

Hetsika ara-kolontsaina nandraisan'ny mpianatra avy amin'ny oniversiten'i Mahajanga anjara amin'ny maha mpampiantrano azy ireo no nanokafana ny hetsika.

Anisan'ny antoky ny fahombiazana amin'ny fianarana rantovina ny fananana vatana salama, ka izay no anisan'ny handrisihana ireo tanora mpianatra hazoto amin'ny fanaovana fanatanjahantena.

Publié dans Sport

Hetsika manaraka hataon’ny Polisy ny fanenjehana ireo mpisoloky ato anatin’ny faritra Alaotra, araka ny nambaran’ny Kaomisera divizionera Rakotomavo Roger Henri.

 

Publié dans Tselatra

Ady ny fiainana, tsy vitan'olon-drery intsony ny famelomana ny ankohonana fa ifanakonan'ny mpianakavy.

Mahavariana sady maha ontsa ny mahita ireto ankizilahy kely ireto miketrika eny amin'ny Petite Plage Mahajanga. Iray amin'ireny i Gerlain, vao sivy taona monja dia efa mitety ireo mpitsangatsangana eny amin'ny torapasika manosotra tentina amin'ny tarehy. Miaraka amin'ny sary isafidianan'ny mpanjifa ny modely ahosotra aminy sy poketra kely misy ireo kojakoja ilaina amin'izany no ahitana azy mandehandeha eny.

500 hatramin'ny 1000 Ariary no manosotra tentina ary mahazo hatramin'ny 5000 Ariary Izy raha tena mandeha ny tsena. Mbola mpianatra kosa anefa izy ary isaky ny tsy mianatra sy nandritra ny fialan-tsasatra lehibe ihany izy no miasa.

Publié dans Sociale
mardi, 19 septembre 2017 11:16

Toamasina: Mirongatra be ny fanendahana

Manao Opération ny polisy na andro na alina na week-end; koa ny alahady teo dia mpanendaka 16 lahy no tratran'ny FIP teny amin'ny Bord. Ny alahady alina kosa dia mpanendaka sady mpamaky trano 02 lahy no maty voatifitry ny UIR teny Ankirihiry Bazary may.

Mbola mitohy hatrany ity Opération ataon'ny polisy amin'ny asan-jiolahy eto Toamasina ity, ka hatreto aloha dia 29 ny voasambotra, izay teny amoron-dranomasina ny 24 tamin'izany, 04 voatifitra ary iray ihany no velona mbola mitsabo teny ao amin'ny hopitaly be.

 

Publié dans Tselatra

Taorian’ireo fankalazana maro efa nisy dia hisy indray ny fankalazana ny « Taombaovao Malagasy Iraisaina », izay ho hankalazaina eto Antsirabe ny 20 ka hatramin’ny 24 septambra ho avy izao ka ho ankalazaina voalohany eto Vakinankaratra izany.

Nisy ny fananganana ny komitim-paritra hisahana ny fankalazana izany ka ho an’i Vakinankaratra dia Rtoa Angelina Ralaizafy no mitarika izany. Ny faha-22 septembra moa no tapaka fa hankalazana izany noho ny fitongilanan’ny tsinam-bolana amin’io andro io, izay manamarika ny fanombohan’ny lohataona eto Madagasikara.

Raha ny fanazavany ihany dia tsy manafoana ny fankalazana efa nisy sy fanaon’ireo efa nanao izany ity hetsika ity, satria nambaran’izy ireo fa ireny hetsika efa nisy ireny dia tsy hiraisan’ny Malagasy manerana ny Nosy satria ny any amin’ny faritra dia tsy mankalaza izany Alahamady be izany sy ireo hafa eto an-drenivohitra, ka ity no heverina fa hampiraisana izany tsikelikely.

Publié dans Vaovao

Notanerahina ny alatsinainy 18 septambra tetsy amin’ny IBIS Ankorondrano ny SYMPOSIUM iraisam-pirenena ho an’ny fiarovana ireo zava-maniry izay efa ho lany tamingana eto Madagasikara.

Maharitra dimy andro moa ity karazana hatrik’asa sy dinika ity izay eo amban’ny fiahian’ny FAO.

 

Publié dans Sociale

Aty Alaotra nanomboka ny alatsinainy 18 septambra, ary hijanona mandritra ny 20 andro, ireo sampan’asa rehetra eo anivon’ny Bianco Toamasina hanabe ny mponina mahakasika ny ady amin’ny kolikoly, ary koa hanohy ny fanadihadiana mahakasika ireo taratasy fitorohana miisa 30 tonga eny am-pelatanany.

Fotoana iray koa io ahafahana manatanteraka ny fanambaràm-panana ho an’ireo olona voakasik’izany.

 

Publié dans Tselatra
B1 - Polyclinique
B2 - Toa